Syria: Fahatapahan'ny Aterineto?

Mirongatra ao amin'ny Twitter ny filazana fa mety misy fahatapahana ankapobeny ny aterineto manerana an'i Syria androany (Zoma). Manohy ny fihetsiketsehana hatrany ny Syriana manohitra ny fitondran'i Al Assad sy ny habibiana ataony amin'ny Syriana. Natao ny fihetsiketsehana Zoma hanamelohana ny fanafihana natao tamin'ireo zaza Syriana. Ny sasany milaza ny fahatapahan'ny aterineto tanteraka, ny hafa kosa mahita fa tapaka amin'ny faritra sasany ihany aterineto.

Ny mpiseraseran'ny tontolo arabo no mampiasa ny Aterineto, tafiditra ao anatin'izany i Syria, mba hanairana izao tontolo izao amin'ny habibiana ataon'ny governemanta amin'ireo olom-pireneny izay sahy maneho hevitra, sy mitaky ny fanovana ary ny fahalalahana mandritra ity onjan'ny fihetsiketseham-bahoaka manohitra ny didy jadona sy ny kolikoly ity.

Hetsika ao Damas, Syria (31/05/11). sary Flickr syriana2011 (CC BY 2.0).

Raha tapahin'ny governemanta syriana ny Aterineto manerana ny faritra androany, dia toy ny mamerina ny nataon'ny filohan'i Ejipta teo aloha Moubarak izy, izay  nanapaka ny aterineto talohan'ny 28 Janoary 2001, nandritra ny fihetsiketsehana manerana an'i Ejypta, ka nanosika hatrany indray ny vahoaka hidina an-dalambe mba hijery izay zava-nitranga ao amin'ny firenena. Ny filoha Ejyptiana niongana, izay hotsaraina noho ny fandraisany anjara tamin'ny famonoana ireo mpanao fihetsiketsehana, voampanga handoa onitra avy amin'ny fitsarana Ejipsiana noho ny fanapahany ny fifanerasera rehetra amin'ny Aterineto sy ny fanakanany ny tambazotram-pifandraisana amin'ny finday nandritra ny revolisiona Ejipsiana.

Iray amin'ireo tatitra voalohany fahatapahan'ny Aterineto ao Syria no nalefan’ i Alexander Page tao amin'ny Twitter ny, teo amin'ny 7 ora lasa teo, mpanao gazety tsy miankina mipetraka ao Damas ao Syria izy ankehitriny, ary nanoratra hoe:

Tapaka ny Aterineto ao #Damascus tamin'ny 3ora maraina, tsy mahagaga, satria Zoma androany #Syria

Adiny iray lasa izay, Maisa Akbik ni-tweet hoe :

Tapaka ny Aterineto ao amin'ny faritra maro ao #Syria, andron'ny fahasorenana, ho fahatsiarovana ireo zaza martiora izay maty novonoin'ny jiolahim-boton'ny fitondrana.

Maha nanamafy hoe:

Tapaka ny Aterineto manerana ny tanàna maro ao #Syria androany

Ny tweet an'i Malath Aumran mikasika ny fahatapahan'ny aterineto ao Syrie

Malath Aumran koa nanoratra hoe:

#Syria: toa tapaka tanteraka ny aterineto ao Syria.

Nampiany toy izao ity tweet manaraka ity:

#Syria: ampilazaina fa afaka miditra Aterineto ihany eny amin'ny cyber-café, ao Abu Romani, ao Damas, 20 minitra izay.

Razaniyat nanamafy hoe:

Notapahin'ny fitondrana syriana ny aterineto ao #Syria androany -Zoma an'ny zaza afaka, ny 3 jona.

Notohizany hoe :

Ry namana, tapaka tanteraka ny Aterineto ao Syria. Voalohany izao hatramin'ny nanombohan'ny revolisiona

Tao amin'ny tweet-ny manaraka :

Efa notapahan'ny fitondrana ny Aterineto teny amin'ny faritra  izay misy fihetsiketsehana, saingy vao voalohany izy no tapaka manerana ny firenena #Syria.

Khalad Karim nananihany hoe :

Izany tokoa ve, araka izany, nanaraka an'i #Mubarak koa izy ireo?

Niteraka fanontaniana maro teo amin'ireo mpiserasera ny tsy fahitana ireo Syriana amin'ny Aterineto. Omniyya Souriyya niahiahy :

Tapaka ny aterineto androany, tsy misy olom-pantatra intsony … Aiza ianareo, Syriana ? #Syria

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.