Siria: Manomana Fanambaràna Any Antalya ny Mpanohitra

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Syria 2011.

Andro iray monja taorian'ny nanambaràn'ny filoha Bashar Assad ny famotsoran-keloka ho an'ireo gadra politika, mivory ny vondrona Siriana ahitàna ireo mpanohitra mba hanao ilay antsoin'ny tatitra iray hoe “‘sori-dalàna’ ho an'ny tetezamita milamina sy demokratika ao Siria.” Ireo voasesitany ny ankabeazan'ireo ao amin'ny vondrona, anisan'izany ireo mpikambana ao amin'ilay fikambanana voarara ‘Firahalahiana Silamo.’

Siriana manatrika ny kaonferansa tao Antalya, eo ambany mason'ny sarin'ireo Maritiora Siriana

Dr. Mohja Kahf, akademisiana Siriana-Amerikana,  profesora ao amin'ny Anjerimanontolon'i Arkansas, dia mitatitra mivantana amin'ny tweets ny fivoriana izay tontosaina ao amin'ny toeram-pialàntsasatra iray any Antalya, Tiorkia.

Ny Zoma lasa teo, nanoratra momba ny fivoriana izy: “Antalya:Tsy fivorian'ny mpanohitra antitra fanaon'ny dadanao ity #Syria Vondrona vaovao miforona, endrika tanora, tanjaka vaovao.”

Dr. Kahf koa dia nibitsika fa ireo nanatrika ny fivoriana dia hanao fitokonana tsy hihinan-kanina iray andro ho firaisan-kina amin'ireo Siriana rahalahiny .

Ao amin'ny Twitter ihany, mailaka i @abulyas nanamarika fa tsy “fivorian'ny mpanohitra” iny fivoriana iny, ary manamarika:

“tsy fivorian'ny mpanohitra ny fivorian'i #Antalya. Nahitàna Siriana tsy miankina maro avy amin'ny lafivalo tao, niray hina hanongana ny fitondràna Siriana #march15″

Na dia miray hina amin'izany hetsika izany aza ireo nanatrika ny fivoriana, tsy maintsy nisy ihany ny tsy fifankahazoana. Nanamarika tafatafa hitany maso tao an-dalantsaran'ny hotely i Dr. Kahf:

“Ny tanora mitondra ity fanovàna ity dia tsy miraharaha ireo fitsipiky ny tsy fitoviana taloha:Ikhwan, laika” -resaka an-jorony fivoriana Antalya #Syria.”

Misy lahatsoratra iray ao amin'ny NOW! Lebanon koa dia nanamarika fizaràn'ny tanora sy ny antitra. Misy koa ny tatitra manambara fa tsy nety nanatrika ny fivoriana ny Siriana mpikambana sasany ao amin'ny mpanohitra, ary koa fanehoana fahadisoam-panantenana ao amin'ny Twitter avy amin'ireo Siriana ao an-tanindrazana.

Nefa raha narahana fatratra io fivoriana io, nanapa-kevitra ny hizotra any Antalya ireo mpanao fihetsiketsehana miandany amin'ny fitondràna, anjatony kilometatra vitsivitsy miala amin'ny sisin-tany Siriana, mba haneho tsy fankasitrahana ny fivorian'ny mpanohitra. Nefa araka ny marihan'ny mpitati-baovaon'ny CNN Ivan Watson ao amin'ny Twitter:

“Milaza ny filoha lefitry ny polisin'i Antalya fa tazoniny ho lavitry ny fivorian'ny Siriana mpanohitra ireo mpanao fihetsiketsehana an-jatony mpomba ny fitondràna.”

Nanomana fanambaràna hatao ny 1 Jona ireo nanatrika ny fivoriana.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny  Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.