Shina: Fiampangana voalohany ‘Jasmin’

Nivoaka androany ny didim-pitsarana voalohany ilay mpikatroka miaro ny zon'ny sarambambe ao Chengdu, Li Shuangde, 47 taona, taorian'ny fisamborana sy fitazonana azy matetika nandritra ity lohataona ity.

Li Shuangde

 

 Taorian'ny fitazomana azy nanomboka tamin'ny 23 martsa, nohelohina ho nanao hosoka “carte de crédit” i M. Li tamin'ny Alarobia teo ary voasazy higadra mandritra ny efa-bolana sy handoa lamandy  20.000 RMB. Araka ny hevitry ny “fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Shinoa”, dia azo iverenana amin'ny lasa ny didim-pitsarana an'i M. Li ka tokony ho tapitra amin'ny faran'ny volana jolay izao ny saziny.

Noeritreretina tontosaina talata maraina ny fotoam-pitsarana an'i M. Li tamin'ny voalohany, saingy araka ny nambaran'ireo mpanohana azy sy ny mpisolo vava azy taloha Ran Tong, nahemotra indray izany raha nahare ny fikasan'ny mpisolovava ny “maitre” Ran hiantso fa tsy meloka Atoa. Li ny filohan'ny Fitsarana .

Tonga tao amin'ny fitsarana ny mpanohana an'i Xing Qingxian tamin'ny talata, ary nanoratra ity tantara fohy ity :

5月31日,我8点50就早早来到了锦江区法院门口,锦江区法院在装修,门口和往常一样没有像我们开庭时候那样搞得很紧张,后来才从律师口中得知法院通知的是11点开庭,我和一起去的朋友们只好在附近的茶馆喝茶等待,10点45分,我和朋友们一起通过了法院的安检门,进入法院二楼大厅,在大厅里,我们见到了李双德的母亲,一起聊了一会儿天,就进入了二楼的第五法庭,法庭很小,我们大约去了十多人,就已经坐不下了。

Ny 31 mey, tamin'ny 8:50 aho dia efa tonga teo am-bavahadin'ny tribonaly ao amin'ny  Districta Jinjiang, izay efa nohavaozina. Ara-dalàna tsara avokoa ny tao anatin'ny fitsarana, fa tsy mora tezitezitra tahaka ny fotoam-pitsarana nandehananay taloha. Reko tamin'ny mpahay lalàna iray fotoana fohy taty aoriana fa amin'ny 11 ora vao hanomboka ny fotoam-pitsarana, araka izany dia namonjy toeram-pisotroana dité teo akaiky teo aloha izaho sy ireo namana niaraka tamiko tany  mba hiandry ny fotoana. Tamin'ny 10:45, niditra teo amin'ny fidirana toeram-pisavana izahay ary niakatra tao an-dalantsara ao amin'ny rihana faharoa, izay nahitanay ny renin'i Li Shuangde, niresaka kely izahay mialoha ny idirana ao amin'ny efitra fitsarana laharana faha-5. Kelikely ny efitra ka tsy nisy toerana ho an'ny olona olona taminay.

一进门就看见一个小女生在哪里整理文件,可能是书记员,法官此时还没到庭,等到11点15分左右,看见吕姓法官进来了,去法官席上看了看案卷,就出去了,又过了一会,来了一个男法官,说先开他的庭,让我们出去,此时看到带了几个年轻的罪犯进来,我们在法院的大厅里等候,又过了一会,那个女法官通知我们,说今天不开庭了,让我们回去等通知。冉彤律师问为什么,法官说:既然你要做无罪辩护我们需要通知公诉人到庭来支持诉讼, 冉彤和家属朋友都向法官表示:我们并没有表示一定做无罪辩护,我们只想知道李双德认罪,是他的真实意思表达,因为冉彤律师认真研究了证据,认为李双德是无罪的,李双德作为法律工作者不可能不知道自己的行为构不成犯罪,从整个公诉方提供的证据来看,李双德的认罪到底是怎么回事,我们还不清楚,由于冉彤得到开庭通知时间十分紧迫,没来得及见李双德,因此冉彤律师才希望当庭询问李双德,如果李双德认罪,是他自己的真实意思表达,冉彤律师向法官表示,他将不再为李双德辩护;可法官没有同意。

Teo ampidirana dia nahita tovovavy nifantina taratasy izahay, angamba ny mpiandraikitra ny tahirin-taratasim-pitsarana izy i. Mbola tsy tonga tao ny mpitsara, ka niandry hatramin'ny 11ora sy fahefany izahay avy eo niditra ihany ilay mpitsara vavy antsoina hoe Lǚ ka namonjy ny toerany. Nijery ireo antonta-taratasy izy dia nivoaka avy eo. Minitra vitsy taty aoriana, nisy mpitsara lahy niditra indray ary niteny hoe ny raharaha izay sahaniny aloha no hodinihina voalohany, ka niangavy anay izy mba hiala tao amin'ny efitra. Teo ampialana ny efitra dia nahita jiolahy tanora maromaro nentina hotsaraina tao izahay. Niandry ela tao an-dalantsara izahay, avy eo nisy mpitsara vavy nanatona anay nilaza fa tsy anio no hotontosaina ny raharaha momba an'i  Li, ka tokony hody daholo izahay ary miandry ny fampilazana manaraka. Nanontany ny anton’ izany ny mpisolovava Ran Tong, ka hoy ilay mpitsara nanatona anay hoe efa nivonona ny hiarotena izy fa tsy meloka, ka tokony hiantso ny fianakaviany izy mba hanatrika ny fitsarana ary hanohana ny fandehan-draharaha. Na i Ran Tong na ny namana iray ao amin'ny fianakaviana no nilaza tamin'ny mpitsara fa tsy nisy olona nilaza fa niantso ny tsy mahameloka azy izy, ary te-hanamarina izy ireo fa nilaza izany tokoa i  Li Shuangde, te-hahita raha izany tokoa no faniriany. Nanadihady ireo porofo momba ny toe-draharaha i Ran Tong ka tsapany fa tsy meloka mihitsy i  Li Shuangde . Amin'ny maha mpahay lalàna azy tsy misy fomba tsy ahafantaran'i  Li Shuangde mihitsy fa tsy heloka velively ny zavatra nataony. Voamarina koa izany ao amin'ny porofo nentin'ny fampanoavana, tsy misy dikany mazava ny fiaiken-keloka nataon'i Li Shuangde, na izahay koa no tsy nahazo ny tiany ambara. Satria tara vao voarain'i Ran Tong ny taratasy fampiantsoana avy amin'ny tribonaly, dia tsy nanam-potoana nihaonana mialoha tamin'i Li Shuangde intsony izy, fa nanantena fa mbola afaka hanadihady azy amin'ny fotoam-pitsarana. Nilaza tamin'ny mpitsara ny mpisolovava Ran Tong fa raha niaiky ny helony Li Shuangde, ka tena izay tokoa no fikasany ao anatiny, dia tsy hisolo vava an'i Li manoloana ny fitsarana izy. Tsy nanaiky izany ilay mpitsara.

[…]

匆匆吃过饭后,冉彤律师马上赶到看守所,希望会见李双德,询问他的真实意思,并告诉他现有证据的情况,但看守所说李双德已经调监,不允许会见,更蹊跷的是,不久李双德的母亲打电话给冉彤律师,让冉彤律师不要再去会见李双德。

Nisakafo maikamaika izahay, avy eo nihazakazaka teny amin'ny fonja ny mpisolovava Ran Tong, nanantena hahita ani’ Li Shuangde ary hanontany azy izay tena tadiaviny tokoa, ary koa ny ampahafantatra azy ny porofo rehetra momba ny toe-draharaha. Kanefa nilaza ny tao amin'ny fonja fa tsy ao intsony i  Li Shuangde fa efa nafindra toeran-kafa, ary tsy mahazo vangiana na tsidihina izy. Ary ny tena nahavariana dia niantso an'i Ran Tong tamin'ny antso an-tariby ny renin'i Li Shuangde avy eo ary nangataka azy mba tsy hiverina hijery an'i Li Shuangde intsony.

Niverina nankany amin'ny fonja izay nitazonana an'i M.Li i Ran ny alarobia maraina, ary nilaza azy ny  tompon'andraikitra tao fa efa nentina any amin'ny fitsarana any amin'ny Distrikan'i Jijiang izy ary efa nomena mpisolovava vaovao.

Taratasy fampiantsona an'i Jijiang ho avy any amin'ny tribonaly amin'ny 31 mey2011

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.