Iran: Maty Nandritra ny Fandevenana ny Rainy ilay Vehivavy Mafàna Fo Amin'ny Fiarovana ny Zon'ny Vehivavy

Ezzatollah and Haleh Sahabi

Ezzatollah and Haleh Sahabi

Haleh Sahabi, maty omaly maraina ny vehivary iraniana iray mafana fo amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy noho ny herisetra nataon'ireo mpitandro filaminana nandritra ny fandevenana an-drainy, Ezatollah Sahabi, tia tanindrazana sady mpitarika politika ela nihetezana.

Haleh no nitarika ny filaharana sady nitondra voninkazo sy sarin-drainy iray tamin'ny fotoana nirotsahan'ireo mpitandro filaminana nanao akanjon'olon-tsotra   niezaka ny haka ilay sary. Ireo vavolombelona nanatri-maso dia nilaza fa nampiasa kobay ireo iraka ireo ary nilofika noho izany izy ka teny an-dalana ho any amin'ny hopitaly no maty.

Izao fahafatesany tampoka sy aloha loatra izao dia lohatenin'ireo vohikalam-baovao maro samihafa. Ireo sarin'i Haleh sy ny rainy (etsy ambony), ny vatana mangatsiaka sy ny lahatsarin'ireo mana-manjo dia miparitaka mameno ny  Facebook sy bilaogy.

Ilay iraniana bilaogera  Zede Kodeta (Manohitra ny Fanonganam-Panjakanat) dia mankahery [fa] ny vahoaka hiakatra eny am-bovonana sy hikiaka ny fanoheran'izy ireo ny fitondrana, ho fanoherana ny zavatra nahazo an'i Haleh.

Bilaogera iray hafa, Artenoos, manoratra hoe [fa]:

Vehivavy nafàna fo tamin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy i Haleh, 56 taona, ary mpandalina ny Korany. Nosamborina izy ny 5 Aogositra 2009 raha nohosorana indrindra hitondra fanindroany indray ny filoha Mahmoud Ahmadinejad. Iray tamin'ireo mpanohitra tonga teo akaikin'ny Antenimieran'i Iran izy. Nodarohan'ny mpitandro filaminana izy… Nino izy fa ho azonao atao ny hahita fitoviana eo amin'ny lahy sy ny vavy, raha toa ianao mamaky ny Korany amin'ny fomba fitaratry ny vehivavy sy ny tebitebiny.

Ilay bilaogera Tweatter manoratra hoe [fa]:

Haleh Sahabis firy no ilaina ho faty vao ho ravantsika ny tsy fitoviana? Hafiriana no tokony hiandrasana, ary ho faly hihaino an'i Obama hilaza hoe ,”tao Iran no nanomboka ny hetsika fanehoan-kevitra voalohany tany amin'ny faritra”? Fa maninona moa isika no tsy maka ohatra amin'i Ejipta, Tonizia, ary ny hetsik'ireo vahoaka mahery fo tao Syria? Dia tsy misy na iray aza mahatsiaro ve [ilay ohabolana Iraniana] ‘mahavita zavatra ianao raha toamanarana azy'?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.