Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana

Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina  vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine. Na izany aza, maro amin’izy ireo no navotsotra, ny ankamaroany tsy nilaza izay zava-nitranga nandritra ny fisamborana azy.

Amin’izao fotoana izao, taorian’ny telo volana nitazonana azy, mpahay lalàna  iray avy ao Shangai Li Tiantian (@litiantian) no sahy nandrava ny fahanginana tao amin’ny twitter. Tao anaty andianà bitsika hatramin'ny 27 sy 28 Mey, nosoritsoritany tsara hoe hatraiza ny fanararaotan’ireo Polisim-pirenena ny fahafantaran’izy ireo  ny fiainany  manokana ho isan’ny tetikady manokana hampitahoran’izy ireo ny mafàna fo sy ny mpitarika fanehoan-kevitra.

Ilay tahotra tsy voalaza

Ny faha-26 Mey, Tiantian nibitsika hoe:

@litiantian: 5月24号,我出院了。谢谢大家的关心,晚了2天才上网通知大家很抱歉。看了大家对我的关心,感觉很温暖。未未的事情我在里面就知道了,很难过,希望他早日平安出来。

Navoaka ny hopitaly aho ny 21 Mey, misaotra tamin’ny fanohanana ary miala tsiny fa tara 2 andro ny fiverenako teto anivon'ny aterineto. Tena nanohina ahy ny famakiana ny hafatra nampihetsi-po nalefanareo. Henoko hoe nosamborina i Aiweiwei tamin’ny izaho tany am-pigadrana, tena nalahelo be aho, ary manantena fa  alefa hody any an-tranony  faran'izay haingana izy.

Ny 27 Mey, nanoratra izy hoe :

@litiantian: 能说出的恐惧还是小恐惧,不敢说的恐惧才是大恐惧,给猫说好话的老鼠一定内心受到了特大恐惧的袭击,我想很可能是这样。就像有的人会爱上让他她怕的人,可能。人性很复杂,好在是人都想摆脱恐惧。这才是我们努力的重点,比较人与人对待恐惧的不同反应没有什么意思,可能。

Kely raha ny karazana tahotra izay azonao faritana, fa ny karazana tahotra  izay  tsy vitanao lazaina no lehibe indrindra. Ny voalavo mitalaho eo anoloan’ny saka dia mety  tena matahotra be, angamba. Tahaka ny olona iray  izay mety ho raiki-pitia amin ‘ny olona iray izay atahorany  mafy, angamba. Sarotra ny fahatakarana ny sain’olombelona, ny zavatra iray mahafinaritra dia ny hoe te handresy io tahotra io isika, ary izany no mahatonga antsika hitolona. Tsy vahaolana ny fampitahàna ny fomba fiatrehan’ny olona tsirairay ny tahotra.

@litiantian: 有时候想,人在生活中总会遇到风险,比如车祸,比如癌症,与政府较劲也会死人,但车祸,癌症,政治迫害,到底哪种风险死亡率更高呢?我们是不是对风险低的事情过于胆小,对风险大的事情过于胆大了?–

Feno zava-mahatahotra ny fiainana, toy ny lozam-pifamoivoizana, ny homamiadana ary  ny fiatrehana ny Governemanta. Na izany aza, inona amin’ireo telo ireo no tena mampatahotra  raha eo amin’ny lafiny fahafatesana – ny lozam-piarakodia, ny homamiadana sa ny fanenjehana ara-politika?  Moa ve tsy matahotra ny fiatraikan’ny fandraisana fanapahan-kevitra mirefarefa isika, nefa tena mety mivaingana be amin’ireo  asa mihatra aman'aina?

@litiantian: 我出来的时候人是飘着的,走路走不稳,身体好象没有重量不是自己的。被回新疆下飞机后给男朋友打电话才知道警察找过他好多次,还找他单位,找他哥哥姐姐,要求他与我分手,写下分手的东西,我男朋友不写,说不行你们可以把我也关进去,就是别逼我,你们有本事把李天天毙了,我也不会写那样的东西的。

Tamin’ny fotoana namoahana ahy, nahatsiaro tena ho toy ny nitsingevana  teny amin’ny rivotra aho. Mandeha aho ary toa miha maivana izany.Taorian’ny nanaterana ahy tao Xinjiang, nantsoiko an-telefona ny sipako ary teo  no nahalalako fa hay matetika notsidihan’ny polisy foana Izy. Notsidihan-dry zareo hatrany amin’ny  orinasany koa aza, ary niresaka tamin’ireo anabavy sy rahalahin’io sipako io  izy ireo ka namporisika azy ireo hiteny aminy hanoratra taratasy fisarahana. Nandà tsy hanoratra izany ilay sipako, ary nilaza hoe na dia ho tifirinareo  ho faty aza TianTian dia tsy hanoratra zavatra tahaka izany aho.

Fangalana am-bavany mikasika ny fiainana ara-pananahana

@litiantian: 我进去以后,他们还搜了我与男朋友住的房子。所有的东西搜了一遍。我出来才知道。还逼我男朋友看我与其他人开过房的录像,还让他哥哥姐姐。

Taoriana  ny nitazonana ahy, dia nisava ny tranoko sy tao an-tranon’ny sipako ry zareo. Nokarohin-dry zareo daholo ny zavatra rehetra tao. Noteren-dry zareo ny sipako, ny rahalahiny ary ny anabaviny  hijery video mampiseho ny sariko niaraka taminà lehilahy hafa niditra hotely.

@litiantian: 我与谁开房,估计我男朋友都不想关心的问题,警察先关心了。他们先找到男方做了笔录,录的很细,谁出的钱,谁先提议去开房,做了几次,谁先挑逗的谁,要求我说的越细越好。

Tsy tombotsoa ho an’ny sipako loatra ny hahafantatra izay olona niara nandry tamiko. Naneho bebe kokoa ny ahiahiny ireo polisy. Saron’izy ireo ireo lehilahy ary tadiavin’ izy ireo ny antonta tarartasy maneho amin’ny antsipirihany toy ny hoe, iza no nandoa ny volan’ny trano fandraisan-bahiny ? Iza no tompon-kevitra tamin’ny fanaovana firaisana ara nofo ? Impiry? Iza no nanadala an’iza ? Nasain’izy ireo nilaza ireny antsipirihany ireny aho.

@litiantian: 因为他们实在想知道开房在床上的细节,而我又有点忘了,为满足他们,我善良地说:你们实在想知道,把那些男人叫过来,我可以在你们面前再表演一遍给你们看。但他们说一定没有三级片好看,就没有允许。

Satria tena te-hahalala ny zava-nisy marina ry zareo ary izaho somary varimbarina, nomeko: raha tena tianareo ho fantatra, afaka antsoinareo mankaty ireo lehilahy ireo, ary afaka averiko ho anareo indray mba ho raiketinareo. Nilaza ry zareo fa tsy tsara noho ny video natao ho an’ ny olon-dehibe izany ary voarara ny fanaovana izany.

@litiantian: 真不好意思把这些涉性的 内容写出来,但不写心里更憋屈。 虽然当时甚至是开着玩笑配合警察做那些涉性的调查笔露的,但内心还是有很深的羞辱感。像是被人拳打脚踢,我还必须笑着说打得不痛一样,无奈,无助,恐惧感还是很强。

Menatra ihany aho ny hanoratra momba ny firaisana ara-nofo amin’ity taratasy ity saingy hijaly kokoa aho raha tsy mamoaka ny ato anatiko. Nandritra ny fanadihadhana, somary nanao vazivazy  mihintsy aza aho mikasika io, nefa aho mahatsiaro tena ho afa-baraka tanteraka, na dia nodarohana aza aho dia nitsiky hatrany sady nilaza fa tsy nahatsiaro narary akory aho. Tena malemy tanteraka. Mbola tena mavesatra amiko ny lanjan'ny tahotra.

@litiantian: 好在,我没有在警察面前掉过一滴眼泪,也没有让自己的情绪失控过。当我说你们不给我请律师,不在你们笔录上填写询问人记录人的名字,我就再不给你们笔录上签一个名字,警察说你是想挨打吗?站起身走到了我跟前要打我,我说我也许会咬下你的耳朵或脖子,他上来就抓住了我头发,拿起餐巾纸盒要打我。

Soa ihany, tsy nandatsaka aho na ranomaso iray aza nanoloana ireo polisy. Nahafehy tena koa aho. Nilaza koa aho, fa raha tsy mahazo mpisolo vava aho dia, tsy hametraka velivelyny anarako ao anatin’io antontan-taratasy fiaikena io, nanontany ahy ilay polisy raha nila daroka aho. Nitsangana teo anoloako ilay mananboninahitra ary te hidaroka ahy mafy mihitsy. Mitandrema kely hoy aho fa ho kakeriko ny sofinao sy ny tendanao. Nosintoniny ny voloko sady norahonany hokapohina tamin’ny baoritra aho.

@litiantian: 警察抓着我头发拿着金属盒要打未打的时候,我马上说:真打呀,知道了,怕你们了,我配合你们,不要求什么了,你可真有男人味,吓的要我要尿裤子了。我真的那时候就感觉必须要去卫生间了。警察继续说,在不配合就上手烤,关铁笼子,把警棍拿出来。还让看守我的人对我不要客气,该打就打。

Alohan’ny hikapohany ahy tamin’ilay baoritra dia hoy aho : hikapoka ahy tokoa ianao. Azoko, matahotra aho,  tsy maintsy hifanaraka amin’izy ireo aho sady tsy hanontany na inona na inona. Tena hentitra ianao. Hivalandrano sady hotsaka eto ny patalohako. Tena nila  trano fivoahana maika aho. Nilaza ilay manamboninahitra fa hofatorany amin’ny tady vy sy hidiany ao anaty trano èty aho rehefa tsy mety hifanarahana. Nandray ireny kobay fikapohan'ny polisy ireny ilay manamboninahitra sady nanome baiko ilay mpiambina hikapoka ahy raha ilaina.

@litiantian: 我在里面努力调整自己的心态才没有疯,快发疯的感觉也出现过七八次。 —–不就是没有窗吗?想想饿死的,文革死的人,我这算什么?就这样安慰自己才没有疯的。

Niezaka mafy aho nampitony ny saiko sao lasa adala eo. Im-pito na im-balo aho no saika nidaraboka tamin’ny  tany. —dia izay izany, olana tsy dia manao ahoana ny tsy fisian'ny varavarankely. Saino fotsiny ireo  tamin’ny revolisiona ara-kolotsaina ireny, tsy misy dikany ny zavatra atrehako ankehitriny. Izany no fomba ataoko hankaherezan-tena mba hisakanako ny saiko tsy ho reraka sy ho kivy.

Manosika ny tahotra manoloana ny fandrabirabiana ara nofo

@litiantian: 他们说,你的要求还真不少,一次不够还两次。我说:我不是40多岁的女人吗?不是有30岁如何,40岁如何的说法吗?再说你们上海男人就这么点事总是做不好,在床上只要不自私,这些事情很容易做好的,因为做的不好才要第二次的呀。知道你们上海女人为什么很作吗?就是男人很笨很自私,让女人不满足。

Hoy izy ireo hoe: Manana hetahetam-pilàna ara-nofo  matanjaka ianao; tsy ampy anao ny indray mandeha; mila indroa ianao amin’ny fotoana iray ? Namaly aho: vehivavy eo amin’ny faha efapolo taonako aho. Misy fteny mikasika ny [filàn'ny ] vehivavy eo amin’ny 30 sy 40 taona; sa tsy  izany? Manaraka izany, ny lehilahin'i Shangai tsy dia mahavita an'izany. Raha tsy tia tena ny lehilahy, mandeha ho azy ny firaisana ara-nofo. Kanefa rehefa tsy alehany ny ataon-dry zalahy, tsy maintsy mamerina manao iny indray izy. Fantatrao ve hoe maninona ny vehivavy eto Shanghai no tsy refesi-mandidy? Satria ny lehilahy ao Shangai dia tia tena sady tsy kaondrana, tsy afaka ny manome fahafaham-po ny vehivavy. [Fanamarihan’ny mpadika teny: ireo mpitandro filaminana avy amin'ny polisy dia avy ao Shanghai]

@litiantian: 以前的调查都是两或者三个警察,调查涉性的这次,他们要看守我的两个人也进入审讯室,一男一女,4人听着我说性事,那感觉真不舒服。他们说你的要求这样强烈,那这段时间你还不憋死,我说是呀,所以快放我出去呀。

Polisy  2 na 3 no nanadina ahy.tamin’io fotoana io. Rehefa momba ny  maha-lahy na ny maha-vavy no resahana, dia miantso mpiambina roa fanampiny izy ireo ka ny iray vehivavy ny iray lehilahy,  hiditra ao amin’ny  efitrano fakàna am-bavany. Efatra teo no isan-dry zareo  nanontany ahy momba ny  fiainako ara-pananahana. Tsapako ho hafahafa be aho. Hoy izy ireo : Tena taitaitra be ianao, maty eo ianao raha manao firaisana amin’izao. Eny hoy aho namaly, avelao hivoaka amin’izay aho .

@litiantian: 开过房的其中一人,我随便带了点新疆干果给他,连这个他们都调查了,当然他们还主要调查了我有没有与这些男人说茉莉花的事情。我说:送两带干果你们不会按性交易处理我吧。

Indray mandeha aho nitondra voankazo maina ho an’ny iray tamin’ireo mpanao firaisana amiko. Tao anatin’ny fanadihadian-dry zareo koa io. Fantany ihany koa raha nidinika ny momba ny hetsi-panoherana  Jasmine tamin’ireo lehilahy ireo aho. Tsy horaisinareo ho takalom-piraisana ireo voankazo, sa tsy izany? hoy aho nanontany.

Fitadiavana fifandraisana ara-tsosialy

@litiantian: 警察要我写了我在网上都认识什么人,一共有不到30个吧。包括去北海认识能记住名字的。怎么认识,有什么样的来往,他们要求1,我都写到了2的详细程度。他们表示满意。特别要求我写了与未未,刘晓原,滕彪的交彪的交往情况。我也写了,一切实话实说。

Nasain’ny Polisy nanoratra izay olona rehetra fantatro tamin’ny alalan’ny Aterineto aho. Anarana teo amin’ny 30 no nosoratako, ao anatin’izany ireo izay nihaona tamiko tao Beihai. Nanontany ahy ny tena fomba nahafantarako marina azy ireo ry zareo, sy ny fomba nifandraisanay. Tsy maintsy nosoratako tamin’ny antsipirihany ny zava-drehetra. Afa-po izy ireo ary niangavy ahy hanoratra amin’ny ambangovangony ny momba an’i Ai Weiwei, Liu Xiaoyun ary Tien Bao. Nosoratako daholo ny zava-nisy fantatro .

@litiantian: 上飞机前警察把解除监视居住决定书给了我,顺便说你就撕掉吧,我没撕。去登机口路上我说你喜欢你的工作吗?他说要养家糊口呀。我说你真不容易。希望你保卫的政府长命百岁,一定要长命百岁呀,否则我找你麻烦,就像你找我麻烦一样。过了检票口向他挥下手,他还在给我拍录像,留作确实送走了我的证据。

Talohan’ny niakarako tao anaty fiaramanidina, nomen’ilay lehiben’ny polisy ahy ny antontan-taratasy fikaretana ary niangavy ahy izy hamotipotika azy io avy eo. Tsy nanao izany aho. Nanontany azy aho teny an-dalana handray fiara-manidina raha tiany ny asany. Nambarany fa tsy maintsy manao io izy mba hamelomany ny fianakaviany. Mety ho sarotra izany hoy aho ary naniry ahomba ho ela velona ny governemanta arovan’izy ireo fa raha tsy izany mety hiatrika koa ny zava-manahirana mitovy amin’izay atrehako amin’izao izy. Nanamarina ny pasipaoroko aho avy eo ary nikopa-tànana azy. Nandrakitra ahy tanaty horonantsary izy ho porofon'ny niarahany dia tamiko hatreny amin’ny fiaramanidina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.