Ejipta: Fisokafan'ny vavahady ifandraisan'i Rafah sy Gaza

Nanokatra ny toerana fandalovana ao Rafah mankany amin'i faritr'i Gaza i Ejipta androany, mamela ny olona hivezivezy malalaka any Ejipta indray tato anatin'i efatra taona lasa. Ny sisintany, izay vavahady lehiben'i Gaza mankany amin'ny tontolo ivelany, dia nosokafana tsindraindray nandritra ny fitondran'ilay filoha Ejiptiana teo aloha  Hosni Mubarak. Ity manaraka ity dia fihetseham-po vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter momba ity fivoarana faramparany ity.

Nizara antsipirihany bebe kokoa ao amin'ny Twitter ilay Mpitatitra Hannah Allam:

Famerana amin'ny fivezivezena any #rafah: tsy misy lehilahy teratany Palestiniana eo anelanelan'ny 18 sy 40 mahazo mankany tsy misy fahazoan-dalana manokana, ireo mpîanatra manana porofo amin'ny fianarana any ejipta ok, ireo vehivavy amin'ny taona rehetra ok

Manampy i @onelittlepixie:

Ny olona ihany no afaka mivezivezy any #Rafah . Mbola voafetra kosa ireo entam-barotra.

ary manohy:

Manodidina ny 350 eo ireo mponina nandao an'i Gaza avy eo amin'ilay faritra fivezivezena ao #Rafah androany.

Tsy nampino an'i Damdoma, avy any Gaza, ireo vaovao:

بالنسبة لفتح معبر رفح لو انو 1 نيسان كان قلت انها كذبة .. عنجد لهلأ مو مصدقة انا !! #Gaza #Rafah #Egypt
Mikasika ny fisokafan'ny fivezivezena any Rafah. Raha nambara ny 1 Aprily izany, mety nieritreretiko ho lainga. Tena mbola tsy mino aho

Ary koa, avy any Gaza, Ola Anan, nizara fihetseham-po mitovitovy amin'izany. Nitoraka tweet izy:

الاخبار كلها عن فتح معبر رفح .. الي انا حاساه خبر اعلامي مش اكتر .. لازم حد فينا يجرب يسافر عشان يتأكد من التغيير ! #gaza #rafah #egypt
Ny vaovao rehetra dia momba ny fisokafan'ny Fivezivezena any Rafah. Mbola tanako foana ho vaovao kobaka am-bavan'ny media izany fa tsy misy heviny ankoatra ankoatra izay. Ny tsirairay amintsika dia mila miezaka ary mandeha any mba hahazoana antoka tokoa fa tena nisy ny fiovàna.

Ilay Palestiniana Mahmoud Omar, izay milaza ny tenany ho mpitsoa-ponenana any Kairo, dia mankasitraka ny Revolisiona tao Ejipta tamin'ny fahatanterahana izany:

شكرًا مصر, شعبًا وثورةً وكرامة #Egypt #Rafah

Misaotra anao ry Ejipta, ireo vahoakanao, ny revolisiona nataonao sy ny fahamendrehanao!

Ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana Alaa Abd El Fattah dia manontany am-panesoana:

هي اسرائيل هتحاربنا امتى؟ مش الناس قالت فتح المعبر هيخلي اسرائيل تحاربنا؟ و حماس هتبعت الارهابيين بتوعها يخربوا مصر امتى؟

Rahoviana i Israely no hiantsy ady amintsika? Moa va tsy niteny ny vahoaka fa rehefa misokatra ny fivezivezena any Rafah, hiantsy ady amintsika i Israely? Ary moa va izy ireo tsy niteny fa handefa ny mpampihorohorony aty amintsika i Hamas mba hamotika an'Ejipta. Rahoviana?

Ary mananihany i Mahmoud:

@alaa انا سمعت لو فتح المعبر حيدخلوا اهل غزة يخلصوا كل الجبنة والعيش، أصله الغزازوة والصين متوازيين في الكمية والاتجاه
Naheno aho fa rehefa misokatra ny fivezivezena, handany ny fromazy sy ny mofo rehetra (any Ejipta) ny vahoakan'i Gaza. Araka ny hita, mitovy ny vahoaka any Gaza sy ny any Sina na amin'ny isa izany na amin'ny toe-panahy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.