Ejipta: Voasazy handoa onitra noho ny fanakanana ny aterineto nandritra ny Revolisiona i Mubarak

Voasazin'ny fitsarana ejipsiana handoa onitra 540 tapitrisa livra ejipsiana (90 tapitrisa dolara amerikana) noho ny fanapahana ny aterineto sy ny finday nandritra ny revolisiona nanaisotra azy ny filoha voaongana Ejipsiana Hosni Mubarak sy ny olom-panjakana hafa, araka ny didy nivoaka androany.

Araka ny voalazan'ny Reuters, dia nodidian'ny Fitsarana misahana ny asam-panjakana handoa onitra 200 tapitrisa livra i Mubarak, 40 tapitrisa livra ny Praiminisitra teo aloha Ahmed Nazif ary 300 tapitrisa livra ny minisitryny atitany teo aloha noho ny famotehana ny toe-karem-pirenena vitany.

Nanakatona ny fidirana amin'ny Twitter aloha ny fitondrana Mubarak raha vao niandoha ny fihetsiketsehana tamin'ny 25 Janoary , avy eo ny Facebook tamin'ny 26 Janoary 26, nialoha ny nanakatonana ny aterineto tamin'ny 28 Janoary.

Indreto ny tora-po avy amin'ny fitaovam-pampitaon'olo-tsotra tamin'ity tantara ity.

Tao amin'ny Twitter, ny mpanoratra an-gazety Emirà Arabo Mitambatra Sultan Al Qassemi no nitatitra:

Al Jazeera: Egypt: Mubarak fined $90 million for disconnecting the Internet & mobile phone services during the revolution. #Jan25

Al Jazeera: Ejipta: Voasazy handoa onitra 90 tapitrisa noho ny fanakatonana ny tolotra aterineto sy ny antso finday nandritra ny revolisiona i Mubarak

Mahavaky loha ihany ny mpisiokantsera Ejipsiana, tamin'ny famoahana ny milina fikajiana ijereny raha ho tonga any amin'ny mpamandrika izany onitra izany na tsia.

Nanontany i Mohammed Hamdy :

ليا كام فى ال90 مليون دول يعنى كده الشركات المفروض تدينا تعويضات عن الضرر و يخدو هما الفلوس
Ohatrinona no azontsika avy amin'izany 90 tapitrisa dolara izany? Midika ve izany fa hanonitra ho antsika ny orinasa sa raisindry zareo fotsiny ny vola?

Nanampy i Mohammed Yousif, izay misiokantsera @JawazSafar:

Sentencing on Mubarak seems based on financial impact. he also should be trialled for easing-murdering & forbidding SOS services #Egypt

Toa mifototra amin'ny resaka ara-bol ny fanamelohana an'i Mubarak. Tokony hotsaraina noho ny fanamorana ny famonoana syny fandrarana ny tolotra SOS ihany koa izy

Ary nanampy ihany koa ny mpahay lalàna ejipsiana iray sady tale mpanantanteraka amina tambazotram-baovao Arabo miaro ny zon'olombelona:

قضيتنا ضد شركات الاتصالات نتهمهم بالمشاركة الجنائية في قتل الثوار المصريين ،لحين اثبات انهم أبرياء بالوثائق http://www.anhri.net/?p=31086
Ny raharahantsika dia fitoriana ny orinasan-tserasera. Ampangaintsika ireo ho mpiray tsikombakomba amin'ny famonoana ny mpanao fihetsiketsehana Ejipsiana mandra-pahitantsika ny porofo avy amin-dry zareo fa tsy meloka ry zareo


Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.