Pakistana: Nampisaina ny Pakistaney ny TEDx Karachi

Tetikasa an-toerana ny TEDx , nokarakaraina hifampizaran'ny olona traikefa-TED. Eo amin'ny andiany faharoa ny TEDx Karachi notontosaina ny 27  Mey 2011 tao an-tanàna manana seranana Karachi. Nokarakarain'ny  TED Senior Fellow 2011 sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices Advocacy Awab Alvi, ry Sharmeen Obaid Chinoy ary ny hafa koa ny hetsika.

Anushka Jatoi nanome vaovao tao amin'ny Bilaogy Express Tribune:

Ny fandaharam-potoana mandritra ny hetsika dia ahitana an'i Sarmad Tariq, Mukhtaran Mai, Raja Sabri Khan, Fasi Zaka, Dr Quratulain Bakhteari ary i Imran Khan. Ny lohahevitra amin'ity taona ity dia ny hoe ‘Manao ny tsy azo tanterahina ho azo tanterahina,’ izay mikendry ny hanome fahazavan-tsaina sy hampazoto ny mpanatrika amin'ny alalan'ny firesahana amin'ny olona efa nampihatra ny “tsy azo tanterahina ho azo tanterahina” teo amin'ny fiainany.

Sary TEDxKarachi

Tamin'ity taona ity, nahazo  tsikera maro kokoa avy amin'ny vahoakan'i Karachi ny hetsika noho ny fampidirana ny filohan'antoko Tehreek-e-Insaf Atoa Imran Khan ho mpandray anjara fitenenana. Anushka naneho hevitra mikasika ireo olona nitsikera ny hetsika:

Hitako ho rediredy tanteraka raha ny olona tsy niezaka mihitsy no mitsikera voalohany. Eo amin'ny toerana misy azy ankehitriny i Pakistana noho izay fomba fihetsika izay. Mipetrapetraka sy miresadresaka fotsiny tsy manao na inona na inona ny olona sady manamaivana ny ezaka  mba ataon'ny hafa. Tokony hankasitrahantsika anefa ireny ezaka ireny ary ampirisihina ny hafa hikarakara hetsika hafa tahaka ity hetsika iray ity.

Nalefa mivantana an-tserasera ny hetsika manontolo tamin'ny TEDxKarachi 2011 . Nanokafana ny tetikasa ara-javakanto manerantany mitondra ny lohateny hoe ‘Inside Out’ ao Karachi ihany koa ny hetsika tamin'ity taona ity. Araka ny hevitr'i TEDxKarachi:

Mpaka sary 7 avy ao Karachi no namorona sangan'asa hatao ao amin'ny tetikasa “Inside Out” naorin'ilay nahazo Loka tamin'ny TED sady mpaka sary malaza iray JR izay nanaitra ny besinimaro ny momba ny resaka fanavakavahana atao amin'ny foko vitsy an'isa ao Pakistana.

Salma Navaid Jafri naneho ny heviny momba ny hetsika tao amin'ny Facebook fotoana fohy taorian'ny hetsika:

Mahaliana tokoa ny fomba nananan'ny tsirairay tonga nanatrika ny TEDxKarachi andiam-panantenana tokana. Mino aho anefa fa nihoatra noho ny nandrasan'ny mpitsidika ny hetsika – manintona tokoa ny tantara nolazaina androany, mampanembona koa indraindray ary  amin'ny ankapobeny dia tena mampitraka sy ahazoana aingam-panahy ihany koa. Nahatontosa hetsika miavaka anaty foto-pisainana TED tokoa ry Dr. Awab Alvi, Sharmeen Chinoy ary ny hafa ao anatin'ny ekipa.

Ho ahy manokana, nihatsara araka ny fandehan'ny fotoana ny resadresaka, hita fa mora tafiditra ao amin'ny hafanan'ny mpanatrika ny mpandray anjara fitenenana ka mora ho azy ireo ny mizara ny tantarany. Misy ny “fotoana” avy amin'ny mpandray anjara fitenenanana tsirairay – no avelany hiray fo aminy ny mpanatrika, izarany hehy sy ranomaso, na manaiky fa misy ny fitovian-kevitra. Mampihetsi-po ihany koa ny [ataon'ny] mpanatrika – sady mitsangana no mitehaka tamin'ireo roa mendrika izany sy mitehaka ny mpandray fitenenana amin'ny fotoana ilàna izany indrindra anatin'ny fitantarana.

Namoaka ny sary voalohany tamin'ny hetsika teto ny TEDx Karachi 2011 . Mba jereo ihany azafady.

Indreto tora-po sasantsasany tao amin'ny Twitter:

@smkhan: ARAHABAINA ny rehetra ao amin'ny Ekipa #TEDxKarachi amin'izao fotoana feno aingam-panahy izao… 🙂 fotoana ho tsarovana tsara hatrany anie izany… 🙂

@MeherBanoQ: manoatra noho ny fahazoana aingam-panahy ny #TEDxKarachi. Mety hanova izao tontolo izao tokoa ny hevitra iray. Mitsingevana ny fanantenanana ka aza avela hilentika. Avelao hisy fiovana i #Pakistan

@jehan_ara: Mahafinaritra tokoa ny mahita ireo vehivavy mitsikitsiky sy milahatra naka sary niaraka tamin'ilay “mpakafo” Imran Khan #TEDxKarachi 🙂

@rizwanrkhan: ny #TEDxKarachi androany dia nahatonga ahy hahatsapa fa tsy mampaninona izay mitranga ankehitriny na izay sakatsakana mibahana eo amin'ny lalantsika fa azo atao ny manana fiavahana [faire la difference] #Pakistan

Jerijereo ihany ny kaonty Twitter TEDx Karachi raha te hahita zavatra maromaro kokoa momba ny hetsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.