Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa

Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.

Economica, fampirantiana anaty aterineto ataon'ny IMOW dia miezaka mitrandraka ny fandraisan'anjaran'ny vehivavy amin'ny resaka ara-toekarena manerantany. Ny Picturing Power and Potential dia fifaninanana saripika nanehoana ny fomba samihafa andraisan'ny vehivavy anjara amin'ny resaka toe-karena sy ny maha-andrin'ny fiovàna azy. Ohatra, ilay nandrombaka ny lokan'ny fampirantiana “Community Choice Award” dia i Brenda Paik Suno, vehivavy metisy taranaka fahatelo Koreana-Amerikana izay naka sary an'i Jeju Reniben'ny Ranomasina, vehivavy mpitahiry ny fomban-drazan'ireo vehivavy mpisitrika anaty rano ao amin'ny Nosy Jeju izay nioty nandrindra ny taranaka maro nifandimby ny vokatra an-dranomasina.

Female divers of the Jeju Islands. Image by Brenda Paik Suno.

Vehivavy mpisitrika anaty rano ao amin'ny Nosy Jeju. Sary avy amin'i Brenda Paik Suno.

Focusing on Latin America / Mibanjina an'i Amerika Latina dia mitondra ho antsika fomba fijery momba ny fiantraikan'ny olana amin'ireo vehivavy any aminà firenena telo samihafa ao amin'ny faritra : Meksika, Costa Rica ary Arzantina, sy ny fomba iatrehan-dry zareo ny fanamby vaovao nentin'ny firotsahan'ny fireneny bebe kokoa ao anatin'ny toekarena maneran-tany.

Ato ny amin'ny teny Espaniola.

Young Women Speaking the Economy (Miresaka toe-karena ny tanora tovovavy) dia nangataka taminà vehivavy avy aminà firenena efatra samihafa mba handefa ny eritreritr'izy ireo mikasika ireo olana ara-toe-karena samihafa. i Ally Zeifman dia niresaka ny fahantràna sarintsariny tanaty resadresaka noraiketina am-peo. Fanontaniana ireo olona tany Danemarka no nanombohany azy voalohany indrindra mba hamalian'ireo raha heveriny fa misy ao Danemarka ny fahantràna, ary avy eo dia nitafatafa taminà vehivavy iray izay mihevitra ny tenany ho olo-mahantra iray tsy misy mpijery ao Danemarka. Ao amin'ny pejiny ho an'ilay tetikasa, azonao atao ny mandre ilay raki-peo sy mamaky ny teny fampidirana momba ilay lohahevitra sady mijery ny fifandimbiasan-tsary misy fitanisàna avy amin'ilay tafatafa izay mandoko ny hoe toy inona izany hoe mahantra any  Danemark. Ny sasany amin'ireo fitanisàna toy ny hoe “Nahazo diplaoma tao amin'ny Anjerimanontolo aho, saingy tsy manana asa”,  “Tena te-hilalao baolina kitra mafy tokoa ny zanako lahy, saingy tsy vitako ny mividy ny kiraro sy  ny fitaovana, noho izany dia nanapa-kevitra aho fa tsara kokoa ny mihevitra fotsiny ny hitady izay hisian'ny sakafo eo ambony latabatra aloha” ary “Fantatro fa tsy mahantra toy ny any Afrika aho, saingy  tsy maintsy ambarako ny hoe tsy lasa” dia mety ho feon-dakolosy mahazatra ny maro niaina tao anatin'ny fahasahiranana ara-bola goavana.

Valeene Salanga avy any Filipina dia mandefa fisainana ny amin'ny hoe na dia ny fampianarana ambony aza tsy afaka miantoka hoavy mamiratra ho azy izay vao avy nahazo diplaoma, raha toa ka feno sakantsakana ny fahafahany mahita izay ho asan'ny tena voalohany nefa izy tsy voaomana tamin'izany.

(http://youtu.be/Cj2_QUuScvw)

Ao anatin'ity lahatsary ity, nampakarina tao amin'ny fantsona Youtube an'ny IMOW, no ahafantarantsika ny momba ny sedra henjana atrehan'ny vondrom-behivavy iray ao India. Izy ireo dia vehivavy nanana vady namono tena noho ny trosa tamin'ny fambolena ary dia mifofotra irery mamelon-tena, mandoa ny trosa ary mamahana ny ankohonany ao anatinà fiarahamonina izay efa tsy ananan'izy ireo tombon-dahiny sahady ara-toekarena.

Mbola be no azo jerena, vakiana sy henoina ao amin'ny  Economica, sady afaka koa ny vehivavy mandray anjara sy mametraka ny asa famoronana avy aminy mifantoka amin'ny ara-toekarena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.