Arabia Saodita: vehivavy iray nosamborina satria nitondra fiara

Herinandro lasa izay, renim-pianakaviana saodiana iray nitondra ny fiarany nandeha nanatitra ny zanany tany an-tsekoly any Jeddah. Tamin'ny 22 may 2011, vehivavy Saodiana iray hafa, Manal Al-Sharif, nitondra fiara koa niaraka tamin'ny vehivavy mpitolona ho an'ny zon'ny vehivavy saodiana, Wajeeha Al-Huwaider, teo akaikiny, ny anadahiny sy ny zanany lahy tokana. Ny omalin'io, Al-Sharif nandefa sary miaina mampiseho azy mitondra fiara tao amin'ny YouTube.

Nosamborina i Manal Al-Sharif, avy eo navotsotra rehefa nandoa onitra kanefa niverenana nosamborina tany an-tranony indray tamin'ny misasak'alina .

Nitobaka ny hafatra nataon'ny internôty tao amin'ny twitter niresaka ity mahery fo vaovao ity izay ampitovian'izy ireo amin'i Rosa Parks (vehivavy nanan-tantara nanamarika ny ady amin'ny fanavakavaham-bolonkoditra tany Etazonia).

Picture of Manal Al-Sharif taken from her Twitter account.

sarin'i Manal Al-Sharif nalaina tao amin'ny kaontiny Twitter.

Ilay bilaogera saodiana Ahmed Al-Omran (@ahmed) nanoratra:

@ahmed: Fotoana ve izao? Rosa Parks : 1955 :: Manal al-Sharif : 2011 #saudi #women2drive

Biloagera saodiana Omar Johani (@omar9944) nanoratra tao amin'ny twitter ny alina lasa teo naneho hevitra tamin'ny nataon'i Al-Sharif:

@omar9944: ilay mahery fo tsy fantatra no anadahiny! Niaraka taminy io tamin'izy nitondra fiara niaraka tamin'ny vadiny nitaiza ny zanaky Manal. Ry lehilahy saodiana #TakeNote! [hevero izany] #FreeManal

Ilay mpanao gazety sady mpitolona Mona ElTahawy (@monaeltahawy) niresaka tao amin'ny twitter mikasika ny raharaha Manal ny alina lasa teo ary niverina niresaka indray momba ny fanehoan-kevitra marobe izay nanindry mafy fa tonga ny fotoana tokony hijeren'ny vehivavy saodiana ny zony:

@monaeltahawy: #ManalAlSharif nosamborina tsy nisy taratasy fahazoan-dalana hisambotra tamin'ny 4 maraina. Ny “helony”? Nitondra fiara kanefa vehivavy. #Saudi #Women2Drive #FreeManal

Nonkianiny koa ny fahavalon'ny zon'ny vehivavy any Arabia Saodita ka hoy izy:

@monaeltahawy: #Saudi milaza ny mpanaraka ny fomban'andriana sy ny mpitana ny nentin-drazana fa mbola tsy vonona hijery vehivavy mitondra fiara ny fiaraha-monina. Izany hoe mbola tsy vonona hanome zo ho an'ny vehivavy izany ry zareo.

Fouz Abdullah (@FouzAbd), tanora vavy anankiray saodiana mpisera twitter, miresaka momba an'i Manal sy ny fahazoan'ny vehivavy mitondra fiara ao amin'ny kaontiny, mampitandrina ny polisy mikasika ny ady ataon'ireto farany amin'ny vehivavy:

لا نحتاج الى وصي او رقيب لكي نحافظ على عفتنا وشرفنا. ارحلوا #haya'a

@FouzAbd: Tsy mila mpiambina na iza na iza izahay hanara-maso ny fahamendrenay sy ny fahadiovanay. AVELAO IZAHAY.

Mpampiasa twitter koesiana iray, Rana Al-Abdulrazaq (@ranati01) , nampiseho fankasitrahana an'i Manal Al-Sharif koa ka niteny hoe [ar]:

ما قامت به منال الشريف اليوم هو شجاعة حقيقية .. امرأة تصارع ارثا مثقلا من الجهالة والموروث الذكوري المجحف

@Ranati01: nampiseho herim-po i Manal Al-Sharif androany. Vehivavy miady amin'ny fomba nentin-drazan'ny tsy fahalalana sy ny fanavakavahana.

Vehivavy saodiana hafa, Nawwarah Ashad (@@nawwarah82), manaraby ny hevitry ny fiaraha-monina izay maneho ny vehivavy ho toy ny “mpanjaka vavy” ka noho izany tsy mahazo miasa na mitondra fiara fa ambenana fotsiny any an-trano sady tompoina:

@nawwarah82:ahoana moa aho no ho mpanjaka vavy aty Arabia Saodita kanefa ny mpanjaka mitondra firenena no asany, aty aho tsy mahazo mifidy akory amin'ny fifidianam-paritra sady tsy maintsy mila mpiambina “hitarika” ahy!

Mpiserasera Ejitpiana ao amin'ny twitter Egyptian , Maha Hosny (@Maha114411), nanoratra mikasika ny maha-zava-dehibe ny fihetsika nataon'i Manal talohan'ny nisamborana azy fanindroany, hoy izy:

منال خرجت من السجن بس دخلت التاريخ و هى فعلا تستحق الاحترام و لن يضيع حق وراءه مطالب ده ابسط الحقوق فى ايه؟؟ #manalalsharif

@Maha114411: nivoaka ny fonja i Manal kanefa niditra ao amin'ny tantara izy. Mendrika hajaina izany vehivavy izany. Zo tahaka izany iadian'ny vehivavy dia tsy ho very mihitsy. Anisan'ny zo faran'izay tsotra indrindra izany. Nahoana! #manalalsharif

Saodiana hafa, Abdulaziz Al-Alami (@AzizAlAlami), maneho hevitra momba ny nisamborana an'i Manal:

@AzizAlAlami: nosamborina tao an-tranony i Manal, tao Aramco, ary nentina tany amin'ny biraon'ny polisy nandritra ny alina. Ohatr'izany mihitsy no hitondrana ny mpanjaka vavy #Saudi #FreeManal

Saodiana hafa, Heba Al-Butairi (@H_eba), izay vao haingana no hita an-terineto mitaky ny zon'ny vehivavy saodiana, nanoratra momba ny raharaha Manal:

@H_eba: #Miala amin'ny famoretana mankany amin'ny HADALANA isika. Alaina any an-tranony amin'ny andro alina? Kanefa tsy mpampihorohoro akory.

Mpitolona saodiana hafa, Khuloud Al-Fahad (@Khulouds) mampiseho ny fanohanany an'i Manal Al-Sharif:

القبض على منال بهذه الطريقة هو لإرهابنا من الخروج للقيادة وتخويف أولياء أمورهن وبث الرعب في نفوسهم لكن ماقامت به منال خلق مليون منال

@Khulouds: ny fomba nisamborana an'i Manal no heveriny ho fampitahorana antsika tsy hitondra fiara intsony sady ho fampitahorana ny raintsika koa, kanefa ny zavatra nataon'i Manal no niteraka Manal be dia be.
Ilay mpanoratra tantara saodiana Badriya Al-Bishir (@badryahalbeshr) niresaka tao amin'ny twitter koa mikasika ny fanohanany an'i Manal ary tsy manaiky ny nisamborana azy:
من الذي خالف؟ منال خالفت القانون أم القانون خالف منال؟ وكيف يستوي قانونا لا يساوي بين المواطنات والمواطنين
@badryahalbeshr: Iza no nandika lalàna? Tsy nanaja ve i Manal sa ny lalàna no tsy nanaja azy? Inona izany no fanamarinana ny lalàna raha tsy ampiharina amin'ny olona rehetra izy na lahy na vavy?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.