Shina: TOhodranon'i Three Gorges , Fotoana Natao Hisainana

Tao amin'ny fivorian'ny komity mpitantanana ny Filankevi-panjakana natao ny 18 May teo, dia nisy fanambaràna iray navoaka nilaza ny voka-dratsy goavana entin'ilay tetikasa Tohodrano Three Gorges.

Nandritra ny 17 taona nilaina nananganana azy ary mandra-pahatongan'ny fahavitany tamin'ny Oktobra2008, nidehaka i Shina fa io tetikasa io dia hiditra ao anatin'ny asa fananganana sy zava-mahatalanjona erantany. Tamin'ny faran'ny 2008 dia nahatafakatra ny haavon'ny rano ho any amin'ny 172.5m ambonin'ny haavon'ny ranomasina ilay tohodrano ary nilàna ny famindràna toerana olona 1.4 tapitrisa.

Araka ny tatira avy ao an-toerana, ny Filankevi-panjakana dia niaiky fisianà lafiratsy maromaro entin'ilay tetikasa, isan'izany ny fiveloman'ireo olona voatery nafindra toerana, ny ara-tontolo iainana ary ny firafitry ny tany, ny fiantraikany amin'ny fitaterana an-drenirano, ny fahasimbana noho ny haintany any amin'ireo faritany ambany toerana.

Three Gorges Dam, Yichang. Image taken from Flickr user: DigitalGlobe-Imagery under CC license BY-NC-ND 2.0.

Ny tohodrano Three Gorges, Yichang. Sary nalaina tany amin'ilay mpampiasa Flickr: DigitalGlobe-Imagery eo ambany fiarovana CC license BY-NC-ND 2.0.

Ny tohodrano Three Gorges sy ny tahirin-drano

Tato ho aho, ireo faritany ambany toerana miohatra amin'ilay tohodrano ao amin'ny Reniranon'i Yangtze, toa an'i Hubei sy Jiangxi, dia niaritra haintany mafy izay niantraika tamin'ireo mponina efa ho iray tapitrisa mahery ary tany fambolena efa ho an'hetsiny hektara. Fanampin'izany, ny haavon'ny rano tao amin'ilay renirano isan'ny lehibe indrindra ao Poyang Lake, dia nidina be amin'ny farany ambany indrindra noho izay hita teo amin'ny tantarany. Ny Finless Porpoises (Marsouin amin'ny teny frantsay) miaina anaty ranomamy izay nisy tao amin'ny Reniranon'i Yangtze izao dia tandindonin'ny faharingànana. Betsaka ireo fanehoan-kevitra eo anivon'ny aterineto no nanomboka nahita fifandraisana amin'ilay tohodrano sy ny loza voajanahary toy ny horohorontany, ny fihotsahan'ny tany, ny tondradrano ary ny haintany izay hita tato anatin'ny taona maromaro lasa.

Ity ambany ity ny fantina fanamarihan'ny Sina Weibo  [zh] avy amin'ny vaovao mitohy momba ny haintany ao amin'ny faritanin'i Hubei sy Jiangxi:

这就是伟大的山峡工程的巨大作用:珍稀鱼类无路可走而灭绝,上游泥沙堆积导致航道堵塞,大坝蓄水导致下游湖泊消失,环境巨变导致气候异常,还能发生些什么?这些仅仅是个开始??? 当我们在为人类伟大的创造力而自豪的时候是不是该尊重下自然?不要因为部分人所谓的伟大理想而荼毒子孙!

千湖之省啊,如今也如此,不敬畏自然,不敬畏天地,GDP当先,最终毁掉一切,我的孩子,我们留给你的是一个怎样的未来?!

这就说明民主的重要性了。当修水坝成为国家意志和地方政府意志,而真正的专家、广大民众却无法参与到决策的时候,灾难的发生是长久和不可愈合的

中国淡水资源及其缺乏,如果连南方都出现严重旱灾,南水怎能北调?北京是缺水的地方,不管盖多少房子把房价炒得多高,一旦缺水,人的生活就变成梦魇。

-Ity no fiasan'ny tetikasa tohodrano goavambe nataontsika ao  Three Gorges: ho ringana ny ankabeazan'ireo karazan-trondro sarobidy. Ny ampahany amin'ilay renirano any amin'ny faritra ambonin'ilay tohodrano dia itsivalambalanan'ireo fatin-javatra maro manelingelina ny fitaterana an-dranomamy.  Nanakana ny fikorianan'ny rano sy nitarika ny faharitan'ireo farihy tany aoriany ilay tohodrano Nanova ny toetr'andro ny fiovan'ny tontolo iainana…dia mbola ho inona koa no tsy maintsy ho hatrehintsika? Vao ny fanombohany [ny loza ho avy] fotsiny ve izao ?? Mandritra izany fotoana izany dia mirehareha isika amin'ny tanjaky ny olombelona, fa mba nanaja ny natiora ve isika? Aza setrasetraina ny fara sy dimbintsika noho ny  fitiavana hanome fahafaham-po ny nofinofin'ny sasany hahita ny tonga lafatra fotsiny!

-faritany iray ahitàna farihy maherin'ny arivo no nanjary nijaly noho ny haintany. Very ny fanjàntsika ny voary, ny tany izay renintsika, mba hahazoana mihazakazaka manenjiaka Harin-Karena Faobe. Farany, ho verintsika ny zavatra rehetra. Rankizy, hoavy toy inona no navelanay ho anareo?

-Izany no antony maha-zava-dehibe ny demaokrasia. Rehefa nivadika ho raharaham-pirenena sy ny governemanta ao an-toerana ny amin'ilay tetikasa fanaovana tohodrano, ny tena manampahaizana sy ny olon-tsotra dia tsy nandray anjara tamin'ny fanapahan-kevitra isan-tokony; ho mandrakizay ny loza voajanahary ary tsy misy azo hialàna amin'izany.

-Tena manana olana goavana amin'ny tsy fahampian'ny rano fisotro tokoa i Shina ankehitriny. Amin'izao fotoana tena maha-henjana be ny haintany any atsimo izao, fomba ahoana no fomba hamiliantsika làlana ny rano ho any avaratra? Nanana olana tsy fahampian-drano i Beijing, tsy misy dikany izay halafon'ny tsenan'ny trano fonenana any. Rehefa tsy misy rano, mivady ho nofy ratsy ny andavanandrom-piainan'ny vahoaka.

Fanalàna azy amin'ilay tohodrano lehibe indrindra erantany

Mpanoratra sady bilaogera manana ny maha-izy azy, Han Han, no namaly mikasika ilay olana taminà fombany manàla azy— tamin'ny filazàna hoe ny tohodranon'i Three Gorges no goavana indrindra manerana izao tontolo izao:

反对派认为,三峡大坝建成以后,上下游的生态会失衡,我认为在三峡大坝建成以前,生态已经失衡了,所以这个反对意见不成立。

反对派认为,三峡大坝建成以后,成为一个重大的显眼的军事目标,一旦敌人对三峡大坝实施打击,能源供应和下游人民都会遭殃。我认为这个问题我们已经解决的非常圆满,我们在下游的城市里布置了大量类似富士康之类的企业,一旦三峡决堤,城市被淹,全世界都将无法享用到中国廉价劳动力带来的恩惠,最关键的是,美帝将无法生产苹果手机,光这一点,外敌就不敢对三峡大坝发动攻击。

反对派认为,三峡大坝建成以后,将引发地震。首先这些都是推论,无法证实,其次退一万步来说,就算汶川地震都是由三峡大坝引起的,我们看汶川地震三周年,晚会都叫中国奇迹,而地震对我们来说不存在反思,全是各种伟大的胜利。把逻辑关系捋顺了以后就可以总结出:三峡大坝引发中国奇迹,完成伟大胜利,天底下还有比这更好的事么?

反对派认为,三峡大坝建成以后,会引发旱灾。今年,中国最大的淡水湖鄱阳湖的水面只有往年的十分之一,很多人对此颇为担忧,觉得江西省政府一定很头疼。其实你们不懂,地方财政主要依靠土地买卖,湖面又不能卖,所以我觉得江西省应该把握机会,在鄱阳湖的湖口修建一个大坝,连那十分之一的水都不要剩下,这样,江西政府将瞬间多出几万平方公里的土地可供买卖,而卖点自然是鄱阳湖的遗址,平原上的盆地,万水之源,聚宝之盆,开启您的财富生活。再请一个当年力保三峡工程的老人,在鄱阳湖遗址上画一个圈,建立一个经济特区,那又是一段佳话,而且对内陆经济的推动绝对是不可估量。

有些人利用三峡大坝攻击一些领导人,说他们的想法是“我死后,哪怕他洪水滔天”,我想告诉这些别有用心的人,领导们恰恰和你们想的相反,领导就是因为害怕死后洪水滔天,所以才力主修建了三峡大坝,这样他死后,最多上游滔天。只要下游不滔天,虾米总是有得吃。所以,这一条也是站不住脚的。

Ireo ao anaty fanoherana niteny hoe: ny tohodranon'i Three Gorges dia hanohintohina ny firindram-piainana, na izany any alohany, na any aoriany. Ny tohankevitro, na dia talohaben'ny fahavitàn'ilay tetikasa aza, dia efa very ny fifandanjan'ny fiainana. Tena tsy takatry ry zareo mihitsy.

Ireo ao anaty fanoherana niteny hoe: ny tohodranon'i Three Gorges dia ho lasibatra rehefa misy fanafihana miaramila. Vao indray mandeha mahavoa ilay tohodrano fotsiny ny miaramila fahavalo, tonga dia ho tapaka ny herinaratra ary hiatrika loza mahatsiravina ireo monina any ambaniny. Heveriko ho efa voavaha ny olana: efa napetratsika any amin'ireo tanàna any ambany any daholo ireo orinasa goavambe toy ny FoxComm. Raha toa vaky ny tohodrano ka manafotra ny tanàna, tsy hitsetsitra ny Shinoa amin'ny asa karama varimasaka intsony izao tontolo izao. Ny tena zava-dehibe indrindra amin'ireo, tsy afaka ny hamokatra iPhones bobaka be intsony i Etazonia. Raha izay no jerena, tsy hamely mihitsy ny tohodranon'i Three Gorges ny miaramila mpanafika.

Ireo ao anaty fanoherana niteny hoe: Hiteraka horohorontany ny tohodranon'i Three Gorges. Sahoan-dresaka ranofotsiny izany ary tsy azo porofoina. Na atao aza hoe ny tohodranon'i Three Gorges no niteraka ny horohorontany tao Wenchuan, tamin'ny fankalazana ny fahatelo taonan'ny horohorontany nahazo an'i Wenchuan, ilay seho goavana amin'ny fahitalavitra dia nilaza azy iny ho zava-mahatalanjona vitan'i Shina. Tsy misy na inona na inona azontsika saintsainina momba an'izany. Nanaporofo ilay horohorontany fa nahazo fandresena goavana isika. Raha izay lalan-kevitra izay no arahantsika, azontsika atao ny mamintina hoe hitondra zava-mahatalanjona sy fandresena maro ho an'i Shina ny tohodranon'i Three Gorges. Iza indray eto ambonin'ny tany no afaka hifaninana amin'ny laza toy izany?

Ireo ao anaty fanoherana niteny hoe:  hitondra mankany amin'ny haintany ny tohodranon'i Three Gorges. Tamin'ity taona ity, ny hadirin'ny rano ao amin'ny farihy Poyang, ny ranomamy lehibe indrindra ao Sina, dia nihena ho ny ampahafolon'ny hadiriny hatrizay tao anatin'ny herintaona sy tapany monja, ary be ny olona manahy mafy vokatr'io.  Heverin-dry zareo fa ny governemanta ao Jiangxi dia hahazo aretin'andoha amin'io. Raha ny marina, vendrana ianao. Ny fidirambola kelin'ireo tompon-tany dia nifototra tamin'ny fivarotana velaran-tany. Velaran-drano tsy azo amidy. Ny governemanta ao Jiangxi dia tokony ho nahay nanarararotra an'izay fotoana izay hananganana tohodrano tany ampiandohan'ny rano ary hamela azy hikoriana. Avy eo ny governemanta ao  Jiangxi mety hahita kely indray ampahan-tany aminà kilometatra tora-droa azony hamidy. Manana toerana iray azo amidy tsara aza ry zareo: ny vakoka ao Poyang, ny loharano iaingan'ny rano mamatsy io faritra midadasika be io, harena miafina h an'ny fianan-koavinao ao anaty fahafenoana. Azon-dry zareo atao koa ny manasa ilay rangahy nanome alalana ny tetikasa Three Gorges mba hametraka tsipika boribory manodidina ny vakok'i Poyang sy mamorona faritra ara-toekarena iray miavaka eo. Ho tantara fahatsiahy iray hafa izany mba hanosehana ny ara-toekarena ao amin'ny faritra afoavoan'i Shina ao.

Ny olona sasany mampiasa ny tohodranon'i  Three Gorges hamelezana ny mpitarika antsika fotsiny, miampanga azy ireny ho niteny hoe, “tsy hahita izay tondra-drano any intsony aho rehefa maty.” Te-hiteny amin'ireny olona ratsy fo rehetra ireny aho hoe diso tanteraka ry zareo. Tena misaina momba ny tondradrano aorian'ny fahafatesany tokoa ireo mpitondra. Ary izay no antony nananganan-dry zareo ilay tohodrano. Aorian'ny fahafatesan-dry zareo, ny faritra ambony ihany no ho tondraka raha tsy ho tratr'izany kosa ny any amin'ny faritra ambanin'ilay tohodrano. Mbola manana patsabe hohanina ry zareo. Hatreto aloha, tsy mitombina izay filaza izay. [Fanamarihan'ny mpandika: ny dikan'ny hoe tondraka eto dia ny hoe mahazo vola. Ampifandraisina amin'ny hoe rano ny vola eo amin'ny fampiasa andavanandro…]

Olana ara-tontolo iainana nanjary fikononkononana fihokoana

Ireo mpanohana ny vondrom-piarahamonin'ny Shinoa avy amin'ny vohikala Maoist Utopia, na izany aza, dia mino fa ny fifanakalozan-dresaka momba ny tohodranon'i  Three Gorges dia taingenan'ny elatra havanana fikononkononana hanaovana izay hampihen-danja ireo andiana mpitarika teo aloha:

别说三峡大坝的功过利害尚且需要论证和讨论,即使真的弊大于利,真的需要拆毁拆除,它也不能用来作为党争的工具和筹码,它也不能用来否定江泽民等上一代中央领导集体!只有那些争权夺利为了显摆一己之能的奴才们,才会拿着历史人物的错误去否定历史人物,他们永远不会从历史人物的错误吸取教训而反过来敬重历史人物。

中华民族正在进行一场前所未有的伟大而又艰难的转型,这个过程中,中央高层内部的党争也就会日益激烈,但越是在这个时候,我们越是要睁大眼睛,那些看上去毫无瑕疵、毫无争议甚至是誉满全球的人往往是大奸若忠之徒,而真正的英雄则诽谤缠身,因为真正的英雄,从来不是为了喝彩的掌声而活,只有那些别有用心的政客们才会为了所谓的支持率而操控媒体去沽名钓誉!

三峡大坝是社会主义集中力量办大事的一个杰出典范,是孙中山、毛泽东、邓小平、江泽民等老一代革命家振兴中华实现民族复兴的伟大构想,它绝不等同于那些官僚们的形象工程,而是功在当代利在千秋的伟业,因此,任何只看其害而不看其利的思想都应该遭到严厉的批判。

我们应该警惕,那一小撮正在掌权而又不甘心看到自己失势的自由派精英们正在拿着三峡大坝反过来砸向社会主义、砸向老一代中央领导集体,让我们联合起来,一起戳穿并识破他们这一不可告人的阴谋!

Ndeha avelantsika any kely aloha ny resaka mikasika ny tsara sy ratsy amin'ny tohodranon'i Three Gorges. Na dia be lavitra aza ny tsy fetezany miohatra amin'izay nandrasana, ka mety hoe ho tonga hatramin'ny ho famotehana azy, tsy tokony havaditsika ho resaka politika mihitsy io ka hanenjehana ireo mpitarika tao amin'ny governemanta teo aloha notarihan'i Jiang Zemin. Ireo miseho milay sy mangirika fitondrana ary tsy mihevitra afa-tsy ny tenany ihany no mitady hampiasa ilay raharaha  mba hanenjehana olona nahavita be ho an'ny tantara. Tsy hain'izy ireny ny maka lesona avy amin'ny tantara sy maneho fanajàna ho an'ireo nahavita be teo amin'ny tantara.

Mandalo vanim-potoanam-piovàna ny firenena shinoa amin'izao fotoana izao. Ao anatin'io dingana io, mirongatra tokoa ny ady seza eny anivon'ny antoko. Mandritra io vanim-potoana manan-tantara io, mila manokatra ny masontsika isika ary mijery fa ireo olon-doza amin'izao fotoana no toa olona tsy azo kitikitihana, tsy be resaka ary malaza erantany, raha ireo mahery fo kosa miaritra ny fanalàm-baraka. Ny tena mahery fo dia tsy miresaka mba hotehafana fotsiny sy hotoavina; ireo mpanao politika manana fandaharan'asa miafina ihany no mety hanorina ny lazany amin'ny fakàna ny fanohanan'ny olona sy amin'ny fifehezana ny fampitam-baovao.

Ohatra faran'izay tsara ny tohodranon'i Three Gorges raha resaka fiaraha-mientana sosialista. Ny hevitra dia avy amin'ireo mpitarika revolisionera teo aloha—Sun Yat-sen, Mao Zedong, Deng Xiaoping, Jiang Zemin—izay nanokana ny fiainan'izy ireo ho famelomana indray ny firenena Sinoa. Tsy azo ampitahaina mihitsy amin'ny sarinà tetikasa vokarin'ireo mpitàna birao mihitsy ny toy izany. Zava-bita amin'izao vaninandro izao mety hanova ny tantaran'i Shina io. Na izany aza, tokony isika hanameloka ireo fanehoana fanakianana izay manasongadina fotsiny ny lafiratsy amin'ilay tetikasa.

Tokony ho tonga saina isika fa hoe ireo mpitarika vitsy an'isa avy amin'ny liberaly, izay eo amin'ny fitondrana amin'izao fotoana nefa efa mahatsinjo koa fa mihozongozona ny sezany, dia miezaka mampiasa ny tetikasa tohodranon'i  Three Gorges mba hitenenan-dratsy ny sosialisma sy ireo andianà mpitarika teo aloha. Tsy maintsy miray hina isika ary mampiseho masoandro ny fikononkononana ataon'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.