Bolgaria: Fifandonan'ny Vondrona Avy Amin'ny Elatra Havanana sy Silamo Tao Sofia

Fifandonana mahery vaika no nisy teo amin'ireo mpomba ny antoko nasionalista  Ataka (Fanafihana) sy ny Silamo tao an-toerana tao amin'ny maosken'i Bania Basha tao Sofia renivohitr'i Bolgaria, nandritra ny fihetsiketsehana nataon'ireo nasionalista manohitra ny fanamafisam-peo avy amin'ilay maoske.

Hatrany ampiandohan'ny fikarakarana, olona iray avy amin'ny vondron'ny nasionalista no namoaka  fez Tiorka iray ka nandidy izany teo anoloan'ireo mpomba ny Ataka miisa 150 eo ho eo sy mpivavaka Silamo 200 teo am-pivavahana. Niakatrakatra ny todidra teo amin'ny vondrona roa tonta taorian'ny andrana nataon'ireo mpomba ny  Ataka hanongotra fanamafisam-peo tao amin'ny toeram-pivoahan'ilay maoske.

Nandritra ilay fifandonana dia marobe ny olona naratra, isan'izany ny lehilahy silamo iray izay vaky loha. Araka ny filazàn'i Volen Siderov, dia naratra ihany koa ny mpitarika ny  Ataka – Denitza Gedjeva – iray amin'ireo solombavambahoaka avy amin'ny antoko taorian'ny niantefan'ny tora-bato teny amin'ny valanoranony ary dia nalefa maika eny amin'ny tobom-pitsaboana tao an-tanànan'i Pirogov. Telo tamin'ireo naratra koa no naiditra tao amin'ny fandraisana ireo mila vonjy maika tao amin'ilay toeram-pitsaboana, saingy izy rehetra, isan'izany i Gedjeva, dia nalefa nody ary manaraka fitsaboana any an-tokantrano.

Tonga teny an-toerana ny andianà mpitsabo mba hijeryc sy hitsabo ireo naratra. Mpomba telo avy amin'ny Ataka no nosamborina.

Ireo avy amin'ny  Ataka dia nitora-bato, voankazo, atody, tapa-by sy hazo an'ireo Silamo, izay namaly tamin'ny tehaka kosa an'ireto nanafika an-dry zareo. Maro ny fanehoan-kevitra ao amin'ny  Twitter [bg, en]:

@gospodin_i:

Darohan-dry zalahy ny Vavolombelon'i Jehovah, pehan-dry lerony ny Silamo. Dia te hanontany aho hoe: iza no manaraka?

@ruslantrad:

Silamo iray mitsirara amin'ny tany miaraka amin'ny loha vakiny taorian'ireo fifandonana tao Sofia http://twitpic.com/502vuo

@ruslantrad: Muslim lying on the ground with a broken head after clashes in Sofia http://twitpic.com/502vuo

@ruslantrad: Silamo iray mitsirara amin'ny tany miaraka amin'ny loha vakiny taorian'ireo fifandonana tao Sofia http://twitpic.com/502vuo

@ruslantrad:

Taratasy misokatra avy amin'ny Komity Helsinki Bolgara  ho an'ny mpampita vaovao rehetra ao Bolgaria mikasika ireo fifandonana teo amin'ny elatra havanana'ireo mafàna fo sy ny Silamo  http://bit.ly/iGL4B2

@nervnata:

Hosamborina noho ny kabary miaty fankahalàna sy noho ny fanafihana miharo fanavakavahana ve ry zareo?

@ruslantrad:

Elatra havanan'ireo mafàna fo mandoro ny lafika fivavahana teo anoloan'ny maoske tao Sofia http://twitpic.com/502wu4

@ruslantrad: Right-wing activists are burning prayer mats in front of the mosque in Sofia http://twitpic.com/502wu4

@ruslantrad: Elatra havanan'ireo mafàna fo mandoro ny lafika fivavahana teo anoloan'ny maoske tao Sofia http://twitpic.com/502wu4

Sasantsasany tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Facebook avy amin'ny vondrona ho Fanohanana ny Zon'ireo Mpifndramonina any Bolgaria:

Dafar Shaban:

Mahonena, izy [Siderov] manao fihetsika saro-pady hatrany hatrany, sady mikisaka miala amin'ny toeran'ny mpiasa vàzana lery ka mankany amin'ny tena mpandray anjara mivantana amin'ity raharaha ity, ary dia lasa kianjan'ny tsy fifandeferana ara-pinoana ny sehatra politika.

Trayana Kaleycheva:

Mila mikarakara hetsika isika ho fiarovana ireo Silamo Bolgara! Androany na rahampitso, mila mamoaka ny hevitsika momba ity hagaigena ity isika!

Vida Delcheva:

Henatra re izao! Mahazendana ny mahita hoe hatraiza no andehanan'itony mitampi-maso sy tsy mahalala biby afa-tsy sahona itony. Ny firenena iray manontolo mihitsy no nalentiky ry zalahy anaty henatra amin'ny fomba faran'izay ratsy azony natao.

Dimitar Vesselinov:

Tsy misy fotony i Sickderov [anaram-bositra iray ho an'i  Siderov], mpandranitra manararaotra ny fanohanana sy ny heriny fotsiny handrebirebena ny saim-bahoaka.

Akyra Mnoojak:

Mba marina mafy, iza no heverin'io bandy io fa soloiny tena e?  Mivandravandra be raha toa ny mpankafy azy mihena an-toerana toa fen'antitra .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.