Aostralia: Mpanao gazety nosamborina noho ny sary tamin'ny Facebook

Aostraliana iray mpanao gazety voasambotra ary iPad nogiazana! Tsia, tsy i Julian Assange akory.

Saingy ny fihaonana fohy teo amin'i But Ben Grubb sy ny manampahefana tao Queensland dia niteraka olana maro momba ny cyber ka isan'izany ny mikasika ny fiainana manokana sy ny fitoniana ho an'ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra, ny fahefan'ny polisy hanao fisamborana ary hitazona ireo fitaovana dizitalin'ny mpanao gazety, miampy ny zon'ireo mpanao gazety.

Tahaka izay nazavain'i Tigtog tao amin'ny Larvatus Prodeo:

Ben Grubb, mpanao gazety ao amin'ny Fairfax dia notanan'ny polisy avy ao Queensland nandritra ny fotoana fohy omaly taorian'ny nanoratany lahatsoratra iray momba ny manampahaizana manokana amin'ny fiarovana amin'ny aterineto izay nanao fanolorana vela-kevitra an-tsary mifandimby mikasika ny fomba tsotra handinganana ny fanaraha-maso ny fiainan'ny tena manokana ataon'ny Facebook mba hahazoana ny sarin'ireo mpampiasa azy tsy ampiasàna ny teny fidirana sy ny teny miafina. Ilay manampahaziana dia nolazaina fa nandefa dika mitovy tany amin'i Grubb ny sasantsasany tamin'ireo sary “manokana” ao amin'ny Facebook izay azony notsidihana.

Tsy vitan'ny hoe tsy nahita ambara tamin'ny zavatra nataon'ny polisy fotsiny i Charis Palmer avy amin'ny Technology Spectator :

Ny fitànana an-tsoratra ilay resadresak'i Grubb niaraka tamin'ireo manampahefan'ny polisy tao Queensland dia manome fijery mazava ny antony tokony hitandreman'ny mpanao gazety manoloana ny fahefan'ny polisy sy ny Lalàna momba ny andraikitra, ary tokony hanafina araka izay fomba fanao ireo votoatin-javatra any anatin'ireo fitaovana ampiasain-dry zareo amin'ny asany.

Nefa koa nitaraina ny amin'ny maha-vendrana ireo mpiaro ny fiaraha-monintsika momba ny teknolojia:

Mampiseho ny tsy fahampian'ny fahalalàna ara-teknolojia ao amin'ny mpitandro filaminana koa izany. Nisy fotoana nandritra ny fanadihadiana dia niala tsiny tamin'i Grubb ny iray tamin'ireo tompon'andraikitra noho ny “tsy fahampian'ny teknolojiany” ary rehefa avy nametrahana fanontaniana ara-teknika maro momba ny fomba fiasan'ny Facebook, tsy afa-nanoatra i Grubb fa nanambara tamin'ny mpitandro filaminana fa tsy azony atao ny manao ny raharaha ho raharahany manokana.
Azon'ny mpitandro filaminana i Grubby

Adam Garner dia “consultant” momba ny teknolojia ary miblaogy ao amin'ny TGF. Nanatrika ny fivoriana nanehoana ny sary izy ary taorian'izay dia nametraka ny fanontaniana mikasika ny maha ara-dalàna sy ara-pomba:

Ara-pomba ve ny nataon'i Christian? Amiko aloha dia tsia.
Ara-dalàna ve izany? Mety ho tsia.
Nampitahotra an'i Ben Grubb ve ny QPS? Toa izany aloha raha ny hevitro.
Tokony manana zavatra havaly ny mpitandro filaminana ve i  Ben Grubb? Raha ny hevitro, toa mamono ny mpitondra hafatra ny QPS.
Afaka maka ny iPad-n'olona tahaka izany fotsiny ve ny mpitandro filaminana? Toa izany no eritreretiny.
Inona no nanjo an'i Ben Grubb sy Christian Heinrich tany amin'ny Auscert 2011?

Tsy ny mpitandro filaminana rehetra no tsy manana fahalalàna momba ny teknolojia, araka ny asehon'ny rohy nomen'i Adam mankany amin'ny bitsiky ny mpiandraikitra ny haino aman-jery ao amin'ny QPS:

@QPSmedia Araka ny lalàna dia azon'ny mpitandro filaminana atao ny maka ny fitaovana izay heveriny fa porofo aminà heloka bevava. Averina avy hatrany izany raha vao vita izay ilàna azy..

Mampita ny fandinihan'i Adam momba ny tsy fananan'ny mpitandro filaminana fahalalàna ara-teknolojia ny blaogy manokan'i Geordie Guy, I'm Not a Ninja, I'm Not Your Ninja:

Mila mianatra momba ny fiasan'ny teknolojia ny mpitandro filaminan'ny Queensland izay vao atao politika fisamborana izay olon-drehetra amin'ny aterineto izany raha vao misy zavatra kely tsy mety.
Ben Grubb nohadihadian'ny Mpitandro filaminana noho ny maha-mpanao gazety azy

Vetivety dia nifantoka tamin'izany tantara izany daholo ny tontolon'ny blaogy maneran-tany. Paul Sawers dia nanoratra tao amin'ny TNW (The Next Web) avy any UK:

Mety hanampy ny taloha ity tranga ity raha ny momba ny asa tsy ara-dalàna amin'ny aterineto. Na dia mety tsy ho voasazy aza i Grubb noho ny nandraisany ireo sary ireo, miteraka fanontaniana goavana ihany ity tranga ity momba ny hoe ahoana ny fomba hifehezan'ny mana-pahefana ny tranga toa itony avy aoriana. Maro ny olona no nenjehana noho ny fisintonana hira tsy ara-dalàna, ary toa mitovy amin'izany ihany koa ny fandefasana sary tsy nahazoana alàlana avy amin'ny Facebook….. .
Ny fanekena sary avy amin'ny Facebook tsy nahazoana alàlana dia mitovy amin'ny “fahazoana TV halatra”, hoy ny mpitandro filaminana Aostraliana

Peter Black, mpampianatra mpikaroka any amin'ny sampana fianarana ny lalàna ara-teknolojia ao amin'ny Anjerimanontolon'ny Queensland, dia misahana manokana ny lalànan'ny Aterineto. Mandinika lalindalina kokoa momba ny akon'ity tranga ity araka ny lalàna ny lahatsorany ao amin'ny ABC’s Drum:

Mampametra-panontaniana momba ny lalàna mifehy ny akon'ny asaratsy amin'ny aterineto any Aostralia ity tranga ity, ny fitsara hafahafan'ny Polisin'ny Queensland tamin'ny nanapahany ny hanenjika ny mpanao gazety nitatitra ny tantara (fa tsy ny mpikaroka izay nahavita nahazo ireo sary miafina), ary ny hoe manome fiarovana ho an'ny mpanao gazety ve ny lalànan'ny Aostralia.
Fandikàn-dalàna, Facebook, loharanony ary asaratsy amin'ny aterineto: ny korontana Grubb

Nahasoroka ny fanaraha-maso akaiky ihany aloha hatramin'izao ny lasibatra voalohany, Facebook. Na izany aza, mampahatsiahy antsika i Nano ao amin'ny lahatsoratry ny  JailbreakGuides Guides “vaovao, resadresaka momba ny fitsoahana am-ponja’ :

Voalaza fa nanao ity dokambarotra ity i Heinrich mba ampisehoana fa na dia eo aza ny fiarovana matanjaka indrindra dia mbola azon'ireo mahay izany atao ny miditra antsokosoko ao amin'ny Facebook.
Mpanao gazety nohadihadiana ary nalain'ny mpitandro filaminana ny iPad taorian'ny tatitra tsy fananjàna ny fiainan'ny olon-tokana amin'ny Facebook

Raha ny fomba filazan-dry zareo:

Ny valintenin'i Ben Grubb amin'ny gazety sy ny fandraisam-peo momba ny fakàna ny iPad-ny dia hita ato: Ny tantaran'i Grubb: ny fiainan'olon-tokana, vaovao ary ny fitaovana matanjaky ny lalàna

Ato no misy ny video mampiseho ny fanamarinan'ny mpitandro filaminana: Fidirana an-tsokosoko amin'ny Facebook: miteny ny mpitandro filaminana fa tahaka ny mandray fahitalavitra halatra ny fandraisana sary.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.