Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa. Ny 18 May, raha nibahana ny pejy voalohany tanatin'ireo fampahalalam-baovao iraisam-pirenena ireny hetsi-panoherana ireny, ny Birao momba ny Fifidianana ao Madrid dia nanameloka ny hetsika 15-M, saingy nihantsy azy ireo ny mpikarakara ny fihetsiketsehana tamin'ny alalan'ny famenoana ny kianjaben'i Puerta del Sol tamin'ny andro fahatelo, na teo aza ny orana.

Sasakalina tao Puerta del Sol. Madrid, 19 May. Loharanon'ny sary: Mikel el Prádanos

Araka ny Birao momba ny Fifidianana ao Madrid, tsy misy “antony manokana na matotra” [es] hiantsoana maika ny olona hanao fihetsiketsehana. Mampiseho ny hantsana misy eo amin'ny kabary ofisialy sy ny fangatahan'ny vahoaka ireny fanambaràna ireny, sady nikaravasy ny fanoherana an'ireo antoko politika roa. Nihanaka nanerana ny firenena sy tamin'ny aterineto ny hetsi-panoherana, nahitàna olona an'aliny nanao fihetsiketsehana tany aminà tanàna samihafa toa an'i  Málaga, Granada sy Tenerife, ary fifampizaràn'ireo mpampiasa aterineto ny fanavaozam-baovao sy ny fifanohanan'ny tsirairay tamin'ny alalan'ny fampahalalam-baovao sosialy , indrindra indrindra fa ny Twitter:

#acampadasol Mojándose por la democracia y por unos derechos y unos deberes más justos. Mucho Ánimo desde #acampadasegovia #nonosvamos

#acampadasol Kotsa ho an'ny demaokrasia sy ho an'ny fitoviana  zo sy adidy. Fankaherezana Be avy amin'ny #acampadasegovia  #nonosvamos

Nisy ihany koa ireo hetsika nokarakaraina ho fanehoana firaisankina amin'i Espaina, indrindra fa tamin'ny alalan'ny Facebook sy Twitter, teo anoloan'ny masoivoho Espaniola tany aminà tanàna maro samihafa toa an'i Londona na Jerosalema..

@Anon_Leakspin: At 19:00 a camp at Spanish embassy at London (UK) will start. #spanishrevolution #europeanrevolution #yeswecamp #acampadasol”

Nifandamina mba hahafahana miasa ahitam-bokatra kokoa ny olona ka  ho ao anaty komity momba ny lalàna, fifandraisana, fanadiovana, sakafo, fahasalamana, ary hatramin'ny mozika aza. Betsaka ny sakafo nentina nankao an-toby izay tsy maintsy nitadiavan'ireo mpikarakara toerana hanatobiana azy. Ary koa, ampolony ireo mitohy manolo-tena mandika ny antontan-taratasy sy ny fanapahan-kevitry ny komity ho amin'ny teny Anglisy, Frantsay, Arabo sy ny teny amin'ny alàlan'ny tarehin-javatra.

Mpanao fihetsiketsehana ao Madrid, Spain. Sary avy amin'i Julio Albarrán, naverina navoaka eo ambany fiahian'ny CC License.*

Miaraka aminà tenifototra mivoaka malaky be, miovaova, ary mifanolosolo ao amin'ny Twitter, sarotra be ho an'ny media sy ireo antoko politika ny manaraka ny raharaha: ny hoe #democraciarealya, #spanishrevolution, #acampadasol, #nonosvamos, #yeswecamp, #notenemosmiedo, #juntaelectoralfacts, #esunaopcion, #tomalaplaza, #pijamabloc, dia miara-miasa daholo ho tenifototra an'ilay fitobiana ao an-toerana, samy manana ny azy ny tanàna tsirairay: #acampadavalencia, #acampadalgño, #acampadabcn

@LaKylaB: Cuántos decían que no era posible un cambio? Cuántos creían que siempre viviríamos así?Cuántos? . Esto es solo el comienzo. #acampadabcn

@LaKylaB: Firifiry no niteny fa hoe tsy hisy izany fiovàna izany? Firy no nino fa hoe hitohy hiaina tahaka izao foana isika? Firy? . Mbola vao ny fanombohana izao. #acampadabcn

Ampolony maro ireo tenifototra namadika ity hetsi-panoherana ity, somary tamin'ny fomba nahatsikaiky ihany, ho lasa hetsika sarotra paingorina (aràhana). Tsy misy mpitarika tena hita mazava na rafi-pifandraisana tsara petraka ireo hetsi-panoherana any Espaina ka manjary hetsika iray hafa isehoan'ny hetsika manerantany izay sarotra ho an'ireo rafitra ntaolo ny handika azy.

Mpanao fihetsiketsehana ao Madrid, Espaina. Sary avy amin'i Julio Albarrán, naverina navoaka eo ambany fiahian'ny CC License.*

Tsy hoe mampiasa fotsiny ny media sosialy ny vahoaka mba handrindràna sy hifampizaràna fanavaozam-baovao, fa koa mampiasa amin'ny fomba tena ilàna azy ireo fitaovana dizitaly azo ifandrimbonana. Ny tanjon-dry zareo sy ny fitakiany dia azo vakiana ao amin'ny vohikala Real Democracy Now. Misy ihany koa wiki nosokafana izay azon'ireo mpampiasa azy ampidirana vaovao sy antontan-kevitra, anaty aterineto miaraka aminà torohevitra araka ny lalàna mikasika ny  zo hanangana fikambanana sy hanao fivoriana, fanangonan-tsonia maika hitakiana ny fampiatoana ny fandraràna ny fitobiana, ary lahatsoratra iray anaty bilaogy momba io andro io nataon'ireo mafàna fo maro avy amin'ny hetsika #nolesvotes (aza mifidy azy ireo), ankoatr'ireo fandraisan'andraikitra maro hafa niteraka asa fifandrimbonana anaty aterineto: “#nolesvotes: for a responsible vote” (ho fifidianana tompon'andraikitra)

Colaboración distribuida: Te invitamos a copiar este texto y construir páginas de enlaces que referencien todos los sitios que dan apoyo a la iniciativa. De igual modo, invitamos a los demás colectivos que comparten nuestra propuesta a que lleven a cabo acciones similares. La fuerza de la red reside en la distribución y colaboración entre sus nodos.

Fiaraha-miasa voatsinjara: Manasa anao izahay mba handika ity lahatsoratra ity sy hanangana pejy manolotra ireo rohy mankany amin'ireo vohikala rehetra manohana ilay fandraisana andraikitra.  Tahaka izay ihany, manasa ireo vondrona hafa izahay izay mitovy fijery aminay mba hikarakara hetsika tahaka izao. Ny tanjaky ny tambajotra dia ny fahafahany mitsinjara sy ny fiaraha-mientan'ireo sampany maro samihafa.

Ny toerana filasiana ao Puerta del Sol, Madrid, Espaina. Sary avy amin'i Julio Albarrán, naverina navoaka eo ambany fiahian'ny CC License.*

Misy amin'ireo mpampita vaovao sy mpitarika politika sasany no miampanga ilay hetsika noho ny tsy fisian'ny rafitra voafaritra mazava. Saingy ny vahoaka, tanora na tsia, dia nifandamina, tamin'ny fomba samihafa sy tsy takatry ny saina. Nameno ny toerana natao ho an'ny daholobe izy ireo, na izany teny an-dalambe na tany anaty aterineto, ary mampiasa ny fitaovana dizitaly handrindràna, hifampizaràna, ary hananganana ny tantaran-dry zareo manokana. “kiaka mangina” iray no nomanina ho an'ny androany, 20 May, misasakalina, ary toy ny filazana ankolaka ny tena hantsana misy amin'ny resaka fifandraisana.

*Sary avy amin'i  Julio Albarrán, nalaina tao amin'ny sary mifandimbiny  Flickr, ary naverina navoaka teo ambany fiahian'ny CC License BY-NC-SA 2.0.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.