Mozambika: Portiogey, ho tenin'ny Mozambikana

Ny 5 May tao Maputo, Mozambika, no nankalazan'ireo vondrom-pirenena miteny Portiogey [Community of Portuguese Speaking Countries (CPLP)] ny andron'ny teny sy ny kolontsaina.

Amin'i Mia Coutoiay, iray amin'ireo mpanoratra malaza ankehitriny amin'ny teny Portiogey sy fanta-daza manam-piaviana razambe mozambikana, dia mihevitra fa  taorian'ny 36 taona nahazoana ny fahaleovantena, dia zara raha ny 40% ihany no miteny Portiogey, iray monja amin'ireo fanjakana ao Mozambika no mponina any amin'ny tontolo miteny Portiogey , ary nanamafy [pt] koa izy fa tamin'ny taona 2001 “ny teny Portiogey dia tsy tenin'ny mozambikana akory. Nefa na izany aza dia io no teny nampiasain'ireo Mozambika”.

"Não ao estigma!" (No to stigma!) A bilingual mural in Nampula. Photo by Rosino on FLickr (CC BY-SA 2.0)

"Não ao estigma!" (No to stigma!) sary amin'ny rindrina natao amin'ny tenim-pirenena roa ao Nampula. Sary an'i Rosino ao amin'ny FLickr (CC BY-SA 2.0)

Fitaovana fanjakazakana sa amboara ho an'ny fahaleovantena?

Raha tamin'ny 1975, teo ho eo amin'ny 80%-n'ny Mozambikana no tsy nisy niteny Portiogey, dia efa nihamaro ny miteny Portiogey ankehitriny ao Mozambika mitaha amin'ny fotoana nahazoana ny fahaleovantena.
Telopolo taona lasa izay, ny Liberation Front of Mozambique na (FRELIMO), izay mpiady anaty akata nanohitra ny fanjanahana, dia nahatsapa fa ny teny Eoropeana dia azo atao ho fitaovam-piadiana hampiombonana ny tanàna sy handrafetana firenena iray. Ny fitaovana nampiasaina hanjakazakan'ny mpanjanaka dia tokony hivadika, eny an-tanan'ireo tia tanindrazana, ho zavatra mifanohitra amin'izany – amboara ho an'ny fahaleovantena, antoka iray izany.

Tamin'ireo andiana fampidiran-dahatsoratra tamin'ny blaogy  Moçambique para Todos (Mozambique ho an'ny rehetra) [pt], ao amin'ny boky “Descolonização e Independência em Moçambique – Factos e Argumentos” (“Ady amin'ny Fanjanahana sy Fahaleovantena tao Mozambika – Tranga sy Tohan-kevitra”) nosoratan'i Henrique Terreiro Galha, mpitarika ny fiovana lehibe ary filoha voalohan'i Mozambika Samora Mache dia voatanisa [pt] tamin'ny faran'ny taona 1975, tamin'ny fivoriam-bahoaka tao an-kianjan'ny Machava, izay nanjary Lourenço Marques (tanan-dehiben'i Maputo ankehitriny):

outros dirão mas a língua ainda é portuguesa. É preciso utilizar a língua do inimigo. A língua portuguesa agora já mudou de conteúdo, não é aquele português que era falado pelo senhor Governador em Moçambique. Deve ser o nosso português de moçambicanos.

Ny sasany mety hiteny saingy ny teny dia teny Portiogey hatrany. Tsara raha ampiasaina ny tenin'ny fahavalo. Niova ny vontoatin'ny teny Portiogey ankehitriny; tsy ilay fiteny Portiogey nitenenan'ny Governora Mozambikana azy intsony. Amin'izao manana ny teny Portiogey-nay izahay, izay tenin'ny vahoaka Mozambikana rehetra,

Galha manampy hoe [pt]:

O português era o único veículo de comunicação entre as diversas etnias. Foi uma decisão difícil, tomada a contra-gosto. Num seminário realizado em Mocuba (Zambézia), no início de 1975, com a presença de Joaquim Chissano, foi salientado e relembrado, como tarefa dos grupos dinamizadores, “a necessidade de transformar (sic) a língua portuguesa, de instrumento de despersonalização e opressão, em veículo de comunicação do Povo.”

Ny teny Portiogey no hany fitaovan-tserasera niarahan'ny foko samihafa nampiasa. Tena fanapahan-kevitra sarotra tokoa satria nifanohatra tamin'ny filànay izany. Tamin'ny seminera natao tao Mocuba (Zambezia), tany amin'ny fiandohan'ny taona 1975, izay natrehan'i filoha Joaquim Chissano “ny ilàna ny fanovàna ny teny Portiogey, avy amin'ny maha fitaovana famotehana ny maha izy azy ny tena sy ny maha fitaovam-pamoretana azy hanjary ho fitaovan-tseraseram-bahoaka ” dia nasongadina sy naverina nodinihana indray izay, nosahanin'ny grupos dinamizadores [vondrona ifotony niforona tamin'ny fahaleovantena].
A warning sign in Zambezia "Beware of the 'N'gona' crocodile. Image by Jornal @Verdade. Ilay sary mampitandrina tao Zambezia

Takelaby fampitandremana ao Zambezia "Tandremo ny voaibe 'N'gona' . Sary avy amin'ny Jornal @Verdade.

Portiogey amin’ny endriny hafa


Araka ny tahirin-kevitra ananana [pt] manambara fa ny ankamaroan’ny serasera mozambikana dia mampiasa tenindreny 43 [pt], ny teny Portiogey dia rasina ho toy ny antoka iray ho amin’ny fampiraisam-pirenana. Amin'i Mia Couto [pt], ” ny ezaka nataon’ny governemanta Mozambikana momba ny teny portiogey dia maro ampitahaina amin’ny taonjato maron’ny fanjanahantany(…) ny tombontsoam-pirenena, fiarovana ny firaisankinam-pirenena ary ny fanarenam-pirenena.”

Tamin’ilay adihevitra nataon’ny Foibe ara-Kolotsaina Brezila-Mozambika tamin'ny 5 May, ny Ministra ny kolotsaina, Armando Artur, nanamafy [pt] fa ny teny Portiogey dia anisan’ireo vakoka ara-teny ho an’ny Mozambika , mipetraka ho tenim-pirenena:

Com o advento da Independência Nacional, ela viu o seu prestígio mais reforçado com a sua adopção como um elemento de Unidade Nacional, passando, deste modo, a ostentar o estatuto de língua oficial em Moçambique.

Hatramin’ny niavian’ny fahaleovantena, dia nihanatanjaka ny lanjan’ilay teny tamin'ny nananganana azy ho singa manamafy ny firaisam-pirenena, nanomboka tamin’izay, namafisina koa ny satany ho teny ofisialy ao Mozambika.

Artur, mpikambana ao amin’ny governemanta sy Mozambikana mpanoratra,  dia nanambara fa tsy nitsaha-niakatra izany, ankahasitrahan’ny Mozambikana ny teny Portiogey ary mifaningotra tsara amin’ny tenim-pirenen-dry zareo izany, noho ny fisian’ny fitsipi-pitenenana sy tsipelina tokana ananan’ny teny Portiogey na amin’ny teny vaovao na fomba amam-piteny

Na izany aza, ity singa mampiray ny firenena ity dia mahakasika ny seha-piarahamonina rehetra. Tamin’ny 2009, tao tamin’ilay adihevitra tao amin’ilay blaogy Moçambique para Todos,, Elísio Fonseca dia nisintona ny sain’ny olona [pt]:

The expression "wandering outside is maningue risky" means "to betray is very risky." Maningue is a typically Mozambican word which means "very" and comes from "many" in English. All the countries that border Mozambique have English as an official language. Image by Amanda Rossi, used with permission.

Ny fiteny hoe "maningue mampidi-doza ny mivezivezy any ivelany " dia midika hoe "mampidi-doza ny mamadika." Ny hoe Maningue moa dia teny Mozambikana madio rano midika hoe "tena" avy amin’ny tena anglisy hoe"many" . Ny firenena rehetra mifanolo-bodi-rindrana amin’i Mozambika dia mampiasa ny tena anglisy ho teny ofisialy avokoa. Sary nataon’i Amanda Rossi, nampiasaina miaraka amin'ny fanomezan-dàlana

 

Em nome da “unidade nacional” o nosso governo colocou um manto sobre a nossa cultura, menosprezando o ensino das línguas, hostilizando todos os nossos valores culturais. Há linguistas que consideram isto um erro tremendo. Para eles, a capacidade de um adolescente moçambicano em aprender uma língua estrangeira, seja o português ou o inglês, mede-se pelo domínio que tem da língua nativa. Sem esta base sólida, argumentam, torna-se mais difícil essa aprendizagem. Mas o erro foi feito, e hoje reflecte-se no nível do português falado entre muitas camadas da nossa sociedade.

Amin’ny anaran'ny firaisam-pirenena, nosemporin’ny governementanay ny kolotsainay, tsy noraharahaina ny fampianarana ny tenim-pirenena,  nisetrasetràna ny hasin'ny kolotsainay. Nisy mpandinika momba ny teny nilaza fa fahadisoana bevava izany. Ho an-dry zareo ireo, ny fahazoan’ny adolantsento Mozambikana mianatra teny vahiny, na Portiogey izany na Anglisy, dia samy refesina amin’ny fahalaman’ny vavany miteny ilay teny toy ny hoe tenin-dreniny. Raha tsy misy izay fototra mafy izay, hoy ry zareo manamafy, mety hananosarotra [ny mianatra ny teny vahiny]. Saingy natao ihany izany fahadisoana izany, ary ankehitriny taratra amin’ny lentan'ny fiteny ny Portiogey eny anaty vondrona samihafa eo amin’ny fiarahamoninay izany.

Max Coutinho, ao amin’ny blogy Etnias (Filazàm-poko) [pt], manome ohatra amin’ny “tohitohin-tandra-metaka” izay itarafana ny “lenta” lazain'i Fonseca amin’ny fampiasàna ny teny ofisialy:

Os cidadãos de Maputo, tanto em solo nacional como na diáspora, confundem os verbos Ir (deslocar-se de um lugar para outro para lá ficar; afastando-se) e Vir (transportar-se para cá).

Ireo terak'i Maputo, na ny eto an-toerana, na ireo any ivelany, dia samy manafangaro ny matoanteny Ir (Mandeha) (Miala amin'ny toerana iray misy ilay miteny ho amin'ny toerana iray hafa mba honina any; mihataka) ary ny Vir (Tonga) (mikisaka mamonjy ny toerana misy ilay miteny).

Fátima Ribeiro, manana diplaoma amin'ny  Teny sy ny Literatiora Maoderina, mitsikera [pt]:

O Português falado em Moçambique é diferente do falado noutros países lusófonos. Nós estamos a construir o nosso Português que tem várias influências das nossas várias línguas maternas e também do inglês. É um Português que, em termo de vocabulário, gramática e estrutura, é diferente naturalmente.

Ny teny Portiogey tenenina ao Mozambika dia samihafa amin’ny itenenan'ireo firenen-kafa miteny Portiogey. Namorona ny teny Portiogey ho anay manokana izahay izay avy amin’ireo tenindreny maro anananay  sy avy amin'ny teny anglisy koa. Teny Portiogey ihany saingy misy tsy fitoviany eo amin’ny lafiny voambolana, fitsipika ary rafitra.

Ny fanapahan-kevitra hanamafy ny Fifanarahana Iombonana amin'ny Fomba Fanoratra, izay midika fanakambanana ny teny Portiogey tenenina any amin’ireo firenena mampiasa azy ho teny ofisialy, dia nofakafakaina nandritra ny roa taona mahery. Eo amin’ny tontolon’ny blaogy, maro ny fanontaniana mipetraka raha “mendrika hosandaina 111 tapitrisa dolara amerikana ny famovàna ny teny”, toan’i Eduardo Quive, ao amin’ny blaogy Quivismo, ao aminà tatitra lalina iray [pt] mahakasika ilay adihevitra tamin’ny 5 May .

Fa niaraka tamin’izay koa, tato anatin'ny taona vitsy, nanomboka nampiditra ny tenindreny ho ao amin’ny rafi-panabeazana sy rafi-pampandrosoa ny fireneny i Mozambika. Ankehitriny, eo amin’ny 300 eo ho eo ny sekoly mampianatra amin’ny teny roa, ary misy tenindreny 16 hafa no anaovana andrana.
Amin’ny teny Portiogey sy ireo teny hafa tenenina ankoatra ny Portiogey, vakio koa ireto lahatsoratra manaraka ireto izay navoakan'ny Global Voices tamin'ny 2011:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.