Arabia Saodita: Vehivavy iray mihaika ny lalàna tamin'ny alalan'ny fitondrana fiara tao Jeddah

Tsy mahazo mitondra fiara ny vehivavy ao Arabia Saodita. Vehivavy iray Saodiana no nanao fitakiana vao haingana mahakasika izany lalàna izany, raha nitondra ny zanany ho any an-tsekoly ao Jeddah. Miady hevitra izany toe-javatra izany ny mpiserasera, nisy ny fihobiana ilay vehivavy Najla Hariri, noho ny asan-kerim-po nasehony.

Nandroso ary nipaka hatreny amin'ny firenena mpamokatra solika nandritra ny taona maro ny adihevitra mikasika ny fahafahan'ny vehivavy hitondra fiara. Nandinika izany lalàna izany hatrany ny mpitarika fivavahana, fa raha omena izany, dia ho toy ny zavatra mety hanimba ny vehivavy sy ny fiaraha-monina rehetra, raha toa ka nilaza ny “liberaly”, izay vehivavy Saodiana ny ankamaroany fa zo fototra tokony hananan'ny vehivavy izany, indrindra ho an'ireo izay tsy mba afaka manakarama mpiasa hitondra fiara.

A picture of Najla Hariri taken from her Twitter account @hariri65.

Sarin'i Najla Hariri nalaina tao amin'ny kaontiny Twitter @hariri65.

Nibahana tamin'ny Aterineto sy ny Twitter ny asan-kerimpo nataon'i Najla Hariri, nitohy tsy misy fitsaharany ny adihevitra eo amin'ireo izay tsy manaiky ny ataon'i Najla sy ireo izay mankasitra ny herim-pony sy ny tolona ataony amin'ny fanehoana fa tsy mety ny ataon'ny fiaraha-monina amin'ny fandrarana ny vehivavy tsy hitondra fiara. Namaly ny fankasitrahana voarainy tao amin'ny kaontiny Twitter tamin'ny alalan'ny fanehoan-kevitra  i Hariri ka nilaza hoe:

أعزائي، جعلتم مني رائدة ورمز، أنا لست أي من ذلك، انا أم وجدت نفسها في احتياج لأخذ زمام المبادرة، ففعلت من غير بطولات ولا انجازات

Nataonareo ho toy ny mpitarika sy olo-masina aho, raha toa ka tsy iray amin'ireo aho. Reny izay  nahatsikaritra fotsiny fa misy hetsika tokony ataoko, araka izany dia nataoko izay tokony nataoko ary tsy nijery izay asa atao an-kerimpo na zava-bita aho.

Bilaogera Saodiana Fouad Al-Farhan nanoratra fanehoan-kevitra tamin'ny nataon'i Ramatoa Hariri, nilaza izy hoe:

ما قامت به الأستاذة نجلاء حريري من قيادة سيارتها يوم أمس في جدة وتوصيل أطفالها هو حق حلال ومشروع ومصادرة الحق ظلم

Izay nataon'i Ramatoa Najla Hariri raha nitondra ny fiarany tao Jeddah mba hampitsangatsangana ny zanany dia ara-dalàna ary ny tsy fankatoavana izany lalàna izany dia tsy rariny.

Saodiana hafa tao amin'ny Twitter, Abdulrahman Kattoa, nankasitraka izay nataon'i Hariri, namariparitra azy tahaka an'i Rosa Park hafa, Afro-Amerikana mpiaro ny zon'olombelona:

ما يكسر حاجز الخوف إلا الشجعان زي ما كسرت الأمريكية في الباص الاضطهاد العنصري في أمريكا

Tsy misy olona mandrava ny tahotra ankoatra ny mahery fo, tahaka ny fomba nandravan'ilay vehivavy Amerikana ny tsindry hazo lena nataon'ny mpanavakava-pirazanana tao anaty fiara fitateram-bahoaka

Dokotera lehilahy Saodiana, Rami Niazy, no nanambara ny fihetsehampony tamin'ny fahadisoam-panantenany amin'ny fahitana ireo Saodiana mbola miady hevitra amin'ny fahafahan'ny vehivavy hitondra fiara. Nanoratra tweet izy ka nilaza hoe:

كلما تذكرت أننا لا زلنا نناقش المرأة تسوق ولا لأ في سنة ٢٠١١ ٬ اشعر بإحباط شديد. الناس طلعوا القمر من ٤٠ سنة

Isaky ny mahatsiaro aho fa mbola miady hevitra foana isika amin'ny tokony hamelana ny vehivavy hitondra fiara na tsia amin'ny 2011, dia mahatsiaro tena ho diso fanantenana mafy aho. Nandeha teny amin'ny volana ny vahoaka tamin'ny 40 taona lasa izay!

Mpanao gazety Saodiana Essam Al-Zamel nanoratra fanehoan-kevitra tao amin'ny kaontiny Twitter  teo akaiky momba ny adihevitra amin'ny fitondran'ny vehivavy fiara ka nilaza izy hoe:

أتمنى أن لا يحول التيار الإسلامي قيادة المرأة إلى صراع بين الاسلاميين والليبراليين. فقيادة المرأة تخص المرأة وليس الليبراليين

Inoako fa tsy havadiky ny fihetsiketsehana Islamika ho fifandonana eo amin'ny Islamista sy ny Liberaly ny resaka momba ny fitondran'ny vehivavy fiara satria  resaka mikasika ny vehivavy ny fitondrana fiara, fa tsy Liberaly.

Mpanao gazety Koesiana Abdullah Zaman nanoratra tweet tamin'ny teny Anglisy tamin'ny Ramatoa Hariri nankasitraka ny herim-pony:

Najla, tsiriritiko ny nataonao androany. Nanana fahasahiana ianao mba ho mariky ny fikirizana eo amin'ny tontolon'ny vehivavy.

Saodiana mpanao politika  Waleed Abu Alkhair nanamarika ny mahazava-dehibe ny nataon'i Ramatoa Hariri:

باختصار سياقة نجلاء حريري لسيارتها في وسط جدة ووقت الذروة ولمسافة طويلة دون أي مضايقات يبدد ما يشاع عن مجتمعنا أنه سوف يؤذي المرأة إن ساقت

Raha fehezina, dia nitondra fiara teo afovoan'ny tanànan'i Jeddah i Najla Hariri nandritra ny fotoana fifamezivezena sy tamin'ny halaviran-dalana lava ka tsy nahitana herisetra, tokony hifarana izay tsaho malaza eny anivon'ny fiaraha-monina mikasika ny vehivavy mety iharan'ny herisetra raha mikasa hitondra fiara izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.