Nepal: Manoratra mikasika ny Fikomiana sy ny Fanivànana ao amin'ny Facebook

Nitondra rivo-panovàna tany Nepal ny lohataona Arabo. Ny Asabotsy 7 Mey, niangona teo akaikin'i Maitighar manodidina an'i Kathmandu renivohitra mba hangataka ny famahana araka izay haingana ny fiziriziriana nisy tato ho ato vokatry ny hatak'andro amin'ny fananganana lalàmpanorenana vaovao ny vondron'ny tanora. Voatariky ny pejy Facebook iray Show up, Stand up, Speak up (Misehoa, Mitsangàna, Mitenena), nitarika hetsi-panoherana am-pilaminana izy ireo ary nahatonga fahatairana tamin'ireo media ao an-toerana sy ireo mpanao politika izay tsy zatra ny media-m-bahoaka nanentana hafanam-po mivantana.

Koa satria nanintona ny sain'ny maro ity dingana feno fahasahiana nataon'ny tanora ity, ny sasany dia mitsikera izany ho fihetsika fanatsarana sy hafanam-pon'ny manampahaizana izay tsy nahomby tamin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka. “Ny fanovàn'ny Facebook”  dia nolazaina ihany koa ho fanadalàna.

Indrisy anefa, tsy zava-baovao ny fiezahana hampangiana ny feon'ireo tsy miankina tsy mitovy hevitra. Ity onjam-panakianana ity dia manohitra tanteraka ny hetsika tsy ara-politika, ny fitaonana ny olom-pirenena  sy hetsika namporisihana ary manampy toko hafa fotsiny.

Nandritra ny faran'ny herinandro dia nanjary nazava fa eo ambany fanaraha-maso ihany koa ny mediam-bahoaka any Nepal taorian'ilay Filankvetitr ny Fanaovan-gazety-izay ny anjara andraikiny dia ny fitandroana ny fitsipi-èitondrantenan'ny media sy ny fijerena ireo “vaovao mifanipaka amin'ny ara-tsosialy” ilàna valinteny avy amina bilaogy iray tena fanta-daza. Mysansar.com, namoaka andian-dahatsoratra manakiana ny fahasarotan'ny complexe politika-indostrialy any Nepal; mikendry indrindra ny Antoko Chaudhary izay tena manana ny toerany.

Ny Lalànan'ny Filankevitry ny Fanaovan-gazety tamin'ny 1992 dia mametra mazava tsara ny fahefam-pitsaràn'ny Filankevitra amin'ireo famoahan'ny media nentin-drazana, kanefa mbola nanapa-kevitra ny hihetsika amin'ny fitarainana tsy mazava tsara avy amin'ny Antoko Chaudhary izay nilaza ny fisian'ny faniratsirana.

Mazava fa ny fiaraha-monina Nepaley dia mbola manana vondrona izay tsy afaka na tsy maniry ny hanaiky fa manana feo ny vahoaka ary tsy hangiana. Ity vondrona ity, nozarina ho tarihan'ireo taranaka mpanao politika sy ireo mpitarika izay kinga lavitra tokoa amin'ny filalaovana ireo lalàna mitaha amin'ny fihainoana ny vahoaka; mahita fa tsy azo ekena ny vondrona tanora mitaky ny fanaovana lalàmpanorenana vaovao any Nepal. Manosika ireo sampandraharaham-panjakana tompon'andraikitra sy manamboninahitra toy ny Filankevitry ny Fanaovan-gazety hanenjika ny bilaogy, sady manome lamosina ireo olana goavana amin'ny fahorian'ny asa fanaovan-gazety izany toe-tsaina izany.

Fotoana tokoa izao “hitiavana” ny fikomiana any amin'ireo araben'i Kathmandu!

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.