Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”

Factory nunca más

Tsy misy Factory intsony. Sary: Juan Arellano

Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Anisan'ireo maty ny mpikambana manontolo tao amin'ny tarika mpiangaly gadona rock  Zelestial, ary mandrak'androany dia mbola miaina miaraka amin'ny takaitra nentin'io loza io ny ankabezan'ireo sisam-paty.

Na nisy aza ny fitsaràna sy ny fanamelohana tamin'io zava-nitranga io, ny fianakaviana sy sakaizan'ireo tra-doza kosa dia mitohy mifandray hatrany mitaky ny marina, sady ambonin'ny zavatra rehetra, ny tsy fanilikilihana ny mpanao rock rehetra avy amin'ny karazany samihafa, mamela azy ireny ho tonga miaraka ary manao fampisehoana na tanàna aiza na aiza fa tsy hoe fotsiny any amin'ireo faritra mihataka  tsy azo antoka loatra ara-pandriampahalemana.

Tamin'izany fotoana dia niasa saina momba ilay zava-nitranga ireo Ekoatoriana mpitoraka bilaogy, toa an-dry Sick boy tamin'ny Wild child's Journal (Gazetin'ny Ankizy kinaoly), izay nanakiana mafy [es] ny ‘sensationalisme’ sy ny fitsaràna an-tendrony ataon'ny fiarahamonina  an'ireo mpankafy ny Gothic rock:

El contexto de “un show publico cualquiera que terminó en tragedia” se ha trastocado hacia “una secta que buscaba la muerte”, o “jóvenes confundidos q adoraban a Satán”, o hasta “piromaniaticos terroristas”, bla bla bla… […] Un simple gusto musical pasa a ser prejuicio de unos cuantos que nos creen dementes, y que sin una “ayuda profesional” quizás terminemos matándonos entre nosotros o haciéndole daños a terceros… así el rockero retratado como antisocial capaz de cometer atrocidades cobra fuerza…

Ny tranganà “fampisehoana ho an'ny daholobe miafara aminà loza mahatsiravina” dia nampifandraisina tamin'ny hoe “sekta mitady aina halatsaka ho sorona”, na “tanora manompo an'i Satana”, tonga hatramin'ny hoe “mpampihorohoro faly mahita zavatra mirehitra”, blah blah blah…[…] Ny fitiavana mozika tsotra izao no mivadika ho fitsaratsaram-poana ho an'ny sasany mihevitra anay ho adala hondrakondrafana, sy rehefa tsy mahazo ny “fanampian'ireo matihanina”  dia mety hifamono na hanao ratsy ny hafa… ary dia avy amin'izany no iheverana ny mpiangaly rock ho fahavalon'ny fiarahamonina mahavita manao zava-doza sy tena ao anatin'ny heriny…

Alexis Cuzme of De Ciudad Hecatombe (avy any Hecatombe City) dia mikitika koa [es] ilay lohahevitra, ary ambonin'izany, dia milaza ny  fahasarotana atrehan'ireo izay mikarakara fampisehoana toy ireny:

Muchos de los organizadores de conciertos rockeros prefieren hacerlos subterráneos, en salas más o menos acondicionadas para albergar a cien o hasta doscientos espectadores, no buscan los permisos legales porque es un trámite donde la burocracia deja ver su poder, y sobre todo porque siempre habrán interminables y absurdos peros para que se evite un concierto de rock (el prejuicio en su mejor forma).

Maro ireo mpikarakara fampisehoana rock no misafidy ny hisitrika, anatin'ny trano zara raha misy rivotra voavaotra izay mahazaka mpanotrona eo amin'ny 100-250 eo, toy izay haka fahazoan-dàlana ara-dalàna noho io rafitra io ahitàna fomba fitantànana manapa-doha, sy ankoatra izany dia hitan-dry zareo ho tsy mitondra mankaiza mandrakariva no sady “efitra an'ila” ilaina sorohana ny fanaovana fampisehoana rock (fahavoazana ho an'ny hatsaràny).

Ny 19 Aprily lasa teo, dia nisy fanomezam-boninahitra lehibe tao amin'ny  Plaza Grande of Quito ary ezaka ho fanentanana ny olona mikasika ity olana ity izay nataon'ny fianakaviana sy naman'ireo tra-doza:

Iray tamin'ireo mafàna fo no nahita fa ilaina ny mitondra fanehoan-kevitra momba azy io:

Ho toy ny ampahany amin'ireo hetsika tao anatin'ireo telo taona misesy nangirifiriana, nisy fampisehana rock lehibe natao, Factory nunca más 2011 [es] (Tsy misy Factory intsony), ary resaka an-databatra boribory. Ankoatra ireo fanomezam-boninahitra any anaty bilaogy sy lahatsary any.

Ity tranga ity [es], tahaka ny iray izay mahatafiditra ny klioba República Cromañón ao Buenos Aires, Arzantina, ny iray misy ny klioba Utopía [es] ao Lima, Pero, sy ny maro hafa, dia porofon'ny tsy maha-manara-penitra sy ny maha-tsy tompon'andraikitra ny goragora amin'ny karazana fampisehoana sy fialamboly maro ho an'ny tanora any Amerika Latina, tsy anavahana ny sarangam-piarahamonina misy azy ireny.

-Loharanon-dahatsoratra navoaka tao amin'ny  Globalizado [es], bilaogin'i Juan Arellano.
-Nandray anjara tamin'ny fandikàna sy fametahana teny asisika tamin'ny lahatsary tao anatin'ity lahatsoratra ity ry Milton Ramirez, Helen Siers sy Cati Restrepo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.