Gresy: fanafihana misesisesy atao amin'ireo mpifindra monina ao Athène

Tao ho ato izay dia niha-nahazo laka ny tahaka-ny-fandringanana ireo mpifindra monina tany afovoan-tanànan'i Athènes nataon'ireo antoko mahery fihetsika ao Athènes . Tamin'ny 10 May no nanomboka nisian'izao toe-draharaha izao raha iny ka nitondra ny vadiny bevohoka ny lehilahy iray 44 taona ka nisy namono ary notsatohan'ny olona tamin'ny antsy ka maty teo no eo. Tsy mbola fantatra ireo mpamono, kanefa toa efa rere tato ho ato ny fahavononan'ireo antokon'olona mpanavakava-bolon-koditra ny hamaly faty amin'ireo mpifindra monina – na ireo grika miendrika vahiny – izay lazain'izy ireo fa tompon'antoka amin'ny fiakaran'ny herisetra sy ny tsy fisian'ny asa ao Grèce.

Nahavory olona an-jatony ilay hetsika anoherana ilay vono natao tamin'ilay saiky raim-pianakaviana ny 10 May, teo amin'ilay nisian'ilay toerana nisian'ny herisetra.

A man injured in racist attack after protest in Athens, 12 May 2011. Photo by Epoca Libera, copyright Demotix

Lehilahy iray voaratra nandritra ny fihetsiketseham-panavakahaM-bolon-koditra tany Athènes ny 12 May 2011. Sary: Epoca Libera, copyright Demotix

Olona am-polony maro no naratra tato ho ato, ary nisy maty iray koa aza, izay hadihadiana ny antony nahatonga izany. Tena nitombo izay tsy izy ny herisetra atao amin'ny mpifindra monina sy ireo mpanao sesintany ny tenany any Grèce tao anaty ny taona vitsivitsy, fa mbola tsy fahita raha izao fanehoana mibaribary ny fanavakavaham-bolon-koditra izao.

Nirona naneho hevitra tao amin'ny Twitter avokoa ny isam-batan'olona.

Tatitra an-gazety

Mpanao gazety matihanina @doleross no nanao fitantarana mivantana ny fanafihana natao tamin'ireo mpila ravinahitra taorian'ilay fifanoherana teo eo ho eo amin'ny 6 ora hariva ny 10 May.

@doleross: Σε “κυνηγητό” κατά μεταναστώνστην 3η Σεπτεμβρίου έχουν επιδοθεί οι συγκεντρωμένοι για την δολοφονία του 44χρονου.Εμφανίστηκαν τα ΜΑΤ #rbnews

@doleross: Mpanao fihetsiketsehana manohitra ny famoanoana ilay lehilahy 44 taona mitafy “hihaza olona” mpifindra monina ao amin'ny Arabe September III. Tonga eny an-toerana ireo mpitandro filaminana.

@doleross: MEGA τώρα: Ακροδεξιοί στην 3η Σεπετεμβρ. δέρνουν και κυνηγούν μέχρι μέσα στα σπίτια τους αλλοδαπούς. Η αστυνομία δεν επεμβαίνει. #rbnews

@doleross: mandeha amin'i MEGA TV izao: Tonga eny an'arabe September III ireo mahery fihetsika ka mamono sy mihaza ireo mpila ravinahitra, tonga hatrany an-trano mihitsy izy ireo manafika. Tsy nanao n'inona n'inona ireo mpitandro filaminana.

@doleross: Πληροφορίες αναφέρουν ότι ομάδες “τιμωρών” έχουν βγει κ σε άλλες περιοχές της Αθήνας κ άλλων δήμων, “αναζητώντας” αλλοδαπούς.#rbnews

@doleross: Misy mitatitra fa misy squads nandehandeha manerana an'i Athènes sy ireo faritra manodidina mba hikaroka ireo mpila ravinahitra.

Mamintina izany vaovao mampalahelo izany ny grika mila ravinahitra. Hoy ilay mpamokatra horonantsarimihetsika Yanni Koutsomytis:

@YanniKouts: Mirongatra tokoa ny herisetra mihatra amin'izay hafa volonkoditra eny afovoan-tanàna Athènes taorian'ilay famonoana an'ilay lehilahy grika 44 taona. Darohan'ireo mahery fihetsika tsy misy ankanavaka ireo mpila ravinahitra amin'izao fotoana izao.

Nanoratra tamin'ny teny frantsay ilay teorista grika momba ny fitaovan-tseratsera vaovao:

@smykos: Grèce, une société au bord de l'implosion: un homme assassiné sauvagement à Athènes => des extrémistes racistes pourchassent des immigrés.

@smykos: Gresy, fiarahamonina andalam-pamotehana: lehilahy iray novonoina tamin'ny fomba feno habibiana =>mandroaka ireo mpila ravinahitra ireo mahery fihetsika mpanavakavam-bolon-koditra.

Mitatitra ireo vavolombelona

"This is Greece". Twitpic photo by Nektarios Sylligardakis.

"Izao i Gresy". sary Twitpic an'i Nektarios Sylligardakis.

Ankavitsiana nefa dia nampanahy tokoa ireo tatitry ny nanatri-maso momba ny fanafihana natao tamin'ireo mpila ravinahitra teo anelanelan'ny amin'ny 7 ora hariva ka hatramin'ny 9 ora alina :

@nsyll: Κυνηγούν ποιον είναι λίγο μελαψός http://twitpic.com/4vypvc

@nsyll: Enjehin'izy ireo izay olona matroka fihodirana http://twitpic.com/4vypvc

@potmos: Σπάνε 1-2 καταστήματα “ξένων” τώρα Αχαρνών

@potmos: Vakin-dry zareo ny tsenana vahiny 1 na 2 amin'izao fotoana izao ao amin'ny Arabe Acharnon

@bezesteni: Καμμια 50ρια φασίστες και περίεργοι μεσήλικες Ηπείρου και Γ´ Σεπτεμβρίου. Αρκετοί νεαροί με μαυροκόκκινα στην Αχαρνών και τα γύρω στενά.

@bezesteni: Fasista manana taona efa matotra eo ho eo amin'ny 50 hita eo amin'i arabe Ipirou sy arabe September III. Ahitana andian-jatovo manao akanjo mena sy mainty eo amin'i arabe Acharnon sy ny sakeli-dalana manodidina.

@zairacat: damage control: μαθαίνω ότι υπάρχουν πολλοί μετανάστες χτυπημένοι στα εφημερεύοντα νοσοκομεία.

@zairacat: fifehezana ny voina: heno fa naiditra hopitaly ireo mpila ravinahitra voaratra.

Mbola nitohy hatrany ny fanenjehana izay tsy mitovy volon-koditra tany Athènes ny andro manaraka, teo ny famonoana ilay mpila ravinahitra iray izay toa tsikaritra fa misy ifandraisany amin'ny resa-bolo-koditra no namonoana azy [el], fandoroana attacks [el] narahana fanafihana fanindroany ireo olona tsy manaiky ilay fanafihana [el].

Ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter

Mizarazara be ihany ny hevitr'ireo grika tao amin'ny Twitter mikasika ilay famonoana sy ireo herisetra ara-bolonkoditra izay nanaraka ilay raharaha. Nifangaro tao ny hatezerana, fahatahorana ary ny fizakana anaty izay nitranga.

Nomelohin'ny maro koa ny tontolon'ny fanaovan-gazety noho ireo lahatsoratra izay toa miendrika fandrangitana ara-bolon-koditra.

@doleross: Λάδι στην φωτιά ρίχνουν ανεύθυνα δημοσιεύματα από “ενηνερωτικά” πορταλς με τίτλους όπως: «Φόβοι για νέα “Δεκεμβριανά”» #rbnews

@doleross: Misy ireo lahatsoratra tsy mihevitra ny vokany izay mandrehitra ny afo, indrindra moa miaraka amina lohateny toy ny hoe: ” Ahiana hiverina indray ny rotaka tamin'ny desambra”

@radicalalchemist: ΣΚΑΙ: “Απο τις κάμερες φαίνεται οτι είναι μαροκινής ή αλγερινής καταγωγής” Κάμερες που κάνουν και ταυτοποίηση στοιχείων φαντάζομαι έ?

@radicalalchemist: SKAI (fantsom-baovao TV): “Lahatsary CCTV maneho fa maraokana na alzerianina ireo mpanakorontana”. Mahafantatra olona ve ny Fakantsary izao ?

@Cyberela: Θα το ρίξουν στο μεταναστευτικό κύμα των λαών της Νότιας Αφρικής και της Μέσης Ανατολής.

@Cyberela: Dia ahilika amin'ny fitobahan'ny fifindra-monina avy any amin'ny Afovoany Atsinanana sy Afrika avaratra indray ve izany ny rihitra.

Nanao fanambarana mampalahelo tokoa ohatra i Constantinos Alexacos:

@constantnos: Εδώ και μήνες υπάρχουν blogs φερόμενων αστυνομικών και ακροδεξιών που λένε ότι θα κάνουνε πολιτοφυλακή. Ουδείς ίδρωσε…

@constantnos: Nampitandrina fa eo ampanaganana milisy ny bilogin'ireo lazaina fa mpitandro filaminana sy mahery fihetsika. Tsy nasian'olona sira izany….

Nisy nanamafy mihitsy aza ireo olona ao amin'i Twitter fa avy amin'ny olana izay misy eny an-drenivohitra no antony izao. Niova tokoa ny fari-piainan'ny isan-tokantrano sady nanampy trotraka koa moa ny fandrangitana ara-bolo-koditra ataon'ireo avy amin'ny antoko mahery fihetsika.

@Anastasialadiab: Πόσο ανόητοι όσοι πιστεύουν ότι για την εξαθλίωση του κέντρουτης Αθήνας φταίνε οι μετανάστες κ όχι αυτοί που έδιωξαν τους Μόνιμους Κατοικους

@Anastasialadiab: Tena adala tokoa ireo olona izay mihevitra fa ireo mpila ravinahitra no fositra mahatonga ny fahantrana ao Athènes, fa tsy hoe ireo izay manao izay ialan'ny olona efa mponina maharitra ao.

Ary manainga ireo manam-pahefana ny mba handray fepetra haingana amin'izao fihomboan'ny krizy ara-piaraha-monina atrehin'i Athènes izao:

@mao_tse_tung: η τραγικότητα του σημερινού εγκλήματος μπορεί να γίνει εξαιρετική αφορμή για ν αρχίσει η προσπάθεια να αλλάξει η κατάσταση. Δήμαρχε ξύπνα!

@mao_tse_tung: Mahita hevitra tohanana avy amin'ny fikasana hanova zavatra ny famonoan'olona amin'izao andro iainantsika izao. Mijoroa ry Ben'ny tanàna !

Ny sasany moa dia milaza fa efa mihamanjaka ny tsy fandriampahalemana:

@nsyll: όταν απαντάς στην βία με βία σίγουρα έχεις χάσεις κάθε δικαίωμα να ζητάς ανθρωπιά

@nsyll: Rehefa valianao amin'ny herisetra ny herisetra, dia efa nihendanja izay ny famonjena ny mahaolona ao anatinao.

Nivadika tao anatin'ny indray alina monja ny fironan-dresaka tao amin'i Twitter, fa nahavalalanina ny teny mahatsikaiky tsy misy tsiky nataon'ilay mpanao fifaninan-kira Eurovision Helena Chari:

@helena_chari: ελλαδα: ουτε euro, ουτε vision, μονο eurovision

@helena_chari: Grèce: tsy manana euro, tsy manana “vision” [vina], fa “Eurovision” fotsiny

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.