Espana: Lahatsarin'Ilay Horohorontany Tao Lorca

Lahatsarin'olon-tsotra no maneho ny taorian'ilay horohorontany nanana hery hatramin'ny  5.1 sy 4.5 namely ny tananan'i  Lorca any amin'ny faritra'i Murcia, Espana ny 11 May. Araka ny Filankevitry ny Tanàna, eo anelanelan'ny  20 000 sy 30 000 eo ny olona natory teny an-dalambe, raha mbola eo an-dalam-panamarinana ireo tranobe ny brigady voatokana ho amin'izany.


Terremoto Lorca avy amin'i Antonio Periago CC By-SA

Poti-bato eny an'arabe, ny fisian'ireo fiara mpamonjy voina, ny maratra sy ny fahasimban'ny trano, no hita ao anatin'ity  lahatsary natambatambatra ity. Tandremo: Misy sary mety hanohina:

http://youtu.be/mQFcwaHnEq0

Ao amin’ ity iray ity, dia an-tongotra manerana ireo arabe eo an-tanàna no nahazoana, tsy ny sary fotsiny ihany fa ny feo any ambadimbadika any koa:

Roberto Cesar, mpitoraka bilaogy manana olana amin'ny fandrenesana dia nampita hafatra fankaherezana ho an'ny namany mpiray dia aminy  Oscar, izay isan'ireo 8 tra-doza tamin'ilay horohorontany ny reniny:

Tao Bilbao Espana, Mayor Iñaki Azkuna dia nangataka  iray minitra fahanginana ho solon'ny fivorian'ny tanàna, ho fahatsiarovana ireo namoy ny ainy, ary ho fanohanana ireo mponina ao Lorca:

http://youtu.be/bm5t9noUW-I

Tao amin'ny Nosy  Canary, nanao toy izany koa ny governemanta.

LDTV nandefa sary avy eny ambony eny momba ilay loza voajanahary, noraketina avy eny ambony angidimby nisidina teo ambonin'ny tanànan'i  Lorca:

http://www.youtube.com/watch?v=YAdQSg2p9KA

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.