Slovakia: Mpanjifa Kilasy Faharoa

Nandritra ny taona faramparany nisian'ny Czechoslovakia sosialista, nisy ny tsy fahampiana teo amin'ny firenena. Tsy hoe hanoanana na tsy fitafiana no namely ny olona, mbola azo natao ihany ny nividy ny filàna fototra toy izany. Saingy raha mila zavatra hafa manokana ianao – ndeha hatao hoe pataloha jeans – dia mila mandeha aminà toeram-pivarotana manokana ary mividy amin'ny alalan'ny tapakila manokana izay tsy azon'ny olona rehetra vidiana raha tsy any amin'ny risoriso.

Afenin'ireo mpandraharaha ara-barotra any ambanin'ny latabany any ny voankazo samihafa sy ireo sombinkena tsara karazana mba ho an'ireo mpanjifa heveriny ho misy afitsoka kokoa, toy ny mpitsabo sy ireo mpanamboatra fiara manana fahaizana manokana. Ny ankabeazan'ny olon-drehetra dia tsy maintsy milahatra lavabe. Ny fividianana fiara vaovao na efitrano vaovao dia nilàna fiandrasana an-taona maro. Ireo zava-bita Tandrefana – ankoatry ny soda, angamba – dia tena tsy nahitàna firy.

Shopfront in Czechoslovakia, 1976. Image by Flickr user docman (CC BY-NC 2.0).

Ny manoloana ny fivarotana iray tao Czechoslovakia, 1976. Sary avy amin'ny mpampiasa Flickr, docman (CC BY-NC 2.0).

Fivoaran'ny Fifampivarotana

Niova ny toe-draharaha taorian'ny revolisionan'ny taona 1989, rehefa nisokatra ny sisintany ary nivadika ho foiben'ny fiantsenana ireo tanàna mpamboly manodidina tany andefan'i Aotrisy – ary mbola mitoetra ho toy izany mandraka androany, rehefa tazana maka toerana sy matanjaka eo amin'ny tsena Slovaky ihany koa ireo marika sy tsena iraisampirenana.

Mazàna, na izany aza, ny sakafo mitovy fiaviana izao kanefa dia manana kalitao sy vidy samihafa, miankina amin'ny hoe novokarina ho an'ny mpanjifa ao Eraopa Andrefana na ho an'ireo any Eraopa Afovoany sy Atsinanana.

Na dia mety hiandrandra vokatra avy amin'ny karazana iray hitovy kalitao manerantany aza ny mpanjifa, misy foana ny fahasamihafàna isam-paritra, araka ny fanadihadiana iray [sk, .ppt file] novatsian'ny Departemanta Slovaky ao amin'ny Kaomisiona Eraopeana ary notanterahan'ny Fikambanan'ny Mpanjifa Slovaky.

Tamin'ireo vokatra nanaovana fitsirihana nandritra io fanadihadiana io, ny kalitaon'ny sokola misy Ronono Milka Alpine no tsikaritra ho tsy miova: tsy dia misy fahasamihafàna mivaingana voatily  teo ami'ireo vokatra avy any Eraopa Andrefana sy ny avy any Polonina. Ireo mpanjifa avy any Alemana sy Aotrisy, na izany aza, dia nomena toky fa hahazo hatrany ny sokola vita avy amin'ny ronono avy any an-tendrombohitra Alpes. Ilay ombivavy volombatolalaka izay ahazoana ny ronono ho an'ny sokola ho an'dry zareo Eraopeana Tatsinana dia miraoka ahitra any an-tendrombohitr'i Tatra any, izay tsy ilaina ambara an-dry zareo akory.

Fahasamihafàna isam-paritra

Raha ny tranga Coca-Cola izao, ny fahasamihafàna dia eo amin'ny karazana siramamy ampiasaina, na ny mpanjifa Alemana na ny Tseky dia samy manana ny karazany ampiasàna ny siramamy avy amin'ny betiravy, raha ny firenena any atsinanana mampiasa ny azo avy amin'ny katsaka amin'ny zava-pisotron-dry zareo. Nanazava [sk] ny orinasa fa amin'io fomba io dia afaka manome vokatra mora vidy kokoa ho an'ny tsena Slovaky izy – ary rehefa mampitaha ny vidin'ny Coca-Cola ao anatin'ilay fandihadiana, dia ho hitanao fa marina izany.

Ilay mpitoraka bilaogy, Tibor Pospíšil, dia nanoratra [sk] fa ny siramamy avy amin'ny betiravy dia lafo any Eraopa noho ny fisian'ny “lobby amin'ny siramamy” sy, ho an'ny mpanjifa maro, tsy dia misy fahasamihafàna hita soritra loatra eo amin'ny kalitao. Ambonin'izany, amin'io fomba io dia mahazo ny kalitaon'ny Coca-Cola Amerikana ny mpanjifa Slovaky.

Misy fahasamihafàna be hita amin'ny kafe Nescafé Gold ho an'ny Eraopa Andrefana sy Atsinanana – noho ny fahasamihafàan'ny filàn'ireo mpanjifa eo an-toerana, araka ny filazan'ny mpamokatra azy [sk].

Saingy ny tena fahasamihafana goavana indrindra hita dia tamin'ireo fanomezana tsiro ny sakafo (epices) avy any Kotányi, orinasa iray any Aotrisy. Ireo mpanjifa any Eraopa dia mahazo fonosana mitovy habe saingy tsy mitovy fatra amin'ny taharo ao anatiny ary tena samihafa be ny lanjany amin'ny kilao. Na dia orinasa iray ihany aza no mamokatra ny zavatra rehetra, ny ratsy indrindra tamin'ireny dia hita tamin'ireo vokatra natokana halefa any Bolgary: manakaiky ny 10 isanjato amin'ny ao anatiny fonosana no vovoka fotsiny, ary raha ny dipoivatra mena no raisina, very betsaka mihitsy ny loko natoraliny. Ny mpitondra teny avy amin'ilay orinasa dia niteny hoe [sk] tranga tsy nampoizina no nisy, ary, mba hanohanany izay filazany izay, tsara ny hanamarihana fa ireo fonosana novokarina ho an'ny tsena Aotrisiana, toy izany koa ny ho an'ny Hongroa sy ny Slovaky, dia nanana olana tamin'ny resaka tahan'ny  hamandoana.

Ireto eto ambany ireto ireo ampahany avy aminà fifanakalozan-dresaka iray tamin'ny lahatsoratra mikasika ny vokatr'ilay fanadihadiana [sk], navoaka ny Aprily 2011 tao amin'ny faritra ho an'ny Toekarenan'ny gazety anaty aterineto  SME.sk.

freedomman:

Raha resaka sakafo fotsiny izy ity, saingy mitranga koa amin'ireo vokatra hafa izany, nefa mihevitra foana aho fa olan'ny mpanjifa indrindra indrindra, satria ry zareo tsy manafatra afa-tsy izay tadiavin'ny mpanjifa. Rehefa tsy miraika amin'izay ao anatiny ny mpanjifa, ny lanjany, ny fiaviana ary tsy mijery afa-tsy ny vidiny, dia araka izay koa no anomezan'ny mpamokatra fahafahampo azy. Fahasamihafàna goavana izany ho an'ireo mpanjifa salantsalany Aotrisian sy Slovaky. Mba firy amin'ireo Slovaky mpanjifa moa no mijery izay firenena niavian'ny vokatra ?[…]

Jumo (ho valinteny):

Izaho manao an'io [mijery ny firenena niaviany] ary manao toy izany koa ny sasany. Ary tsy heveriko ho manao zavatra toy izany mihitsy ny Aotrisiana mpanjifa miohatra amin'ireo Solvaky.

rini17:

Mikamenona  fa ireo hena nasalisaly tamin'ny afo dia tsy manana ny kalitao, saingy ny hany tokana mampiasa ny sain-dry zareo dia ny vidiny. Rehefa hoe tsy azo hanina mihitsy ilay izy vao mamaky ny lohan-dry zareo izay ao anatiny sy ny tsirony.

chico34:

Tsy olana ny hoe ambony be ny kalitaon-tsakafo any Alemana – lafo vidy izany eto.

hektor22 (ho valinteny):

Isa ofisialy: http://epp.eurostat.ec.europa.eu/cache/ITY_OFFPUB/KS-SF-10-030/EN/KS-SF-10-030-EN.PDF Azafady, jereo ny pejy 2 – fanoroam-bidin-tsakafo. Aleaman: 111, Slovakia: 80. Ny sakafo any Alemana dia manatombo 40 isanjato amin'ny halafosana.

koprolit:

Ary nindrindra indrindra fa ny Kotanyi nambara etoana… na dia izay marika ambany indrindra any Slovakia aza mbola manana kalitao tsara lavitra.

zed25:

Iarahan'ny rehetra mahafantatra,  efa voamarin'ny labaoratoara sahady rahateo. Avy amin'izay niainan'ny tena manokana, azoko hamafisina ny elanelana be misy eo amin'ny eo amin'ireo vokatra ara-tsimika – ohatra ny elanelana be eo amin'ny tatin-jaza vidiana any Aotrisy sy ny eto.

ivan the terrible:

Ary iza no tomponandraikitra amin'io, ry akama? Asehoy ahy izay meloka! Marina, ireo imperialista tandrefana no homena tsiny indray noho ny hagaigentsika ihany! Ny orinasa Imperialista ve no manome antsika vokatra karazany faharoa – sy fahatelo? Kanefa dia tiantsika ny mihinana an'ireny sy mividy azy!

Radike 777:

Ary izany no antony ividianako ny vokatra Solvaky… Indrisy anefa, olana iray matetika ny hahitàna vokatra Slovaky eny amin'ny toeram-pivarotana enta-madinika.

Grüß Gott:

Ho setrin'ireo tetik'adalan'ireo mpivarotsika dia misy alaolana tsotra iray ity. Tsy miantsena afa-tsy any Aotrisy aho. Mitovy ny vidiny, matetika aza amidy moramora kokoa, ary ny kalitao ambonimbony kokoa.

etrusk:

Tafaresaka tamin'ireo mpamokatra ronono aho […]. Tamin'ny vanim-potoana hoe ny Slovaky no tompon'ny fihariana, dia nitovy tamin'ny fomba fanao fony andron'ny kaomionista ny fomba fiasan-dry zareo. Midika izany fa ny fraomazy dia avela ho masaka amin'ny fotoanany eo ary toy izany koa ny yaourt. Vantany vao nirotsaka an-tsehatra ny mpandraharaha vahiny, nampiditra fomba fanao vaovao ry zareo. Anatin'ny ora vitsy dia masaka ny fraomazy amin'izao fotoana…

statocnesrdce:

Tsy misy azo ampitahaina amin'ny kalitao ampiasaiko e. ny kalitao mahazatra hatry ny fony vanim-potoana kaomionista. Ronono, hena, atody, voankazo sy krazan'anana samihafa – vidiako any amin'ireo toeram-pambolena eo an-toerana ihany izay tsy eo ambany fanarahamaso [n'ny manampahefana]. Mavo tsara ny tamenak'atody ary na ny zanako aza tsy tia ireo atody avy any am-pivarotana. Ary rehefa mivadika ny ronono, dia tsy misy afa-tsy ny misotro azy amin'ny maha-ronono mivadika azy…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.