Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano

Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal.

Toy izao no amaritan’ny vohikala Th!nk About It azy :

TH!NK ABOUT IT dia andianà fifaninanana mitoraka bilaogy karakarain'ny European Journalism Centre. Ireo fifaninanana ireo dia natao indrindra ho an'ireo mpanao gazety matihanina sy vao misandratra ary ireo mpamorona eo amin'ny sehatry ny media vaovao ary avy amin'ny lafiny rehetra. TH!NK dia miezaka mametraka sehatra iray eo anivon'ny aterineto handrakofana olana iray voafaritra anaty fotoana iray voafaritra, ka mametraka vondrom-piarahamonina mpitoraka bilaogy iraisam-pirenena anatin'izany dinganaa izany. Ny andiany voalohany tamin'ny TH!NK tamin'ny 2009 dia nifantoka tamin'ny fifidianana Parlemantera Eraopeana, narahan'ireo taty aoriany niresaka mikasika lohahevira midadasika manerantany toy ny fiovaovan'ny toetr'andro, ary ny fivoarana erantany.

Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy:

Ao amin'ny lahatsoratra “The Usual Question: Faucet or Bottled Water?” Fanontaniana Mahazatra.: Rano amin'ny mpaompy sa ny anaty tavoahangy?, ilay Breziliana mpitoraka bilaogy, Diego Lobo, dia miresaka momba ny tsenan'ny rano sy ny zavatra niainany manokana niaraka tamin'ny rano anaty tavoahangy.

Iris Gonzales, mpitoraka bilaogy avy any Philippines dia nanoratra hoe “Wait! My Water Bag Broke!” “Andraso! Vaky ny kitapon-dranoko!”,  lahatsoratra iray ifanakalozany resaka momba ny toeran'ny rano any amin'ny toerana fampiterahana.

Th!nk About it Blogging Competition

Larisa Rankovic avy any Serbia dia nampakatra ny “Dam on Danube and the end of Communism”, “Tohodranon'i Danube sy ny fiafaran'ny Kaomionisma”, lahatsoratra ara-tantara iray milaza ny tantaran'ny tohodrano iray izay nanjary nifantohan'ny mpanohitra nataony ho fantsy iray hanoherana ny mpitondra Hongroa.

Peter Vadocz, mpitoraka bilaogy sy mpamokatra horonantsary avy any  Hongrie dia nampakatra lahatsary fohy iray novokariny miresaka momba ilay lohahevitra, nantsoina hoe “Spiagga/ Beach”. Ilay mpanoratra dia namaritra azy io ho “rakibolana an-tsary natao ho an'ny ankizy 4-6 taona eny ambony tora–pasika.”

Fanamarihan'ny mpamoaka lahatsoratra: Andrea Arzaba dia nandray anjara tamin'ilay fifaninanana mitoraka bilaogy. Ao anatin'ny iray tamin'ireo lahatsoratra nosoratany mikasika ny rano ny hoe: “What if Water Could SPEAK!? Mba Ahoana Moa Raha Afaka Miteny Ny Rano”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.