Nosoloin'i Syria Sertifika Sandoka Ve Ny An'ny Facebook Momba Ny Fiarovana Ireo Mpampiasa Azy?

Ana Souri [Siriana aho, amin'ny teny Arabo] mpampiasa ny sehatra fitorahana bilaogy tumblr dia manamafy[ar] fa ny Ministeran'ny Fifandraisan-davitra Siriana dia nanolo ny sertifika mikasika ny fiarovana tao amin'ny Facebook tamina iray hafa sandoka izay manamora ny fahafahana mitsikilo ireo mpampiasa azy, mitahiry ny tenimiafina ampiasainy, ary mijery ny vontoaty azy ireo manokana.

Ilay lahatsoratra dia manamarika fa tokony hampandre ireo mpampiasa azy ny Facebook mikasika io sertifika tsy manjary io, saingy milaza fa  tokony ho afaka mamaritra fepetra manokana iray ny olona ho an'ny sertifika mampiahiahy satria mety tsy ho azon'izy ireny an-tsaina tsara izay tena zava-mitranga marina. Izany dia mifanandrify indrindra amin'ny fisian'ireo Siriana marobe nitatitra ny tsy fahafahan'izy ireo miditra intsony amin'ilay vohikala ary miahiahy ny fibahanana azy io indray.

Azavain'ny Ana Souri ny fomba atao hanamarinana ny maha-ara-dalàna ny sertifika sady mampifandrohy amin'ny kaompania mamoaka ny sertifika SSL tena izy an'ny  Facebook:

Tools-> Page Info
avy eo potsiro ny “security tab”
dia tsindrio avy eo ny  “view certificate”

المفروض تكون مأصدرة من من هالموقع:[tokony ho navoakan'ity vohikala ity]
http://www.digicert.com/welcome/who-uses-digicert.htm

Ny sary manaraka eto dia mampiseho ny fampitahàna ilay sertifika sandoka (havia) sy ny tena izy (havanana).

“]”]

Sandoka vs. sertifika SSL tena izy. Sary natolotr'i Ana Souri. [potsiro raha tiana ho lehibebe kokoa

Ireo mpampiasa tratr'izany dia tokony hitady ary hanàla ilay fepetra manokana amin'ny fanarahana ireto dingana ireto:

Tools -> Options -> Advanced -> Encryption -> View Certificates -> Servers

Rehefa ao, tokony ho hitan'izy ireo sy azony fafàna ireo fepetra manokana. Tsara ihany koa raha mampiasa ny fitaovana fiafenana sy fiarovana toy ny  TOR ireo mpampiasa mba hidirana ary manova ny tenimiafin-dry zareo.

Fampitandremana: Raha miely patrana amin'ny hafainganam-pandeha tsy takatry ny saina ity lahatsoratra ity eo anivon'ireo Siriana mpampiasa aterineto, izaho kosa mbola miezaka mikaroka foana ireo fanazavana ery ambony noho isika tsy mbola manana porofo mivaingana ankoatr'ilay lahatsoratra tao amin'ny tumblr. Raha manana vaovao tiana hozaraina ianao mikasika io lohahevitra io, azafady indrindra mba alefaso mivantana amiko amin'ny fampiasana ilay faritra natao ho an'ny fifandraisana, na mametraha fanamarihana eo amin'ny lahatsoratra ary dia hanavao kosa ny lahatsoratra aho hifanaraka amin'izay vaovao lehibe manan-danja.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.