Rosia: Miady Hevitra Momba ny Teknolojia sy ny Mangarahara ireo Mpitoraka Blaogin'ny Governemanta ao amin'ny Aterineto (Video)

Yekaterina Aksyonova [ru], mpamorona ny gov-gov.ru, iray amin'ireo blaogy mpanome vaovao lehibe indrindra momba ny governemanta amin'ny aterineto any Rosia, dia nihaona vao haingana tamin'ny Global Voices tao amin'ny BarCamp an'i Azia afovoany, ary namaly fanontaniana maromaro momba ny anjara asan'ny teknolojia sy ny fangaraharàna.

Aksyonova dia mpandraharaha ho an'ny governemanta ary mpamorona vohikala maro ho an'ny governemanta federaly. Milazalaza tahaka izao izy momba ny blaoginy sy ny fomba fijeriny ny fangaraharàn'ny governemanta:

В средневековом Нюрнберге существовал полезный обычай: все члены городского совета должны были идти на очередное заседание пешком, чтобы любой гражданин города мог лично подать прошение или выразить свое мнение о решениях магистрата. Кроме того, традиция была хорошим способом держать отцов города в тонусе.

На мой взгляд, государственные сайты должны стать своеобразным возвращением к правилам вольного города Нюрнберга. Вряд ли в скором времени депутаты и чиновники будут принимать обращения по дороге на работу, но с тех пор, как власть вышла в интернет, она снова оказалась на одной улице со своими гражданами. Хорошие государственные сайты упрощают многие задачи, мгновенно выдают нужную информацию и даже обеспечивают оформление разнообразных справок и бумажек. Плохие государственные сайты, во всяком случае, раскрывают безжалостную правду о своих ведомствах.

Nuremberg [tanàna Medieval any Baviera, Alemana] dia nanana fomban-drazana mahomby: ny mpikambana rehetra tao amin'ny filankevitry ny tanàna dia nandeha an-tongotra namonjy ny fivorian'ny filankevitra, amin'izay ny olona tsirairay dia afaka mandefa antso manokana ho azy ireo na maneho hevitra momba ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny tanàna. Ankoatr'izay dia fomba tsara mahasalàma ireo manampahefan'ny tanàna izany.

Raha amiko, tokony hiverina hijery ny lalàn'ny tanàna malalak'i Nuremberg ireo vohikalan'ny governemanta. Tsy eritreretiko ho voarain'ny solombavambahoaka sy ny manampahefana ny fanangonan-tsonia rehefa handeha hiasa izy, nefa satria ry zareo koa ao amin'ny aterineto dia mitovy “taranja” amin'ny olom-pireneny ihany izy izay . Manamora asa maro ny vohikala tsara ananan'ny governemanta, amin'ny fanomezany eo noho eo ny fanampim-panazavàna ilaina ary manamora ny fanaovana antontan-taratasy isan-karazany aza. Ny vohikala ratsy ananan'ny governemanta kosa, na toa inona na toa inona tranga, dia manabaribary ny marina mahamenatra momba ny  andrim-panjakana.

Rakotra kolikoly ny governemanta Rosiana. Araka ny Lisitry ny fahitàna ny kolikoly 2010, fitaovana fampitahàna andaharana ireo firenena araka ny fahitàna kolikoly any amin'ny asam-panjakana, any amin'ny laharana 154 amin'ny 178 no misy an'i Rosia, eo anelanelan'ny Papua New Guinea sy Tajikistan.

Naneho ezaka lehibe ireo Rosiana mpampiasa aterineto tamin'ny alalan'ny tetikasa lasitra maro momba ny fangaraharana amin'ny aterineto. Vao tsy ela izay ny Rospil.info, vohikala Rosiana miady amin'ny kolikoly, dia nahazo ny loka “Best of the Blogs” (BOBs – Blaogy tsara indrindra)  taona 2011 tao amin'ny sokajy “Fampiasana tsara indrindra ny Teknolojia hanatsarana ny fiaraha-monina”. Tamin'ny 22 Aprily 2011 dia natomboka koa ny Ny Herin'ny Fianakaviana, tetikasa iray hafa natokana ho an'ny fijerena tavan'olona sy ny kolikoly ao amin'ny governemanta Rosiana.

Ny hevitr'i Aksyonova dia hoe tsy ny olom-pirenena ihany no afaka manao mangarahara kokoa, fa afaka manao izany koa ny governemanta. Na vendram-belona izany finoana izany na tsia dia mendrika hohenoina ihany.

Ity manaraka ity dia tafatafa fohy niarahana tamin'i Yekaterina, amin'ny teny Rosiana ary misy dikanteny Anglisy [ho an'ny dikanteny, potsero ny “CC” eo ambanin'ny video dia safidio ny “Anglisy”].

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.