Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik (Aleksandr Strannik) monina any Mosko tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniera amin'ny fitsofana azy. Nanomboka tamin'izay, “nataon'ny [mpanadio ] ireo asa rehetra mety hampidi-doza,” hoy izy nanoratra [ru] ao amin'ny bilaoginy ny 19 Aprily2011. Eo amin'ny lahatsoratra mifanaraka amin'izany [ru], nosoratana ny 26 Aprily, dia nanazava mikasika ny naha-iray amin'ireo “mpanadio ny lozan'ny Chernobyl” ny tenany i Strannik:

[…] Nangataka ny ho any [amin'ilay Orinasa famokarana ny angovo nokleary any Chernobyl] aho, raha vao nahalala mikasika ny haben'ny loza. Inona no hataonao any, hoy ny lehibeko tamiko. Afaka manadio ny potipoti-javatra amin'ny fiarabe mpitrongy tany aho, efa nanao asa sahala amin'izany aho fony mbola mpianatra. Vitan'izy ireo tsy mila anao izany. Ary dia tamin'ny volana Aogositra, raha nihena ny isan'ireo narisika handeha amin'ny dia mifandray amin'ny asa [any Chernobyl], dia tsaroan-dry zareo ireo te ho any tany am-boalohany indrindra. […],

Toeram-piasana famokarana angovo nokleary any Chernobyl, Aogositra 1986. Sary nalaini Aleksandr Strannik (mpampiasa LJ av_strannik)

Mpaka sary mbola mpiofana i Strannik, 30 taona izy, ary ny roa tamin'ireo saripika  izay nalainy tany Chernobyl tamin'ny 1986 “aza dia nahazo loka  tamin'ny fampirantiana ” taty aoriana. Vao tsy ela akory, no-scanner-ny ny 17 tamin'ireo sary ireo – isan'izany ireo izay nalainy “ho azy manokana” (“izay lazain'izy ireo amin'izao hoe, ho an'ny [Odnoklassniki.ru, tambanjotra sosialy malaza any amin'ny Firaisana Sovietika teo aloha]”) – ary nizara azy ireo teo amin'ny bilaoginy – “ho an'ny fitsingerenan'ny faha [25] taona, raha izay no azo hilazana izany.”

Hamaliana ny mpamaky iray, dia nanoratra i Strannik fa nampiasa fakan-tsary Zorki 4 iray izy, ary koa “[Zenit]”efa antitra; nanoratra ihany koa izy fa nampanàsa “sary anjatony vitsivitsy” raha izy mbola tany Chernobyl (“mandra-pahalanin'ny taratasy “hanontana ny sary) – “ary nody niaraka tamina sary avokoa ny olonay rehetra tany).”

Ireto ambany ireto ny nangonin'i Strannik tamin'ny fotoana laniny tany Chernobyl 25 taona lasa izay, nadika avy amin'ny teny Rosiana; Raha te hijery ireo sary, dia jereo ny lahatsoratra niaingàna [ru].

Momba ireo mpamily kamiao mpanafangaro simenitra, izay mety ho hita eo amin'ny sary faharoa, tena eo akaikin'iny motera simba:

Ireo mpamily ireo no tena mahery fo – angamba noho ny tsy firaharahian-dry zareo, na noho ny tsy fahalalàny. Nokaramaina avo dimy heny amin'ny karama [mahazatra] azy izy ireo ary nampanantenaina [fiara Zhiguli ary tsy anaty lisitra fiandry] – nefa manahy aho hoe tena ho vitsy amin'izy ireo no [ho ela velona ] ka tena hahazo Zhigulis marina- teo amin'ny [2 roentgen isan'ora] no nitsangana ny mpaka sary, ary raha ny nisy ireo mpamily kosa, dia teo am-pototry ny [Sarcophagus], tsy haiko, ataoko hoe tsy latsaky ny [20 roentgen isan'ora], izany hoe, azo antoka kokoa ny miasa teo mandritra ny ora iray, efa tena mihoatra ny takatry ny saina raha ireo fepetra ireo. […] Efa mahazatra tamin'ny fotoan'ny Soviety – vidiana aminà Zhiguli iray ny ain'olona. […]

Eo amin'ny “fahalinana”:

[…] Te haka sary ilay motera avy eny ambony aho. Nandeha teny amin'ny toerana malalaka, tsy nisy mpitandro fiarovana, teny avokoa ireo angidimby, ary koa ny kalesy teny amin'ny sisin'ny kianja. Teo akaikin'ny kalesy no [nijoro] ny mpanamory ny angidimby. Iza ianao? mpaka sary, te haka sary ny motera avy eny ambony aho. Mandehana amin'itsy [angidimby] mavo itsy, manidina matetika eny amin'io zavatra io izy. Nanatona azy ireo aho, niangavy azy ireo ny hitondra ahy hiaraka amin'izy ireo. Ianao angaha efa very saina, izahay aza teren'izy ireo ho eny nefa ianao te ho eny amin-tsitrapo, tsaratsara kokoa izahay alaina sary, izahay tsy manana sary iray akory nanditra ity dianay ity. Naka sary azy ireo aho. Rahoviana no vita ny sary? Hataoko rahalina. Hay, tongava rahampitso, ho entinay mitsidika ambonin'ny motera ianao. Niverina teny aho [tsy ny ampitson'iny nefa] fa andro hafa taty aoriana, tsy afaka nanoatra aho. Lasa aiza ilay [angidimby] mavo? Hataonao inona? – hoy izy ireo kaodikaody nanontany ahy. Nitondra ny sarin'ireo lehilahy tao aho, nanome toky ahy izy ireo fa hitondra ahy hanidina ambonin'ny motera. Nianjera omaly ireo lehilahy ireo ( Ahoana? Niomana ny hidina an-tany izy ireo, nisy rivotra nitsoka, nianjera izy ireo teo amin'ny 50 metatra teo ho eo. Velona ve izy ireo? Eny! any amin'ny [hopitaly] izy ireo, norakofana lamba nihosotra firaka ilay [angidimby] [hiarovana ny fonony amin'ny taratra], nanasarotra ny fanamoriana azy izany, vitan-dry zareo mora ihany. Eny ary, nety, ary nanasa ahy izy ireo amin'ity sidina iray ity, fa tsy afaka nandeha aho, mbola nisy raharaha nefaiko.Tsara vintana ianao. Ireto sary ireto mba omeo ireo lehilahy ireo azafady. Efa tsy vonona ny hisidina intsony aho. […]

Ho an'ny fitsingerenan'ny faha 25 taonan'ny nisehoan'ny loza tany Chernobyl, dia nahazo fanomezana avy amin'ny fikambanam-paritra “Soyuz Chernobyl” i Strannik, miaraka amin'ireo “mpanadio” nonina tany Maosko (nalaina sary eo amin'ny sary roa miloko farany eo amin'ny lahatsoratra tamin'ny 19 Aprily): tranona fitoeran-dranomafana, tavoahangina vodka (“fanafody hiadiana amin'ny taratra ” no soratra eo aminy, ankoatry ny zavatra maro hafa teo) ary koa vavaka Kristiana Ortodoksa Rosiana natao anaty faritra efajoro.

Niteraka tsikera efatra pejy ny tantara an-tsarin'i Strannik, narahin'ireo mpamaky maneho ny fankasitrahana ny mpanoratra sy ireo “mpanadio” tany Chernobyl. Iray amin'ireo nankasitraka an'i Strannik ilay mpampiasa LJ, oksana_slk, noho ny “fitahirizany ny tantaran'ny loza.” Hoy izy namaly:

Amin'ny maha vavolombelona ahy, izao ihany no azoko lazaina hoe afaka niainana iny loza iny taminà nahafoizana olona sy fitaovana mbola vitsivitsy kokoa – raha toa ka nety ny fitantànana tao (

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.