Tontolo Arabo: Misy ny misaona an'i Osama bin Laden

A tweet in Arabic saying that a million Bin Ladens will now rise

Siokantsera teny Arabo milaza fa Bin Laden an-tapitrisany no hitsangana

Maro ny mpisera Twitter manerana ny tontolo arabo no manome voninahitra sy fahatsiarovana noho ny fahafatesan'ilay Saodiana lehiben'ny Al Qaeda. Indreto misy siokantsera avy any Bahrain sy Koety, milaza fa mety hoe maty i Bin Laden saingy mbola velona kosa ny fotokeviny.

Ny fanehoan-kevitry ny olona raisiko eto dia tsy mahasolo tena ny tontolo Arabo manontolo, izay nahitana fijery tena midadasika ka misy hatramin'ny fahafalina ka hatramin'ny tsy finoana.

Koesiana Mubarak Al Bathaali no misiokantsera:

ان كان توفاه الله ففي أمة محمد ألف أسامه وان دين الاسلام لا يتوقف لأجل رجل إنما هذه الامة يتوارثها الابطال على مر السنين منذ عهد رسول الله
Raha maty ity, dia hanana Osama arivo ny (Mpaminany) Muhammad-n'ny  Ummah (Fiarahamonina Islamika). Tsy hitsahatra amin'olona iray tsy akory ny fivavahana Islamika. Izany no ummah izay nolovaina tamin'ny maherifo isan-taranaka hatramin'ny andron'ny mpaminany.

Mbola any Koety ihany, nanampy ny Dr Sajed Al Abadli :

أسامه بن لادن ليس شخصا.. أسامه بن لادن فكرة.. مات الشخص.. هل ماتت الفكرة؟
Tsy olona iray i Osama bin Laden. Fotokevitra iray i Osama bin Laden. Maty ny olona iray… maty koa ve ny fotokevitra?

Ary mbola  nanampy i Nabil Al Awadhy:

قد نختلف مع بعض أفكار ابن لادن لكن أسأل الله أن يغفر له ويرحمه ويتقبله في الشهداء أما الجهاد الشرعي فهو ماض إلى يوم الدين
Misy hevitra tsy itovizana amin'i Bin Laden saingy mangataka amin'i Allah aho hamindra fo amin'ny fanahiny sy handray azy ho toy ny maritiora. Koa tahaka ny Jihad (ara-drariny) dia mbola hitohy io mandra-pahatongan'ny Andro Fitsarana.

Mifindra ho any Bahrain, nanamarika i Fatima Buhassan:

ربما سقط بن لادن لكنه رفع الملايين ممن زرع فيهم روح الجهاد ليصبح هناك مليون بن لادن في هذا العالم ليسقط أمثال أوباما
Mety hoe maty i Bin Laden saingy efa nahatsangana an-tapitrisany izy, izay efa notolorany ny fanahin'ny Jihad (Ady Masina Islamika) izay namoronany Bin Laden an-tapitrisany eto amin'izao tontolo izao, izay afa-mandaboka ny fanirian'i Obama

Nanampy ny namana Bahrainita Mubarak Mattar:

مع اختلافنا مع القاعدة إلاأننا نفخربموت رجل مسلم استطاع أن يهز العالم في وقت لم تستطع كل الجيوش العربية ذلك #OBL
Amin'ny tsy fitovianay hevitra amin'i Al Qaeda, dia mirehareha izahay amin'ny fahafatesan'ny Miozolomana iray izay nahavita nanozongozona ny tontolo tao anatina vanim-potoana tsy nahavita izany ny tafika Arabo rehetra mitambatra

ary notohizany:

رحمة الله عليك يا اسامة .. لن افرح لمقتلك .. أنت الوحيد الذي قلت لا في زمن قالت العرب نعم ! #Osama #Binladen
Hamindra fo aminao anie i Allah ry Osama. Tsy faly aho tamin'ny fahafatesanao . Ianao irery no niteny hoe “Tsia” ao anatin'ny vanim-potoana ny Arabo niteny hoe “Eny.”

Mbola any Bahrain ihany, nanamarika ny Dr Adel Abdulla:

ابن لادن ليس شخصا بل ظاهرة، وقتله سيفرخ منه آلافا، وأمريكا تستقطب عداوة البشرية بامتياز، وموت الشخص لا يميت الفكرة والأيديولوجيا
Tsy olombelona i Bin Laden fa zava-nitranga lehibe. Mety ho nahafaly olona anarivony ny fahafatesany ary nisintona ny fankahalan'ny tontolon'olombelona tamin'ny fomba tsara indrindra i Etazonia. Tsy mahafaty ny hevitra na ny fotokevitra ny fahafatesan'olona iray
Screen shot of the We are all Osama bin Laden

Pikan-efijery ao amin-ny takelaka Facebook We are all Osama bin Laden page on Facebook

Mandritra izany fotoana izany ao amin'ny Facebook, takelaka fanohanana tahaka ny hoe We are all Osama bin Laden maro no nipongatra.

Aza miala hanarahanao ny fihetseham-po hafa any Afovoany Atsinanana sy Afrika Avaratra momba ity tantara ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.