Iran: Naneho hevitra tamin'ny fahafatesan'i Bin Laden ny bilaogera

Bilaogera Iraniana maromaro no naneho ny heviny tamin'ny fahafatesan'i Osama Bin Laden. Ny sasany miaraka amin'ny fanamarihana matotra, ny vitsy miaraka amin'ny fanontaniana ary ny hafa miaraka amin'ny fanesoana.

Bilaogera Iraniana Hesab nanontany fa nahoana no notifirina teo amin'ny lohany izy?

Mohmmad Moini nanoratra fa manamarika fotokevitra i Bin Laden, ary ny fahafatesan'i Osama, dia tsy midika fa levona koa ny fotokeviny. Fotokevitra izay tsy mitovy ny an'ny olombelona, fa mampiasa ny finoana ho fitaovana. Amin'i Bin Laden ihany, ny fijeriny manokana [ny dikany] ny hoe finoana dia ara-dalàna aminy, saingy tokony nisalasala tamin'ny heviny izy mialoha ny namonoana azy .

Several bloggers such as Azarkhan published Osama's photo (above) with his family in Sweden in 1971.

Bilaogera maromaro tahaka an'i Azarkhan navoakan'i Osama

Ladan streetMpisera Balatarin, tambazotra Iraniana malaza amin'ny fizarana lahatsoratra, no namoaka sary ary nilaza azy ho tahaka ny vazivazy, “Ankehitriny, hanome anarana ny lalàna Ladan ho an'ny martiora Bin Ladan ny tanan-dehibé ao Tehran.”

Floret, mpampiasa Balatarin hafa, nanoratra fa fotoana izao ho an'ny vahoaka Iraniana hankalazana ny fahafatesan'i Osama eny an-dalambé ao Iran.

Uniirani nanoratra fa amin'izao fahafatesan'i bin Laden izao, nihena ny isan'ireo olona ratsy saina eto amin'izao tontolo izao. Antsoiny ho ‘tena mpampihorohoro tanteraka izy’.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.