Gabon : Fiverenan'ny Fandraharahana Eo amin'ny Sehatry ny Solika sy ny Fampiasam-bola Indray

Ny Alatsinainy 8 Aprily, niverina niasa ireo mpiasa eo amin'ny sehatry ny solika taorian'ny filazàn'ny mpitondra tenin'ny ONEP (Organisation Nationale des employés du Pétrole) Arnauld Engandji tao amin'ny  l’AFP fa hoe “nivaly ireo fitakiana. Tsy mitady ny hisian'ny korontana izahay». Aoka ho tsaroantsika fa ny ONEP izay misy mpikambana eo amin'ny 4000 ka hatramin'ny 5000 eo,  dia nanao fitokonana mba hisian'ny fepetra vaovao momba ny asan'ireo mpila ravinahitra eo amin'io sehatra io, izay «ampangain-dry zareo ho maka ny toerana tokony ho an'ireo Gabone ». Ny fitokonana dia niteraka fatiantoka 131 tapitrisa dollars (en) ho an'ireo orinasa amerikana mpitrandraka solika sy ny governemanta.

Fotoana fohy taorian'ny fanambarana ny fiverenana amion'ny asa(en), ny Total Gabon dia nilaza fa « hamoaka vola 20 lavitrisa CFA hamatsiana ny asa fanavoazana ny fitodiam-piaramanidina ao Port-Gentil, amin'ny alalan'ny Tahiry ho an'ny Fampiasam-bola samihafa (PID), araka ny votoatin'ny fifanarahana nosoniavina vao haingana teo amin'ilay orinasa mpitrandraka solika sy ny governemanta gabone. »

Benoit Thelliez ao amin'ny bilaogy afrique-espoir dia manazava ny antsipirihan'ilay drafi-panavaozana:

Amin'ny voalohany dia ny fampitomboana ny halavan'ny faritra fipetrahan'ny fiaramanidina mba hahafahany mandray fiaramanidina goavana toy ny Boeing 777, avy eo dia famerenana manangana tanteraka ny toeram-pandraisana rehefa hoesorina manontolo izay misy ankehitriny. Ny ampahany voalohany dia tsy dia haharitra ela loatra raha ny fanazavan'i Jean-Philippe Magnan, tale jeneralin'ny Total Gabon, izay mihevitra ny hahita « ny sidina ara-toekarena voalohany  alohan'ny faran'nt taona 2011 ». Ary amin'ny farany, ny fitodiam-piaramanidina vaovao izay hanana toerana manokana natao handraisana filoham-pirenena koa dia tokony hatolotra amin'ny taona 2012.

Thelliez manampy:

Efa nisy tao Gabon hatramin'ny taona 1974 ny PID , ary ny French International Bank of Africa no voalohany nitantana azy. Vola azo avy amin'ny tamberim-bidy tamin'ny harena ankibon'ny tany io vola io, « arakaraka ny tombom-barotra azon-dry zareo [orinasa mpitrandraka solika] ary tsy andoavana hetra. Ny masom-bola amin'io tahiry io dia faritana isan-taona mifandraika amin'ny fifanarahana ataon'ny manampahefana sy ny orinasa mpitrandraka solika, arakaraky ny fampiasana vola notapahana hatao. Ara-keviny dia mety ho tafakatra ambonin'ny 10 % amin'ny tombom-barotra marina tena azon'ilay orinasa. “
Vola fanao an-jorony izany ho an'ireo orinasa « mba hamatsiana fampiasam-bola ho an'ny resaka manana endrika teo-karena, sosialy na fanabeazana izay mety hangatahan'ny governemanta amin-dry zareo. »

Tonga amin'ny fotoana iray izy ity, anatin'ny vanim-potoana iray izay tsy mampitovy intsony ny famokarana solika amin'ny teo aloha, ary tsy maintsy manao izay ho fanaingana indray ny fampiasam-bola any amin'ny sehatra hafa momba ny toe-karena ny fanjakana.
Stéphane Ballong manazava:

Tsy maintsy lazaina fa mitoko-zihitra ny famokarna solika ao Gabon tato anatin'ny taona maro. Avy any amin'ny 371000 barika isan'andro (b/j) tamin'ny 1997, nihena niandalana izany ka lasa 243000 b/j tamin'ny 2007. Hatreo, mihodina eo amin'ny 250 000 b/j izany, araka ny antontan'isa ofisialy. Raha tsy misy angamba fahitana vaovao goavana indray afaka hanosika ilay sehatra, ny teny baiko ho an'ny sehatry ny famokarana solika gabone amin'izao fotoana dia mijanona ho ny fanomezan-kasina ny sehatra natao an-jorom-bala sy ny fampiasana ny teknolojia vaovao mba hampakarana ny vokatr'ireo efa lala-masaka.

Io vola azo amin'ny solika io dia matetika no nahazoan'ireo fmpielezan-kevitra ho amin'ny fifidiana tany ivelany tombony fa tsy ny teo Gabon. Ny ampamoaka avy amin'ny  Wikileaks araka izany dia  manamafy ny fisian'ny kolikoly lalim-paka ao anatin'ny rafitra ra-bola gabone.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.