Syria: Mitohy ny Revolisiona / Fanovàna (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Zoman'ny Hatezerana androany ao Siria, olona an'aliny no nirotsaka an-dalambe tany amin'ny tanàna maro samihafa mangataka ny hialàn'ny fitondran'i  Al Assad, ary maneho firaisankina amin'i  Daraa, izay miatrika famoretana tsy misy antra noho ny maha fon'ny fanoheran'ireo Siriana azy.

Daraa, tanàna iray any atsimo andrefan'i Siria, ary akaikin'ny sisintany Jordaniana, dia nizaka ny tsy eran'ny ainy tamin'ny famoretana nataon'ny tafika mpampandry tany , niaraka tamin'ny fanapahana ny herinaratra, rano sy ny fifandraisan-davitra, mbola mitohy izany.

Androany i Damaskaosy renivohitra dia nirotsaka nanatevin-daharana ny hetsi-panoherana koa. Feno lahatsary maneho ireo an'aliny manao hetsi-panoherana ny  aterineto. Ity lahatsary ity, avy amin'i mohamed82k, dia mampiseho ireo Siriana manao fanoherana eo ivelan'ny maoske  Zaid sy Al Hassan:

http://www.youtube.com/watch?v=rE-jW8dhgsE

Mpampiasa iray hafa ao amin'ny YouTube, fnnsyria, no nampakatra ity lahatsary ity, lazainy fa mampiseho ireo hetsiky ny vahoaka avy any an-tanànan'i Tal:

http://www.youtube.com/watch?v=xHh4glYqdAM

Nipoaka koa ny hetsi-panoherana tany amin'ny faritra atsimo Siriana  Jassem, akaikin'i Daraa. fnnsyria nizara lahatsary iray eto, mampiseho vahoaka miventy ny hoe: “Maniry ny fialàn'ny fitondrana ny vahoaka.”

http://www.youtube.com/watch?v=xgoWL5quLdw

Ao Baniyas, tanàna iray any avaratra andrefan'i Syria, nidina rodobe an-dalambe ihany koa ireo mpanao hetsi-panoherana. miliananet mizara ity lahatsary ity momba ireo hetsika any an-toerana:

http://www.youtube.com/watch?v=XBy2VzhyPHQ

Rojdar2 nampakatra ity lahatsary ity momba ny hetsika ao Dayr az-Zawr, 450km mianavaratra miala an'i Damaskaosy, ahitàna ireo mpanao hetsi-panoherana miventy ny “Syria! Fahalalahana!”

Ary any akaikin'i Jordana, nifamory ihany koa ny vahoaka haneho fanohanana sy firaisankina ho an'ireo vahoaka tratry ny fahirano ao  Daraa. miliananet mizara ity lahatsary ity hanehoana ampahany amin'ilay hetsika:

http://www.youtube.com/watch?v=Hk5tGfL5aJs

Ho an'ny vaovao bebe kokoa momba ny revolisiona Siriana, miangavy anao hanaraka ny tenifototra  #Daraa na #Syria ao amin'ny Twitter.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.