Kolombia, Faratampon'ny Fampitandremana Taorian'ny Oram-baventy

Oram-baventy tao Kolombia vokatr'ilay antsoina hoe “phenomene ‘la niña’ ” — izay nanomboka tany amin'ny  2010 [es] nefa mbola nitohy hatraty amin'ny  fiandohan'ny volana Martsa 2011 — mahatonga ny firenena ho anatin'ny mena faratampon'ny fampitandremana. Mponina aminà departemanta 28 no voadona mafy tokoa: tondradrano, tany mihotsaka ary fiakarana tampoky ny renirano sy ireo riandrano kely izay namela tra-boina maherin'ny telo tapitrisa sy sasany .

Fomba fijery sy tatitra maro mikasika io olana io no miparitaka be [es] ao amin'ny aterineto. Ny bilaogy Noticias del Clima (Weather News) dia miresaka ny fampitandremana mena ho fisorohana [es], izay nanery ny Sampana Mpiahy ny Loza mitatao ao amin'ny Ministeran'ny Atitany sy ny Fitsarana hilaza ny fampitandremana mena tamin'ity tapany faharoa amin'ny vanim-potoan'ny ririnina ity.

Avy any Cali, ao amin'ny bilaoginy Los vainazos de Juankmu, Juankmu mitaraina ny amin'ny toe-javatra sarotra iainana [es] efa nitoetra hatramin'ny 2010.

Coeomo siempre, la gente de este país sigue creyendo que el problema de los damnificados se resuelve solamente mandándoles comida y agua. P**O PAÍS DEL INFIERNO!. Es increíble que haya gente que desde diciembre vive en carpas y arrinconados en polideportivos y escuelas, y hoy estén pasando por lo mismo. ¿Qué diablos hicieron los gobernantes en todo este tiempo?

Toy ny mahazatra, ny vahoaka eto amin'ity firenena ity dia mitohy foana mino fa voavahan'ny fandefasana sakafo sy rano fotsiny ny olan'ireo tra-boina. FIRENENA KI***NY MIHITSY!. Tsy mampino hoe hatramin'ny Desambra ny olona dia ao anaty tranolay foana no monina ary mihitsoka any amin'ireny teram-panaovana fanatanjahantena sy sekoly ireny, ary androany ry zareo dia mbola miaina izany zavatra izany. Fa inona fotsiny no nataon'ireo manampahefana nandritra izay fotoana izay e?

Avy any Ibagué, Carlos Arturo Gamboa, ao amin'ny bilaoginy Tutor Virtual [es], dia manontany ilay filoha Kolombiana teo aloha Álvaro Uribe sy mampiditra azy anatin'ity vanim-potoana saropady ity:

¿Para qué le sirve, al desmantelado general Uribe Vélez, haber invertido la mayor parte del presupuesto nacional en un programa de seguridad democrática durante diez años,  hoy cuando el país naufraga en la desidia? Hubiese sido mejor construir un Plan Nacional de Desarrollo pensando en las prioridades de la gran población expuesta a estas catástrofes, no porque ellos lo deseen, si no que por falta de vivienda se ven abocados a construir sus ranchos en los desfiladeros, en las orillas de las quebradas o a la sombra de montañas inestables.

Dia inona izao no mba tombony tamin'ny nanilihana ny Jeneraly Uribe Vélez, nanao fampiasam-bola betsaka tamin'ny tetibolam-pirenena tamin'ny fandaharanasa filaminana demaokratika mandritra ny folo taona raha toa ny firenena ka latsaka anaty fahangolena ankehitriny ? Tsaratsara kokoa raha nanorina Tetika ho Fampandrosoana ny Firenena iheverana izay laharam-pahamehana ho an'ny sarambabem-bahoaka idonan'ireny hetraketraky ny voary ireny, tsy fidiny azy ireny, fa noho ny tsy fisian'ny trano fonenana dia voatery ry zareo nanangana ny trano tsizarizariny teny an-tehezam-bohitra teny, teny amoron-drano teny, na teny ambany aloky ny tendrombohitra tsy azo antoka teny.

Ao amin'ny Facebook, ireo mpampiasa dia namorona [es] kaonty [es] misandrahaka misy olona samihafa mandray anjara aminà fanentanana ho fanehoam-piraisankina. Saingy ilay fanentanana koa dia manana ny vohikala ofisialiny manokana antsoina hoe  Colombia Humanitaria [es] (Humanitarian Colombia), izay miara-miasa amin'ny Fiadidiana ny Repoblika ao Kolombia, sady manana koa ny kaonty manokany ao amin'ny Twitter  [es]. Nanani-bohitra tao amin'ity vohikala ity daholo ireo lahatsoratra misy fanehoankevitra samihafa, isan'izany ny ahiahin'i Alejandro Ayure (@Alejoayure) ho setrin'ny bitsika iray nalefan'i Dinero magazine (@RevistaDinero):

Ojalá! Hoy estuvimos en Utica, y no a ido ningún representante de Colombia Humanitaria!!… ¿Dónde están? ¡Que aparezcan!

Enga anie! Ho any Utica izahay androany, tsy misy solontenan'ny  Colombia Humanitaria hita aloha hatreto!!… Fa aiza ry lerony? Mila mankany ry zalahy!

Luis Armando Herrera (@luisarmandohb) nametra-panontaniana [es]  ny amin'ny fomba hitantanana ny volan'ny Colombia Humanitaria:

En términos castizos, se están robando los recursos de Colombia Humanitaria

Raha lazaina mazava, mangalatra ny fananan'ny Colombia Humanitaria ry zareo

Ireo traboina noho ny tondradrano eo amin'ny fonenana vonjimaika iray ao Kolombia, Sabaneta, Antioquia. Sary: Lully

Mpampiasa iray ao amin'ny Twitter no maneho ny ahiahiny mikasika ny fahasahiranana lalina any amin'ny faritra samihafa. Carlos Rodríguez Arana (@CarlyRodriguezA) miteny hoe [es]:

Muy preocupado con la ola invernal!!! El Rio magdalena en Magangué esta subiendo 10 cm diarios. Colombia necesita de todos!!! Yo ♥ Colombia

Sahiran-tsaina amin'ny fahatongavan'ny onjan'ny hatsiaka mamanàla! Ny Renirano Magdalena ao Magangué dia miakatra 10 sm isanandro. Mila ny tsirairay i Kolombia!!! Tiako  ♥ Kolombia

Javier Contreras (@jcontrerasa) manoritsoritra ny zava-misy ao anatin'ity ampahany ity [es]:

Viendo las imágenes de la situación en el país, lo que está viviendo Colombia no es una ola invernal sino una ola infernal…

Rehefa mijjerena ireo sary maneho ny zava-misy iainana eto amin'ny firenena, ny zavatra sedrain'i Kolombia dia tsy ny onjan'ny hatsiaka mamanala fa onja avy any amin'ny Helo…

Darwin José Cuesta (@pecesito_03) miantso fanampiana ao amin'ny bitsika alefany [es]:

Critica la situación por ola invernal en Colombia, y las ayudas nada que llegan en la mayoría de zonas afectadas del país.

Ny teo-javatra ateraky ny onjan'ny hatsiaka mamanala eto Kolombia dia tena saropady tokoa, ary tsy tonga akory any amin'ireo faritra eto amin'ny firenena tena mila azy ny fanampiana

Farany, José Antonio Daza (@joseplazagarcia) mampitandrina [es]:

Las Inundaciones y derrumbes por El Invierno en Colombia eran Tragedias Anunciadas…Y para Variar no se hizo nada para prevenirlas…

Ny tondradrano sy ny tany mihotsaka noho ny ririnina ao Kolombia dia ambara ho loza voajanahary … ary toy ny efa mahazatra dia tsy nisy zavatra natao mba hiatrehana mialoha azy ireny…
(Photo taken in a neighborhood of the upper area of ​​the district north-east of Medellín, Antioquia. A house is endangered by a landslide. Image: Lully)

Sary nalaina tany akaikin'ny faritra ambony any amin'ny tapany avaratra-atsinanan'ny distrikan'i Medellín, Antioquia. Trano iray tandindonin-doza noho ny fihotsahan'ny tany. Sary: Lully

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.