Tontolo Arabo: Tazon'ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka No Rivotra Iainana

Royal wedding flag souvenir for sale in a London shop

Saina fahatsiarovana ny Fampakarambadin'ny Mpanjaka, amidy ao aminà trano fivarotana iray ao Londona, avy amin'i John Harper © Copyright Demotix (25/04/11)

Tonga hatrany Afovoany Atsinanana ny dobok'ampongan'ireo mpampita vaovao manodidina ny fampakarambadin'ny mpanjaka ho an'ny Printsy William sy Catherine Middleton rahampitso (29 Aprily), somary naka aina kely amin'ny fandrakofana ny fitroarana mitranga any amin'ny tontolo arabo ireo mpibitsika mba hanamarika ity lanonana sy fandraisana vahiny izay harahana avy ao amin'ny Lapan'ny Buckingham ity.

Avy any amin'ny Emira Arabo Mitambatra, tratry ny gripa maherin'ilay Fampakarambadin'ny mpanjaka koa i Eman R H. Hoy izy manoratra:

tazon'ny #RoyalWedding. Raha mba tany Londona mantsy aho amin'izao fotoana izao an

Kym Brotherton manambara hoe:

Midona hatrany Dubai ny tazon'ny #RoyalWedding !

Ary, avy any akaikin'i Abu Dhabi, Emira Arabo Mitambatra, Shaima Bent Saleh dia manampy hoe:

Mahatsikaiky mihitsy ny mahita ny fandraharahana aty amin'ny Emira Arabo Mitambatra nahita làlana amin'ny hampidiram-bola avy amin'ny #RoyalWedding amin'ny alalan'ny fanaovana tolotra hotely / sakafo “royal”. Laza izao e!!

Mbola avy ao Abu Dhabi, manamafy i Baderya Khalifa :

Ary dia mientanentana fatratra noho ny Fampakarambadin'i William hatramin'ny reniko. #Royalwedding .. 😀

Taorian'ny nahitàna ireo fanehoankevitra momba ilay fampakarambady, ilay Ejiptiana Wael Ghonim dia nila nampahatsiahy fa raha ny marina dia efa aty amin'ny 2011 isika izao fa tsy tamin'ny andron'ny Ntaolo intsony. Hoy izy mibitsika:

Mba misy olona afaka manamafy amiko ve hoe efa tsy amin'ny vanim-potoana Ntaolo intsony isika izao? #royalwedding

Any Ejipta koa, manao eson-teny i Mahmoud Reda Shahin (Ar):

لاول مرة اتاكد ان حتى فى الدول المتقدمة … الحكومات عايزة تلهى الشعب على طول #Royalwedding #tafaha
Voalohany indrindra teo amin'ny fiainako aho no mba resy lahatra, fa na dia any amin'ireo tany efa mandroso aza … mbola maniry ny hitazona ny olona anaty fandrebirebena ihany ny governemanta

raha i Omar Biltaji, avy any Jordan kosa, manampy hoe:

Miresaka momba an'i Z ny tsirairay #RoyalWedding ….. Fa misy inona ry Mpandefa Bitsika isany? Inona no tombony ho an(tsika) isam-batanolona avy amin'io fampakarambady io?

Lebanese Mustafa koa, mitoraka bilaogy ao amin'ny Beirut Spring, dia  tsy niraika tamin'izany:

sahala amin'ny fandraisako ny lalao cricket no andraisako ny Fampakarambadin'ny mpanjaka

Iverenana i Ejipta, ny bitsika nalefan'i Mohamed El Gohary no nampiato ahy tamin'ny dingana nataoko. Hoy ny vakiny:

Tahon-kifafa ve? RT @mand0z: HAHAHAHAHA: Garden Party amin'ny endrika Fampakarambadin'ny mpanjaka ao amin'ny BCA Maadi. Fitafy takiana: Satroka sy Fonon-tànana! http://bit.ly/ioSQ1N

Manaraka ny dindo, mivoaka izao fa ny Fikambanan'ny Vondrom-piarahamonina Britanika ao Caire dia mikarakara marina garden party amin'ny endrika fampakarambadin'ny mpanjaka koa rahampitso (29 Aprily).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.