Roandà: Mametraha Fanontaniana Amin'ny Filoha Roande Ao Amin'ny YouTube

Ny 5 May 2011, ny Filoha Roande Paul Kagame no mpitarika Afrikana voalohany indrindra hohadihadihana ao amin'ny YouTube World View. Ny World View dia andianà fanadihadiana isam-bolana iarahana amin'ireo mpitarika manana toerana lehibe indrindra eran-tany, izay hametrahanao ireo fanontaniana. Ireo fanontaniana be mpifidy indrindra no hapetraka mandritra ireo fanadihadiana.

Miteny ny bilaogy ofisialin'ny Youtube:

Nivezivezy tany Amerika Avaratra, Eoropa ary ny Afovoany Atsinanana mba hanomezana anao ny fahafahana hanadihady ireo mpitarika mahery indrindra eran-tany ny YouTube World View. Androany, hanolotra ny World View voalohany iarahana amin'ny mpitarika Afrikana izahay, Paul Kagame, Filohan'i Roandà .

Araka ny nambaran”i Ory Okolloh ny Mpiandraikitra ny Politika Afrika sy  ny fifandraisana amin'ny governemanta, ary ny Mpiandraikitra ny YouTube Vaovao sy Politika, Ramya Raghavan, hiresadresaka anatinà fanadihadiana manokana miaraka amin'i Khaya Dlanga, mpiara-miasa amin'ny YouTube sy iray amin'ireo mpitoraka bilaogy sangany any Afrika Atsimo, i Kagame. Mandritra ny fanadihadiana, hamaly sasantsasany amin'ireo fanontaniana malaza indrindra napetrakareo ny Filoha Kagame.

Afaka mametraka fanontaniana ny tsirairay. Ny fe-potoana farany handefasana ny fanontanianao dia ny 3 May ary ny fanadihadiana farany dia ho hita ny 7 May:

Manomboka androany, afaka mametraka fanontaniana amin'ny Filoha Kagame na inona na inona foto-dresaka, tahaka ny toe-karenan'i Roanda, ny politikan'ny teknolojia, ny fivoaran'ny firenena ireo 17 taona lasa hatramin'ny famonoan'olona marobe na ny fandraisan'andraikitra isam-paritra. Afaka mametraka fanontaniana midadasika tahaka ireo resaka mikasika ny ho avin'i Afrika sy ny tanorany. Makanesa ao amin'ny www.youtube.com/worldview mba hametrahanao ny fanontanianao avy amin'ny alàlan'ny lahatsary na ny lahatsoratra, tahaka ny fifidiananao izay tena tianao indrindra.

Ny tenifototry ny Twitter amin'ity fanadihadiana ity dia #askkagame.

Nampitolagaga ireo mpitoraka tweet i Paul Kagame tamin'ny Martsa teo rehefa nanaiky fanasana nalefan'ilay mpitoraka bilaogy Keniana ho azy avy amin'ny Twitter.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.