Zimbaboe: Miady hevitra momba ny lova navelan'i Mugabe ireo mpitoraka bilaogy

Zimbaboe dia firenena iray, izay ny firesahana mikasika ny fahasalaman'ny filoha na ny ho avy tsy misy azy dia mety hitondra ny olona iray ho any am-ponjan'ny mpitandro filaminana. Lasa sehatra tokana ahafahan'ireo Zimbaboeana mpampiasa aterineto miady hevitra momba ity “olana manahirana” ity ny bilaogy. Ny mpitoraka bilaogy Kobatana Upenyu Makoni-Muchemwa dia manontany momba ny lova napetrak'i Mugabe:

Mikasika ny lova napetrany, ny fotoana ihany no hilaza izany. Fomba fiady politika mba hanalefahana ny fanoheran'ireo bekotro maroholatra ve ny fanovana ny lalànny fananan-tany? Sa ampahany amina tetikady goavana kokoa hamerenana indray ny voninahitr'ireo mainty maro very fananana? Amin'ny fahafantarako ireo bekotro maroholatra maro tamin'ny androny, tsy vaovao amiko ny tsy fahatokisan'izy ireo fotsy hoditra. Ahoana moa no tsy ahatonga azy ireo ho toy izany rehefa nitombo tao anatina tontolo izay nanasokajiana ireo mainty hoditra ho tsy manan-danja noho ny biby fiomby izy ireo? Nefa midika ve izany fa izy sy ny taranany dia tsy afaka miaina intsony anatina fotoana iray izay efa tena nilaozan'ny toetrandro lavitra tokoa ny fampiasàna ny volon-koditra ho fototry ny fanavakavahana? Mbola zava-dehibe kokoa, tsy dia goavana intsony tahaka ny tamin'ny niandohan'ny hetsiky ny tia tanindrazana ve ny heviny ankehitriny? Mino aho fa isan'ireo tena tia tia tanindrazana sisa tavela avy any amin'ny faritra atsimon'i Afrika izy, araka izany rehefa tonga ny androny dia inona ny ho avin'ny hetsiky ny tia tanindrazana? Manana ho avy ve izany, sa hanome làlana ny fifangaroana atolotry ny fanatontoloana?

Robert Mugabe at Zimbabwe's Independence Day celebrations 2009, Harare. Image by Zimbo Zimbo, copyright Demotix (17/04/2009).

Robert Mugabe tamin'ny fankalazana ny Andron'ny Fahaleovantena ny 2009, Harare. Sarin'i Zimbo Zimbo, copyright Demotix (17/04/2009).

Misy lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Yes, Mugabe must be allowed to go home and rest” (Eny, tokony avela mody sy miala sasatra i Mugabe navoakan'ny Newsday nahatonga valinteny izay tsy afaka aseho miharihary eny anaty fitateram-bahoaka na toerana hafa izay ahafahan’ “iza na iza” mihaino. Nanoratra i Bobby Fortune tao amin'ny sehatra fitsikerana:

Afaka soritana amin'ny fijanonan'ilay lahy antitra teo amin'ny fitondrana daholo na ny fiankinan-dohan'ny Zanu PF mafy amin'ny herisetra, ny fifidianan'ireo vondron'ny mpikambana ireo mpikambana vaovao hiditra ary ny fandrahonana. Ny fijanonany ela ihany koa dia tompon'antoka tamin'ny fisian'ireo mpanararaotra maro an'isa sy tsy dia azo antoka loatra ao amin'ny laharan'ny zanu pf tahaka ireo chiyangwas, chombos, obert mpofus sy ny sisa izay raha amin'ny fotoana ara-dalàna dia tsy tokony ho afaka nanindry be loatra tamin'ireo loharanon-karem-pirenena satria ny zavatra hany mba hain'izy rehetra dia ny fitsiriritana mihoampampana hatrany hatrany.

Tsy mbola tapitra ny an'i Bobby Fortune (mazava ho azy fa anaram-petaka anaty aterineto):

Tokony hitondra ny baolina i Old Bob ary hanao izay hita fa mety ho an'ny firenena sy ny ankolafy lazainy ho tena tiany fatratra. Tsy anatin'izany ny fijanonany eo amin'ny fitondrana na iray andro mihoatra aza. Tokony hitsahatra ho takalon'ain'ireo tombon-tsoa miharihary sy vetaveta ataon'ireo vondrona tsy tia tanindrazana sy mpitsiriritra ao amin'ny zanu pf izy.”

niteny i qopheni qopheni:

Huff fa tokony hiala izany Bob izany ary tokony hanitsy ny fifaneken'i La Haye ny mpandova azy ary hanery azy hifanatrika amin'ny heloka vitany.

Namaly i Matemai Idhara:

Raha tianao handeha i Bob, dia reseho amin'ny lalaony izy any amin'ny fifidianana. Azoko antoka fa haheno tantarana fitaka maro isika. Amin'ny lafiny hafa dia efa “lany andro” ireo tantara ireo. Mihevitra aho fa hameno pejy izy ireo raha tsy misy zavatra hafa ho taterina intsony.

Io karazana tsikera io izay nohezahan'ireo manam-pahefana hampanginina hatry ny ela dia avy amin'ny alalàn'ny famoahana lalàna maro samy hafa, nefa ny toerana [fitoraham-bilaogy] izay lasa “toeram-barotry ny hevitra” manan-danja indrindra na dia teo aza ny tatitra manameloka vao haingana nataon'ny Freedom House izay nametraka an'i Zimbaboe ho anisan'ireo firenena izay manohy manivana ireo fifaneraserana ao anaty aterineto.

Nanohy ny fifantohan'izy ireo tamin'ny Filoha ireo mpitoraka bilaogy nandritra ny Paska, indrindra taorian'ny fanafihana nataon'i Mugabe tamin'ireo eveka Katolika ary lasa foto-kevitra nifotorana izany satria dia nanontany ireo mpitoraka bilaogy raha “nilalao ny politika niaraka tamin'ny mpamorona azy” ny Filoha.”

Izay no anontanian'i Clifford Chitupa Mashiri:

Manelingelina be ireo fanafihana vao tsy ela nataon'i Mugabe tamin'ireo eveka Katolika, amin'ny fotoana izay hankalazan'ireo mpino kristiana eran-tany ny nahafatesan'i Jesoa Kristy sy ny fitsanganany tamin'ny maty. Ny zavatra mbola mampahatahotra kokoa dia ireo tatitra momba ny fampitahoran'ny mpitandro filaminana ireo Anglikana tany Zimbaboe…Azo antoka, tsy azo inoana tsotra izao ny fanarian'i Mugabe ny Fiangoanana Katolika izay nahaterahany 87 taona lasa izay sy ny fanamelohany ireo eveka ho mpandainga sy saribakolin'ny tandrefana. Raha mandinika isika dia fantatsika fa nokarakarain'ireo eveka sy pretra izy fony izy mbola zaza sy fony izy gadra politika ary nandritra ny ady fanafahana, mety tsy maintsy hangataka famelan-keloka eo anatrehan'ny mpamorona azy i Mugabe atsy ho atsy tahaka ny nataony tamin'ireo lehiben'ny SADC taorian'ny nahaverezan'izany. ..

Izany no zavatra mahatonga ireo mpitoraka bilaogy ho karazana iray hafa mihitsy any Zimbaboe izay tsy tahaka  gazety tsy sahy mamoaka fiteny malalaka. Nisy ireo tweets avy amin'ny toeran-kafa izay mampivondrona tokoa ny fihetseham-pon'ireo Zimbaboeana manokana .

Ny ohatra tsara iray dia i Sideny Stubbs izay nitoraka tweet toy ity manaraka ity:

Ny zavatra iombonan'i Donald Trump sy Robert Mugabe, dia samy mamafy “tay” amin'ny mpankafy azy ireo izy, ary manantena fa hiraikitra eo izany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.