Ejipta: Gigi Ibrahim Tao Amin'ny The Daily Show

Ny fisehoan'ilay Ejiptiana mafanà fo ara-politika sady mpandefa bitsika, Gigi Ibrahim, tao amin'ny The Daily Show, dia nahatonga onjam-panohanana sy fanoherana avy amin'ireo namana mpandefa bitsika, izay nandrakotra ny revolisiona ejiptiana.

Tao anatin'ny horonantsary maharitra enina minitra avy amin'ilay seho, nafanain'i Jon Stewart sady malaza amin'ny tsindro-paingotra sy ny fampihomehezana miaty sangy zary tenany rehefa olana politika no resahana, niresaka i Gigi momba ny revolisiona Ejiptiana sy ny fomba nidirany tamin'ny politika, manamaivana ny politika ivelany feno fihatsarambelatsihin'i Etazonia manoloana ny Fitroaran'ny Faritra Afovoany Atsinanana, ary ny fomba fahitàna ny Ejiptiana sy ny Arabo any anatin'ny fampahalalam-baovao.

Ao amin'ny kaonty ofisialiny ao amin'ny  Twitter, ny The Daily Show dia nanambara hoe:

@TheDailyShow: anio alina: _Ilay mpanao gazety dizitaly @Gsquare86 mampianatra antsika momba ny revolisiona Ejiptiana, ao anatina teny 140 monja. Latsak'izay aza angamba. Mahery izy.

Taorian'ny fisehoany, i Gigi dia nandeha nijery azy io niaraka tamin'i  Wael Ghonim ary ilay mpandray anjarantsika manokana ao amin'ny  Lingua Arabo Raafat Rohaiem, izay monina any New York. Ry zareo dia nifanakalo resaka momba ilay fisehoana sy ireo fanehoankevitra samihafa avy ao amin'ny  Twitter.

Gigi Ibrahim with Jon Stewart

Gigi Ibrahim sy Jon Stewart

Voalohany, indreto ireo fanehoankevitra mankasitraka:

@k8shep: Nihevitra fa ny tafatafan'i @Gsquare86 tao amin'ny @TheDailyShow dia avo lenta! Mahatsikaiky sy ahalalana zavatra. Ao tsara ry Gigi a.
@basma_aal: Nankasitrahako ny fomba nandraisan'i @Gsquare86 ny entona mandatsa-dranomaso vita avy any Etazonia. Ho tsaroan'ny tantara ikala iny 🙂
@demaghmak: @Gsquare86 sady nahazendana no nampitokiky ny tafatafanao. ary tsy nahafantatra aho fa i @3arabawy no antony nahatonga anao ho lasa mafàna fo, nanampy betsaka tokoa izy.
@WhatWouldJNDo: @Gsquare86 nahita anao tao amin'ny the Daily Show Fatratra ianao e. Tena mahazendana tanteraka ianao! Enga anie tsy handratra ny handre an'ity fa tena tsara be ny hoditrao!

Kanefa, be ny hafa no tsy faly tamin'ilay seho. Hàlan'ny sasany ny fomba nilazany ny kilasy nisy azy tany amin'ny Anjerimanontolo Amerikana ao Caire ho toy ny loharano nipoiran'ny fahatsiarovantena ara-politikany. Tsapan-dry zareo ho toy ny manome toerana tsy mendrika azy an'i Etazonia izy mikasika ny revolisiona Ejiptiana. Ary ny hafa dia mankahala fotsiny izao ny fomba niantsoany ny endrika iray maneho ny endriky ny revolisiona Ejiptiana.

@CirclesOwner: Hay i @gsquare86 niditra andakilasy mba hahazoany izay nilainy hitroarana!! Fivahinianana iray tany Mansheyet Nasser* dia efa mety ho nahavitàna an'izany…mora lavitra koa 🙂
@HerMaeness: Tsy fantany akory, Stewart manokana dia nampiasa azy [@Gsquare86] ho fampitàna hafatra iray: “Teo i Amerika, ary Amerika no nandrehitra ny revolisiona”.
@ganzeer: O ry ‘reto a! satria tiany fatratra i Amerika, azo atao ve ny mikapa an'i  @gsquare86 ary tsy mamela azy hametraka ny tongony akory ambonin'ny tany Ejiptiana mandrakizay?
@HerMaeness: Na i @Gsquare86 na i @Ghonim dia samy tsy nisy  “endriky” ny revolisiona Ejiptiana izany velively.  Ndeha mahazo any. Donto.
@ganzeer: Aaaaaaaa!!!! Tsy manana endrika mitapy izany ny revolisiona, manirikiry! Atsaharo ny fanomezana endrika manirikiry azy io e!! Io no tena hoe revolisionam-bahoaka!

Kanefa, ny hafa mino fa ireo izay nitsikera an'i  Gigi dia tsy nahita ny ampahanà tsindro-paingotra tao anatin'ilay fandaharana iray manontolo.

@JustAmira: any anaty vaovao hafa any, tiako ny tafatafa nataon'i  @Gsquare86 niaraka tamin'i  Jon Stewart (The Daily Show). Fampisehoana mampihomehy ilay izy. Fa inona no tena nandrasanareo hataony kosa?
@PicoTyko: @ganzeer, tsy mbola mafàna fo eo amin'ny sehatry ny aterineto mihitsy i @gsquare86. Niady nandritra ny fotoana maro ho an'ny zon'ny mpiasa izy ary nandray anjara taminà hetsika maro talohan'ny  #jan25.
@3arabawy: @ganzeer mahafantatra azy manokana, eny, lasa maka fàka lalina izy noho ny fampianaran'ilay mpampianatra mafàna fo tao amin'ny  AUC [nitohy tao anatinà bitsika manaraka] ary ny resany rehetra nandritra ny fisehoana  (6mins) raha ny marina dia mankahala an'i Etazonia. Hitako ho mivatravatra loatra izay nosoratanao sy ireo maro hafa.
* Mansheyet Nasser distrika mahantra iray ao Caire, toerana onenan'ireo mpitsimpona fako.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.