Nandroaka Mpiasan'ny Fahitalavitra Soedoazy i Azerbaijan

Nitatitra ny The Commitee to Protect Journalists fa i Azerbaijan dia nandroaka mpiasan'ny fahitalavitra Soedoazy
izay tonga mba haka sary fanadihadiana iray momba ny zon'olombelona eo amin'io firenena io.

“Araka ny loharanom-baovaon'ny CPJ sy ny tatitr'ireo mpampita vaovao ao an-toerana, olona manao fitafiana tsotra no nisambotra ireo mpanao gazety, dia i My Rohwedder Street, Charlie Laprevote, ary Charlotta Wijkström tao anatin'ny famoriam-bahoaka tao Baku renivohitra tamin'ny Alahady. Ireo lehilahy ireo, izay tsy nilaza ny momba azy rahateo, dia nisambotra ireto andiana mpanao gazety ireto ary nitondra azy ireo tany amin'ny biraon'ny polisin'ny dirstrikan'i Saibal, ao Baku, avy eo namindra azy ireo nankany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaha momba ny Fifindramonina any Azerbaijan, hoy ny mpampita vaovao ao an-toerana nitatitra. Nogiazan'ireto lehilahy ireto daholo ihany koa ny fitaovana dizitalin-dry zareo ary nofafana daholo izay sary tany anatin'ireo “cartes memoires”, tatitra avy amin'ny mpampita vaovao iraisampirenena“.

Raha mbola tsy mazava tsara akory ny anton'ilay fandroahana, ny sasany amin'ireo manampahefana kosa dia miahiahy fa hoe mety ho olana eo amin'ny fahazoan-dàlana hivahiny ananan'ireo olona ireo no misy. Radio Free Europe, na izany aza, dia manasongadina ny mpikambana iray ao amin'ilay andiana mpanao gazety amin'ny filazana fa tsy nanafina na inona na inona izy ireo fony nangataka ny fahazoan-dàlana Azerbaijani. Mitatitra koa ry zareo fa manaraka akaiky ity fandroahana ity sy ny tontolon'ny fankahalàna mpanao gazety any Azerbaijan ny Kaomisera Eraopeana.

“Mandritra izany, mpitondra teny iray avy amin'ny Kaomisera Eraopeana, Štefan Füele, no naneho ahiahy mikasika ny zava-mitranga tato ho ato ao Azerbaijan, nitanisa izay nantsoiny hoe “fiakaran'ny teritery mahazo ny mpanao gazety, ny tanora ary ny mafàna fo ara-politika.”

Zava-dehibe ny hanamarihana etoana fa miatrika fanakianana noho ny toetra ataony amin'ireo mpanao gazety, ny demaokrasia ary ireo mafàna fo mpiaro zon'olombelona i Azerbaijan. Mitatitra ny The Associated Press fa maro ireo mafàna fo no nosamborina noho ny fandraisany anjara tamin'ny hetsika ho an'ny demaokrasia, tamin'ny fiandohan'ity volana ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.