“Spambots” Twitter: Fomba Fiady Vaovao Mba Hampanginana Resaka

Ny 18 Aprily, nanoratra momba ireo “spambots” nikendry ny teny fototra #Syria mba hampanginana ny feo miantso, na mitatitra ireo fanoherana, i Anas Qtiesh. Raha nahasarika ny sain'ny maro ity tranga manokana ity, tao amin'ny Al Jazeera, Fast Company, sy tany an-toeran-kafa, dia tandindon'ny olana midadasika amin'ireo tambajotra sosialy izany:  ny fampiasana ireo kaonty mandeha ho azy, na ireo ” bots”, mikendry teny fikarohana iray mba hampanginana ny karazana resaka anankiray.

Kanefa maninona izany no olana manan-danja? Araka ny fanamarihan'ny maro, tsy misy fanivanana eto; tsy mahita ireo zavatra navoakany voafafa ireo mpampiasa. Ny olana dia miankina amin'ny fikarohana ao amin'ny Twitter ataon'ireo mpandinika sy mpanao gazety mba hitrandrahana vaovao mikasika ny tranga iray, ary rehefa voakendrin'ny milina mandeha ho azy ilay fikarohana, ny vaovao manan-danja–tahaka ny momba ny fanoherana–dia rendrika.

Ity maraina ity dia ohatra iray hafa indray no nanaitra ahy: “Ahava spambots.”  Ahava, Orinasa Israeliana izay miankina amin'ireo loharano avy any Cisjordanie (Tany Bodoina ao Andrefana), no kinendrin'ireo fanentanana hanao ankivy maro. Ao amin'ny Twitter, ireo kaonty tahaka ny @BoycottAhava dia mizara ireo vaovao sy fanampim-panazavana momba ilay ankivy, mandefa tweets amin'ny tànana.  Ao anatin'izay lazaina ho ezaka handrendrika ny vaovao momba ny ankivy, maro ireo “spambots” no nipoitra tato ho ato, mitoraka tweet fanambarana mitovy miverimberina manerana ireo kaonty maro, indraindray mampiasa sary famatarana mitovy:

Manana anaraana hoe (Ahava) ilay orinasa, izay fomba fanonona mitovy ihany ary mampahatsiahy ny feon'ny fifohana rivotra

Nanaraka ireo tranga maron'ity tweet ity izahay manerana ireo kaonty maro samy hafa, anisan'izany ny:
@SaraiHellard489
@ChariseDeupreeA
@WeiBrochure2826
@CordiaPeed5221
@SaraiHellard489
@ElainaArslanian

Mazava izao fa ny fikendrena ny teny fikarohana na tenifototra dia mora ary indraindray fomba mety mba handrendrehana ny resaka manan-danja. Ary raha mora mandray ny Twitter, ny famafana ireo kaonty mandeha ho azy amin'ny fikarohana na famafàna ireo kaonty mpandefa mailaka tsy niriana tahaka ireo hita etsy ambony, raha tena fomba fiady vaovao izany, misy risika azo lazaina ho goavana ihany fa mety tsy afaka hanaraka ireo “bots” ny Twitter; misy vahaolana iray mety ho an'ny Twitter dia ny mametraka rafitra sy fomba vaovao amin'ny fitaterana ny fomba fiady tahaka izao. Mandritra izay fotoana izay ihany, tokony hitandrina ireo mpampiasa ka hahay hanavaka ireo fitenenana tena izy amin'ireo fomba fiadin'ny mpandefa mailaka tsy niriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.