Ny boky fitarihana “Mibilaogy amin'ny lafiny tsara (Bloguer positivement)” amin'ny teny swahili

Faly mampilaza ny Rising Voices fa ny boky fitarihana azy ireo ” Mibilaogy amin'ny lafiny tsara (Bloguer positivement)” dia efa misy amin'ny fiteny swahili noho ny fandikan-teny nataon'i Collins Oduor, izay anisan'ireo mpikambana ao amin'ny tetikasanay Rising Voices, Repacted, mifototra ao Nakuru, ao Kenya, miaraka amin'ny fanampian'i  Deogratis Simba amin'ny tetikasa Global Voices ao Swahili. Notontosaina tamin'ny fanapaha-kevitray “Mibilaogy amin'ny lafiny tsara” ity fitarihana ity mba hampiroboroboana ny resadresaka an-tserasera ao amin'ireo mpikambana liana amin'ny lohahevitra momba ny  VIH/SIDA maneran-tany.

Natao ho an'ny fikambanana sy ny olona miasa amin'ny sehatra momba ny fampianarana , ny fisorohana sy ny fitsaboana ny VIH/SIDA ary koa mamaim-poana ny boky fitarihana. Natonta amin'ny fanomezan-dalana Creative Commons Attribution-NonCommercial-ShareAlike 3.0 .ny boky.

Miaraka amin'ny famoahana amin'ny teny swahili ny “Mibilaogy amin'ny lafiny tsara”, efa misy amin'ny fiteny dimy ity fitaovana ity.

Raha handrakitra, tsindrio ny:

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.