Syria: Tadiavin'ny Vahoaka Ny Hialàn'ny Fitondràna

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Nafampana indray Syria tamin'iny Zoma iny, miaraka amina vaovao mitatitra hetsi-panoherana any amin'ny faritany maro, ary famoretana henjana avy amin'ny fitondrana mba handravàna ny korontana, izay nanomboka tamin'ny  with news of fresh protests in many provinces,  Martsa.

Avy eny ankianja, mibitsika i Razaniyat :

Ilay Siriana mpandefa tweet, @Kinaniyat dia manamafy ny fahafatesan'i  Mohammad Kahil minitra vitsy lasa izay tao Homs. Tsy hanadino ny maritioranay velively izahay #Syria #fb

Doha-based Abdurahman Warsame mizara vaovao avy aminà masoivohom-baovo iray:

Reuters: raha kely indrindra  3 no mpanohitra naratra tao  #Duma, #Syria

Ary Arwa Damon avy amin'ny CNN dia mitatitra hoe:

vavolombelona nahita maso #douma : 3 maty , 7 naratra mafy rehefa nitifitra an'ireo mpanao fihetsiketsehana manodidina ny 50.000 ny polisy miafina & mpandrava korontana #syria

Damon manamarika:

mipoaka manerana an'i #syria ny hetsi-panoherana, maro ireo tatitra miresaka poabasy tany aminà vohitra & tanàn-dehibe.

Ary bitsika iray hafa no manamafy izay nolazain'i Razaniyat:

vavolombelona tao #homs: 1 maty, tifitra teo amin'ny tenda, 24 naratra rehefa nitifitra ny mpanao fihetsiketsehana saika hihazo ny kianjan'ny famantaranandro ireo polisy nanao akanjon'olon-tsotra  #syria

Satria nalefan'ireo tobim-pahitalavitra sasany nivantana ny sary avy amin'ilay fihetsiketsehana, very fanahy mihitsy i  Samar Dahmash Jarrah. Hoy izy nibitsika::

Ny fiheverana hoe afaka mandrehitra ny fahitalavitro aho ary mahita ny Siriana an'aliny maro miventy ny Fahafahana Fahafahana dia toa zava-tsy mampino saingy tsy izany intsony no zava-misy!

Cal Perry avy amin'ny Al Jazeera dia any an-toerana. Ireo bitsika alefany dia mitantara eo noho eo ny zava-misy androany. Manoratra izy:

An'arivony maro ao #Banias ireo miantso ny fialàn'ny governemanta. An'arivony maro koa ao #Deraa, no miventy zavatra mitovy amin'izany #Syria

Manohy izany bitsika avy amin'i Sultan Al Qassemi avy any amin'ny Emira Arabo Mitambatra :

Amin'izao fotoana: An'arivony maro amin'ireo mpanao hetsi-panoherana ao Baniyas no mikiaka ny hoe “Jazeera Jazeera” taorian'ny nitenenan'ny olona iray tamin'izy ireo tamin'ny micro fa hoe nisy olona niditra tamin'ny antso  mivantana ary nanompa ilay fantsona.

Dubai-based Iyad El-Baghdadi koa dia manaraka akaiky ny fivoaran'ny toe-draharaha androany ao Syria. Hoy izy mibitsika:

FZO, misy vaovao betsaka milaza fa narodan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny sarivongan'i Hafez al Asad, etsy sy eroa… #Syria

Manampy bebe kokoa izy:

Ataovy an-tsaina fa tsy sarotra ny mizaha sarivongana na sarin'i al-Asad ao #Syria. Eny rehetra eny izy ireny.

Manohy izy :

Sambany izao hatramin'izay nanombohan'ny fanovàna no mandefa sary mivantana avy any Banias izao ny Aljazeera amin'ny fiteny Arabo. #Syria

Ao amin'ny Twitter, Wissan Tarif, mizara ity  lahatsay ity izay lazaina fa avy amin'ny:

Zabadani faritra ambanivovitr'i #Damascus #Syria Hetsi-panoherana nanomboka tao amin'ny faritr'i Al Jesr, isany tranainy indrindra ao an-tanàna

Io lahatsary fohy io, nalaina androany, dia mampiseho mpanao fihetsiketsehana anjatony.

Lahatsary maro ahitana ireo mpanao fihetsiketsehana lavo androany no nakarina ihany koa eo anivon'ny aterineto. (FAMPITANDREMANA: tsy natao ho an'ny olona mora tohiny ny sary) Ity lahatsary ity dia maneho olona roa maty, voalaza fa maty tany ambanivohitr'i Damaskaosy.

Ary ity lahatsary ity, avy any Haska, dia maneho ireo heverina ho jiolahimboto voakaraman'ny governemanta, manafika ny mpanao fihetsiketsehana:

http://www.youtube.com/watch?v=Y6Xk7IWK-5A

Ary ity ny sary avy any Daraa, toerana iantsoantsoan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fialàna'ny fitondrana:

Mandritra izany, mitohy hatrany ny antso vonjy sy fitadiavana mpitsabo. Nandefa bitsika indrindra i FreeSyria :

Toeram-pitsaboana ao El-Bar #Hama mila mpandidy maika dia maika #Syria

Manaraha hatrany anay ho an'ny rako-baovao misimisy kokoa avy any Syria.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitray manokana momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.