Syria: Mahataona an'Aliny Ny Hetsi-Panoherana ao Homs (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Na teo aza ny famoretana, mitohy ihany ny hetsi-panoherana ao Syiria, miaraka aminà lahatsary tsy voaisa intsony mivoaka any amin'ny aterineto maneho mpanao fihetsiletsehana an'aliny mangataka ny hifaranan'ny fitondran'i Assad. Inty ny fantina lahatsary avy any Homs.

Ao amin'ny YouTube, hatreto i Day of Rage TV dia nampakatra lahatsary maherin'ny 50 amin'ireo hetsi-panoherana manerana an'i Syria.

Mampakatra ity lahatsary ity avy any Homs izy, milaza fa vahoaka an'aliny no nifamory tany tamin'ny 18 Aprily. Mihiaka ilay teny faneva efa zary lasa mahazatra ry zareo manao hoe (Ar): “Mila ny fitondrana miala ny vahoala.”

Ity lahatsary ity, avy amin'io mpampiasa Youtube io ihany, dia mampiseho ny fanombohan'ny diabe iray handeha handevina ny iray tamin'ireo namoy ny ainy tao anaty hetsi-panoherana, mbola tamin'io andro koa:

Lahatsary maro ihany koa no nampakarina, maneho mpanao fihetsiketsehana an'aliny mivavaka. Ity lahatsary ity dia maneho ampahany amin'ny vavaka Asr (tolakandro):

Ary ity lahatsary manaraka ity dia maneho mpanao fihetsiketsehana mandray anjara amin'ny vavaka Maghreb:

Ho an'ireo lahatsary maro hafa momba ny hetsi-panoherana Siriana, jereo ny Fantsona Day of Rage TV.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay momba ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.