Azia Afovoany: Hevitra sy zava-baovaon'ny BarCamp

BarCamp ao Azia Afovoany, valandresaka tsy miresa-barotra faha-efatra  ho an'ireo za-draharaha amin'ny valan-tserasera no natao tao Almaty, Kazakhstan, ny 15-17 Aprily 2011, ka nahavory ireo mpanao gazety, bilaogera, manam-pahaizana manokana momba ny TIC ,  mpikirakira ny web sy ireo rehetra izay liana amin'ny Aterineto sy ny fomba vaovao fampitam-baovao.

Zava-baovao ny BarCamp. Tao Palo Alto no natao ny BarCamp voalohany , ary tao California ny taona 2005 izay nahitana mpandray anjara 200. Nanomboka hatreo, nisy hatrany ny BarCamps notontosaina tany an-tanandehibe maherin'ny 350 manerana izao tontolo izao, tafiditra ao anatin'izany i Azia Afovoany.

Notontosaina tamin'ny taona 2008 tao Bishkek ny BarCamp voalohany tao Azia Afovoany, Kyrgyzstan ary nahavory manam-pahaizana manokana 250 avy ao Azia Afovoany sy firenen-kafa. Natao tao Almaty tamin'ny taona 2009 sy 2010 ny konferansa faha-roa sy fahatelo. Nitombo hatrany foana ny isan'ireo mpandray anjara.

BarCamp Central Asia logo

BarCamp Azia Afovoany ( logo)

Tamin'ity taona ity, nokarakaraina tao Almaty ny BarCamp tao Azia Afovoany. Olona eo amin'ny 1500 no voaraikitra tao amin'ny tranokala, ary eo ho eo amin'ny 600 amin'ireo no nandray anjara tamin'ny hetsika fa ny hafa kosa nanaraka izany tao amin'ny Facebook sy Twitter (#barcampca11, #barcampca2011). Raha avy amin'ny firenena Azia Afovoany ny ankamaron'ny mpandray anjara (Kazakhstan, Kyrgyzstan sy i Uzbekistan), manam-pahaizana manokana momba ny TIC sy manam-pahaizana momba ny  valan-tserasera avy any Rosia, dia mba nandray anjara tamin'ny hetsika koa i Eoropa Andrefana sy Atsinanana.

Ireo adihevitra misokatra mikasika ny fampianarana nomerika ny lohahevitra nandritra ny fotoam-pivoriana sy ny fampahafantarana, ao ny fomba vaovao amin'ny fampiasana finday, ny fampandrosoana ny valan-tserasera, ny cyber-sécurité, ny tetikasa crowdsoursing (fifarimbonan'ny rehetra), ny startups, ary ny antontan'isa amin'ny Aterineto, sns.

Ohatra, nandritra ny  BarCamp TechTalk momba ny fampianarana nomerika , fanontaniana mikasika ny fahasamihafan'ny fampitam-baovaon'olo-tsotra sy ny asan-gazety mahazatra ary koa ny asa sahanin'ny valan-tserasera no navoitra. Iray tamin'ireo nandray anjara tamin'ny adihevitra i Frederick Emrich, mpampianatra mpanampy izay mampianatra ny asa fanaovan-gazety sy ny fifandraisana ao amin'ny Sekoly ambony momba ny fitantanana, toekarena ary fikarohana stratejika ao  Kazakhstan, nilaza izy fa mikasa ny hampiditra fitaovana ampiasaina amin'ny fampitam-baovao vaovao amin'ny fampianarany momba ny gazety mahazatra:

Mahatonga ny mpianatra haneho hevitra ivelan'ny fianarana ny fampidirana teknolojia amin'ny fanaovan-gazety vaovao. Manome azy ireo saina tia karokaroka izany.

Emrick namaly ny fanontaniana  mba hamantarana raha mila fahaizana manokana ireo mpianatra ahafahany miasa toy ny olon-tsotra manao gazety:

Marina tokoa. Fa tsy hoe ilaina ny misy fampianarana ambony eo amin'ny sehatry ny tontolo fanaovan-gazety, fa mila kosa fisokafana amin'izao tontolo izay mety azo eny anivon'ny oniversité. Fanampin'izany, tokony hanana fahalalana teknika ny olona sy fampiasana fitaovana amin'ny fanaovan-gazety an-tserasera.

Nanampy koa izy hoe:

Fahafahan'ny olona tsirairay avy mandray anjara amin'ny resadresaka no hery lehibe amin'ny asa fanaovan-gazety vaovao. Inoako fa hitohy ny fitiavana izany. Tsy fantatro raha fampahalalam-baovao na tsia, saingy manana ny lanjany lehibe izany ary mendrika ny hotohanana.

Ny serasera marolafy (Multimedia) sy ny hevitra ho an'ny asa fanaovan-gazety vaovao no niadian-kevitra nandritra ny fampahafantarana ny Newreporter.org, izay tetikasa aterineto mikasika ny fampahalalam-baovao ho fitadiavam-bola sy fampahalalam-baovao an-tserasera. Afaka jerena eto ny fandikan-teny an-tserasera momba ny fampahafantarana

Mety maharakotra ny lohahevi-dehibe rehetra ny valandresaka momba ny teknolojian'ny aterineto sy ny asa fanaovan-gazety vaovao raha tsy iadian-kevitra ny fiarovana ny serasera sy ny fitaovana ilaina. Araka izany, Alexey Bebinov, manam-pahaizana manokana momba ny cyber-sécurité (fiarovana an-tserasera) an'ny fikambanana manao asa soa (fondation) “ Andraikitra Raisin'ny Olom-pirenena momba ny Politikan'ny Aterineto” (CIIP)[Initiative citoyenne pour les politiques concerant Internet] no nampahafantatra ny fitaovana sy ny paikady amin'ny fiarovana ny serasera (aterineto). Etsy andaniny, niady hevitra momba ny tombotsoa amin'ny fampiasana ireo fitaovana toy ny Security In The BoxHot Spot Shield(mpanjifa VPN), Tor Browser Bundle,Psiphon ireo mpandray anjara tamin'ny atrikasa.

Global Voices tao amin'ny fandaharam-potoana BarCamp Asia Afovoany, sarin'i Alexey Sidorenko

Nampahafantarin'i Alexey Sidorenko ny Global Voices, mpanoratra ny tetikasa RuNet Echo sy i Adil Nurmakov, mpanoratra GV Azia Afovoany.

Raha teo am-pandrenesana ny fampahafantarana tao amin'ny Global Voices @BioCyberGear nanoratra hoe:

Global voices переводят блоги на разные языки! У них виртуальное сообщество из 300 переводчиков!#barcampca11

Global voices mandika bilaogy amin'ny fiteny maro samihafa! Miisa 300 ireo mpandika teny ao amin'ny fikambanana!#barcampca11

Toa manintona mpamaky sy bilaogera marobe ao Azia Afovoany ny Global Voices . Ohatra, @iTengry nanoratra hoe:

Tahaka ny mahaliana ahy ny ataon'ny Global Voices Online, hojereko ataiky kokoa ny momba azy io.  #barcampca11

Global Voices Online — кажется интересный сервис, нужно на него обратить внимание. #barcampca11

Toa mahaliana ny Global Voices Online, andeha mba hamaky mandrakariva izany aho.  #barcampca11

Mpampiasa @lemime nanoratra hoe:

Хорошая презентация про Глобал Воис! Интересный сервис. Надо бы его получше изучить. Интересная площадка для блогеров#barcampca11

Fampahafantarana mahafinaritra momba ny Global Voices! zava-mahaliana. Tokony hianatra hahafantatra bebe kokoa ny momba azy aho. Fikambanana bilaogy mahaliana #barcampca11
People taking photos during the presentation on Global Voices. Image by Ekaterina.

Olona maka sary nandritra ny fampahafantarana ny Global Voices. Sarin'i Ekaterina.

Indreto fihetseham-po amin'ny ankapobeny avy amin'ireo mpandray anjara sasany tamin'ny BarCamp:

@mervlad:

Спасибо #barcampca11 за старых и новых знакомых. Организация на отлично, @mursya_ru @Agnesa и К молодчинки!

Misaotra #barcampca11 noho ny fihaonana tamin'ny olona vaovao ary fahitana ireo namana taloha. Nandeha tsara ny zava-drehetra, @mursya_ru @Agnesa sy ny ekipany – asa tena tsara!

@chaals:

Tontosa ny atrikasa Super-speedy Widget, tontosa ny fanitarana tao anatin'ny minitra fohy, ka fotoana ankehitriny hialana sasatra sy mankafy ny tohin'ny #barcampca11🙂 (ary miasa…)

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.