Syria: Lalàna Amin'ny Tany Misahotaka Naato,Mitohy Hatrany Kosa Ny Hetsi-Panoherana

Tany Syria, nifamahofaho be ihany ny fandraisana ny fanambaràna  nataon'ny  Filoha Bashar Al-Assad androany nilazany ny fiafaràn'ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka izay efa nihatra teo amin'ny firenena hatramin'ny 1963. Nandalo herinandro maro nisianà hetsi-panoherana ny firenena, ary maro tamin'ireny no nisedra herisetra mahafaty avy tamin'ny mpitandro filaminana ofisialy. Tamin'ny Alahady, taorian'ny  kabary iray nampanantenàn'ny Filoha Assad ny hampitsaharana ilay lalàna, 14 no mpanao fihetsiketsehana voalazan'ny tatitra fa maty tany an-tanànan'i Homs.

Ny fiafaran'ilay lalàna amin'ny tany misahotaka dia taorian'ny hafatra maro mifamahofaho, nangatahana ny hanajanonan'ireo mpanao fihetsiketsehana ny hetsiny, tahaka ny anamarihan'i Cal Perry,  mpanao gazety avy amin'ny Al Jazeera azy:

Miteny aminay ny olona any #Deraa fa sahiran-tsaina ry zareo noho ireo hafatra mifamahofaho. Nesorina ny fepetra amin'ny tany misahotaka saingy ny Ministeran'ny Atitany dia mandràra ny olona tsy hanao hetsi-panoherana.

Ireo hafatra mifamahofaho ao amin'ny Twitter avy amin'ireo Siriana dia ampahany amin'ny fanehoan-kevitra noho ny hetsi-panoherana tamin'ity androany ity, ka tao anatin'izany dia voadaroka ireo mpianatra ho mpitsabo avy amin'ny Anjerimanontolon'i Damaskaosy,  taorian'ny nandraisan'izy ireo anjara taminà hetsika am-pilaminana iray. Ao anatin'ity lahatsary iray eto ambany ity, hita manofahofa voninkazo eny ambony loha ireo mpianatra:

http://www.youtube.com/watch?v=IdqHHKd3vDA

Ao amin'ny  Twitter, Yazan Badran  (@yazanbadran) dia manamarika esoeso:

Eh, andraso, andraso, andraso. Ny zavatra farany nataon-dry zareo androany talohan'ny nanafoanana ilay lalàna amin'ny tany misahotaka dia ny fidarohana mpianatra ho mpitsabo manofahofa voninkazo ve? #irony

@Basma_dia nizara fanehoan-kevitra tsy misy hafa amin'izay:

Eh, amin'izao lalàna amin'ny tany misahotaka nofoanana izao: raha amin'izao ireo mpianatra avy ao #damascus no manao fihetsiketsehana fa tsy ora roa lasa izay, mety ho any amin'ny toeram-pitsaboana ve no hiafaran-dry zareo? #syria

Rime Allaf (@rallaf) mahita fa bitika ihany ilay fihetsika nataon'ny Filoha, tara loatra:

Mahatsikaiky: 1 volana monja izay, raha tamin'izany no nofoanana ny lalàna miaramila dia mety ho nisy lanjany & naharavo ny olona. http://bit.ly/gCzlZt #Syria

@Seleucid dia fanina amin'ity toe-draharaha ity:

Mahatonga ahy hisalebolebo ilay fiovàna tampoka tamin'ny politika ofisialy Siriana.

Saingy tsy resy lahatra amin'ilay fiovàna i @Shantal7afana, ka dia manazava ilay lalàna ho an'ireo mpanjohy :

للتوضيح فقط: حالة الطوارئ لم ترفع بعد كما فهم البعض.. بل تم توقيع “مسودة مشروع” لإلغاء حالة الطوارئ #Syria #Freedom
Ho fanazavàna fotsiny: Ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka dia tsy hoe nesorina araka izay andraisan'ny sasany aminareo azy…misy volavolan-dalàna iray nosoniavina mba hanesorana ny fepetra fanao amin'ny tany misahotaka v>

Mandritra izany, ary na teo aza ny fampanantenana fanovàna, mitohy ny hetsi-panoherana, hoy ny Sky News mitatitra.

Sarin'ny sainam-pirenena Siriana avy amin'i Samuele Ghilardi, nampiasàna ny Creative Commons CC BY-NC-ND 2.0 license.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.