Palestina : Fakàna ankeriny ilay mpitolona italiana tao Gaza

Navaozina ny Zoma 15 aprily : Notaterin'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany maneran-tany fa hita tao amin'ny faritr'i Gaza ny nofo mangatsiakan'i Vittorio Arrigoni ora vitsy taorian'ny nakana azy an-keriny ny Alakamisy 14 aprily 2011.

* * *

Naka ankeriny an'i Vittorio Arrigon mpitolona pasifista Italiana tao Gaza ny vondrona Djihad islamika , nanamafy ireto farany fa hovonoiny i Vittoria raha tsy afaka i Sheikh Abou Al Walid Al Maqdisi, izay nosamborin'ny governemanta Hamas vao haingana.

Vittorio Arrigoni

Vittorio Arrigoni (sary profil ao amin-ny Facebook)

Arrigoni – izay antsoin'ny maro amin'ny anarana hoe Vik – dia tao Gaza nandritra ny roa taona niaraka tamin'ireo Fihetsiketseham-piraisankina Iraisam-pirenena (ISM). Ilay bilaogera ao Gaza Omar Ghraieb nanoratra fa mandrahona ny hamono azy ireo mpaka ankeriny an'i Arrigoni :

Vittorio Arrigoni, 36 taona, mpilatsaka an-tsitrapo ao amin'ny ISM ao Gaza, no nalaina ankeriny androany tao an-tanànan'i Gaza. Avy eo, nipoitra ny horonantsary youtube mampiseho an'i Vittorio izay tampenana ny masony.

Nilaza ny fakàna an-keriny sy fitazomana an'i Vittorio ireo djihadista islamika, nitaky ny governemanta Hamas ao Gaza mba hamoaka an'i Abou Al Walid Al Maqdisi ao anatin'ny 30 ora manomboka androany 14/4/2011 amin'ny 11 ora, raha tsy izany hovonoin'izy ireo i Arrigoni.

Ireo mpanao gazety ao Gaza, ireo naman'i Vittorio eto an-toerana sy ireo namany rehetra any an-tany lavitra dia niangavy ny governemanta Hamas mba hanao fifampiraharahana tsy misy hatak'andro ka hanafaka an'i Vittorio izay efa niasa mafy nandritra ny fotoana ela mba hanampy an'i Gaza.

Mivavaha isika rehetra mba ho afaka izy ka salama sy avotra soa aman-tsara.

Noesorina efa ela ny horonantsary navoakan'ireo mpaka an-keriny an'i Vittorio Arrigoni. Mampiseho ny masony tampenana ny sary, misy dian'antsy, ahitana lahatsoratra mivezivezy eo amin'ny écran milazalaza ny fitakian'ireo mpaka ankeriny.

Fihetseham-po vitsivitsy manoloana ny fakana ankeriny:

@SanaKassem Ho an'ireo Gazaouis rehetra. Fanohanana lehibe ny tolona palestiniana, #Vittorio Arrigoni, nalaina ankeriny tao #Gaza. Mila ny fanohanantsika tsirairay avy izy.

@Omar_Gaza Hamas, miangavy anareo izahay mba hifampiraharaha izao dieny izao ary hamoaka an'i Vittorio Arrigoni androany ihany, ny mpiara-miasa italiana ao amin'ny ISM ! #Gaza #FreeVittorioNow

@jmalsin Novonoina, marary, taorian'ny nahitana ny horonantsary nilazan'ireo salafista ny fisamborana an'i Vittorio Arrigoni, izy izay nifanena matetika tamiko tao Gaza.

@forumeditor Fa nahoana no nalaina an-keriny i Vittorio Arrigoni izay niezaka nanampy ny fitakian'izy ireo? Maharikoriko ireo mpaka ankeriny azy : na iza na iza manao izany dia mahazo dokambarotra.

Ato ny pejy Facebook an'i Vittorio Arrigoni.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.