Belarosia:Ny Ambadiky ny Baomba sy ny Fipoahana

Tsy isalasalàna fa ilay fipoahana tao amin'ny fitaterana ambanin'ny tany tao Belarosia , Minsk renivohitra no asa fampihorohoroana isan'ny henjana indrindra hatramin'ny Ady Lehibe Faha-II, namoizana aina ampolony maro sy naratra an-jatony. Tsy nahagaga, naneho hevitra tanaty rikoriko sy hatezerana ireo mponina tao amin'ilay firenena zatra nilamina, angamba fambaran'ny fivakiana ara-tsosialy. Fa izao, ny tena fitadiavana izay tompon'andraikitra homen-tsiny no tena nanosika ny fanehoan-kevitra teo amin'ny tontolon'ny fitorahana bilaogy.

Na dia miovaova aza ny feon'ireo mpanohitra amin'ny fanakianany an'i Lukashenko sy ny fitantanany, ny fahatsapana ankapobeny dia izany no vokatry entin'ny rafitra feno famoretana, miainga avy aminà fifandrohizana rafi-piarahamonina efa maty. svobodoff mpampiasa LJ  , ohatra, dia mihevitra fa [ru] “mihosona rà noho iny fipoahana iny ny fitondrana” :

Такого кошмара люди в относительно спокойной когда-то Белоруссии от режима Лукашенко ещё не ожидали. Последние несколько лет существования диктатуры преподносили много неприятных “сюрпризов” для миролюбивых белорусов, но никто не думал, что это может зайти так далеко.

Tahaka ny nofy ratsy iray, tsy mbola niandrandra zavatra toy izao avy amin'ny fitondran'i Lukashenko mihitsy ireo mponina ao amin'ilay tanàna azo lazaina ho milamina hatrizay ao Belarosia. Ireo taona vitsivitsy sisa iainan'ilay fitondrana jadona dia nanolotra “zava-tsy nampoizina” mahasorena maro ho an'ireo Belarosiana mpankamamy fandriampahalemana, saingy tsy nisy olona na iray aza nihevitra fa ho tonga hatramin'izao izy ity hatreto.
A woman lights a candle in memory of the Belarus bomb victims. Image by Ivan Uralsky, copyright Demotix (12/04/2011).

Vehivavy iray mandrehitra labozia ho fahatsiarovana ireo matin'ny baomba tao Belarosia. Sary avy amin'i Ivan Uralsky, fizaka-manana Demotix (12/04/2011).

Ireo mpitoraka bilaogy mpomba ny fitondrana dia naneho hevitra tamin'ny fomba nivatravatra tokoa manohitra ny ezaka hanaratsiana ny fitondran'i Lukashenko, toy ny nataon'ilay mpampiasa LJ, lyavon [ru]:

Не успел рассеяться дым от взрыва, как в интернете словно по команде появились сотни постов с обвинениями в адрес властей… авторам уже все ясно – виноват опять президент. Злобная Петра на минскбае, засучив рукава, банит всех, кто пытается высказать мнение, отличающееся от утвержденного из Вашингтона. Просто п[—]ц, у этих свиней нет никакой совести… Люди! Одумайтесь!!! Нельзя так бесстыдно использовать чужие страдания!!!
зы: судя по всему, это попытка разыграть египетский сценарий… сейчас будут призывать идти на плошчу и тд и тп…

Tsy mbola levona akory ny setroka naterak'ilay fipoahana, dia efa anjatony, toy ny hoe nasaina nomanina mialoha, ireo lahatsoratra nivoaka niaty fiampangàna mivantana ny governemanta… Ho an'ireo mpanoratra, nazava ny zavatra rehetra – mbola ny filoha indray no voakiana. Toy ny Peter masiaka ao amin'ny Minskby [vondom-piarahamonina anaty aterineto ao Minsk], mampiakatra tanan'akanjo, manakana ireo rehetra izay mihevitra ny haneho hevitra, mifanipaka amin'izay nambaran'i  Washington. T*y fotsiny izao izany, maty eritreritra mihitsy r'ilay kisoa ireo… Ry vahoaka! Tongava saina ianareo!!! Tsy misy na iray aza tokony hanararaotra tsy amin-kenatra ny fahorian'ny hafa!!!
P.S. Amin'ny endriny rehetra, toy ny ezaka fakàna tahaka izay nisy tany Ejipta izy ity… Ankehitriny ry zareo manainga [antsika] hidina an-kianja sy ny sisa sy ny sisa…

Nefa misy koa ireo fanehoan-kevitra manohitra ny fandroritana ny fomba fandikàna rehetra ho any amin'ny tombontsoa manokan'ny mpiteny. Noho izay, i khatskevich, mpampiasa LJ dia manoratra hoe [ru]:

Вчера произошло два ужасных события. Теракт и реакция на него. Страшно подумать – буквально не успели кровь смыть, как в блогах и твиттере прогрессивная общественность уже стала делать выводы и бросать обвинения. Оппозиция винила власть и белорусские спецслужбы, лоялисты винили оппозицию и зарубежные спецслужбы. Смешалось в кучу всё – доллары, сахар, Ливия – всё, что могло послужить хоть каким-то обоснованием пропаганды. […] Лично мне кажется, что все эти домыслы и взаимные обвинения похожи на то, как если бы блогеры сбегали на Октябрьскую, перемазались в крови жертв, и стали бы кричать всякие лозунги, типа «это кровь жертв режима!» или «эту кровь пролили отморозки из пятой колонны» […]. Люди, вам не стыдно? Да, мы по разные стороны политических баррикад. Но разве это повод уподобляться всякой нелюди и устраивать пиар своих идей на крови жертв теракта? Мы что, не в состоянии отбросить идеологические противоречия в эти страшные дни и просто побыть людьми?

Omaly, zava-doza roa no nitranga. Ny horohoro sy ny fanehoan-kevitra nentiny. Mampihoron-koditra ny mieritreritra azy, saingy tsy mbola voasasa ara-bakiteny akory ny rà dia efa manao tsoakevitra an-kamehana sahady ireo olona liam-piovàna ary manao fiampangàna. Ny mpanohitra miampanga ny governemanta sy ny sampan-draharaha manokana Belarosiana, ireo mpandàla ny ara-dalàna miampanga ny mpanohitra sy ny hery vahiny. Mifangaro voraka anaty harombe iray ny zavatra rehetra – dollars, siramamy, Libia – ny zavatra rehetra izay azo trandrahana hatao fototra hanaovana fampielezan-kevitra. […] Raha ny tena manokana, heveriko fa ireny tsahotsaho rehetra ireny sy ireo fifampiangana dia sahala amin'ny hoe mihazakazaka ao Oktyabrskaya ireo mpitoraka bilaogy, mihosona ny ràn'ireo maty, ary manomboka miantsoantso ny karazana teny faneva toy ny hoe “izao no ràn'ireo maty novonoin'ny fitondràna!” na hoe “izao rà izao dia nalatsaky ny jiolahimboton'ny andry fahadimy” […] Ry vahoaka, tsy menatra ny tenanareo ve ianareo? Eny, mety mijoro ery ampitan'ny sakana ara-politika isika. Saingy tena antony ve izany hahatonga ny tsirairay tsy hijery intsony ny maha-olona ka hampiasa ny ràn'ireo matin'ny asa fampihorohoroana ho tohan-kevitrao? Tsy azonareo atao ve ny mamela ho eny anjorony ny fifanoherana ara-potokevitra mandritra izao andro manjombona izao ka mipetraka ho olona tsotra fotsiny?

Teny amparan'ny andro, angamba izao teo-po izao ny farany afaka manakaiky indrindra ny tena marina. Toa sahala amin'ny leo ny olona misafidy amin'ny hoe  “Inona no tokony hatao? – Iza no tompon'andraikitra?” rehefa tsy manjary ny fandehan-javatra. Inona no dikan'izany ho an'i Belarosia, ny hoavy irery ihany no afaka hanambàra azy, fa farafaharatsiny efa famantarana aloha izany fa reraky ny fifandroritana mampisara-bazana eo amin'ny famoretana sy ny fanoherana misy eo amin'ny firenena ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.