Oganda: Heloka ve ny fandehanana tongotra mankany am-piasana?

Manontany tena ireo mpampiasa aterineto Ogande raha lasa heloka ny fandehanana miasa ankehitriny. Mpitarika mpanohitra roa any Oganda, Dr. Kizza Besigye sy Norbert Mao, dia voampanga ho namporisika ny herisetra sy fanarahana ireo lalàna. Nosamborina izy ireo raha nandeha an-tongotra hamonjy asa ho faneherana ny findagan'ny vidin'ny solika/sakafo.

#walk2work dia foto-kevitra mafana ao amin'ny tontolon'ny Twitter any Oganda.

@RosebellK:

mbola manohy ny herisetra ihany ny mpitandro filaminana any #Uganda http://twitpic.com/4jm8b5 @newvisionwire. #walk2work #Ugandawalks

@Coco_Bobo:

Koa satria lafo be ny vidin'ny solika, nisafidy ny hamela  ireo fiarany & #walk2work ny vahoaka any kampala & MISAMBOTRA azy ireo ny govt noho izany! #WTF?

@malonebarry:

Mitàna ireo mpitarika ny mpanohitra ny mpitandro filaminana Ogande http://tinyurl.com/3ohtplr #Uganda #Ugandavotes #walk2work #Ugandawalks

@DrSsebo:

Voampanga ho namporisika ny fanaovana herisetra sy ny tsy fanatanterahana ny baikon'ny mpitandro filaminana i #besigye #walk2work #ugandawalks


@Snottyganda
:

@DrSsebo Araka izany dia rehefa afaka am-ponja izy ka manapa-kevitra ny handeha tongotra hody dia ho samborina indray ve? sa mandeha amin'ny fiaran'ny mpitandro filaminana #walk2work #ugandawalks


@RosebellK
:

nentina any amin'ny fitsaran'i Nakawa ny Filohan'ny DP #Mao. Dr Kizza #Besigye navoaka rehefa nandoa onitra Shs10m . #walk2work #Ugandawalks

@schneidermanns:

misambotra ireo Kampaliana izay te-handeha tongotra mamonjy asa satria diso lafo loatra ny solika? Inonaaa?!! #walk2work

@niyimic:

@josephpowell Mihevitra aho fa manakotaba & manasarotra ny zava-miseho ireo bandy ao amin'ny governemanta. Tokony navelany handeha an-tongotra fotsiny ireo bandy ireo #walk2work

@josephpowell:

#Walk2work dia tahaka ny hetsi-panoherana ara-drariny- ny tsy fandeferan'ny NRM na teo aza ny fandreseny nakotrokotroka dia toa hafahafa sy ambany

@Ethnicsupplies:

@gaetanokagwa zavatra adaladala #walk2work, tena mahatsara ny fahasalamana ny fandehanana an-tongotra ho any am-piasana sady mampihena ny fitohanan'ny fifamoivoizana


@gaetanokagwa
:

Araka izany any #uganda raha tsy manam-bola ianao ka manapa-kevitra ny handeha an-tongotra #walk2work rahampitso dia hitako eto fa handalo andro vitsivitsy any am-pigadrana ianao. Ho tianao izany #democracy izany

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.