Ejipta: Mpitoraka bilaogy voasazy 3 taona an-tranomaizina noho ny fanevatevana ny tafika

Nandritra ireo taona maro izay mbola nitondran'ny filoha teo aloha Hosni Mubarak ny firenena dia tsy nahita maso ny firongatr'ireo tranga izay ampidirana an-tranomaizina ny mpitoraka bilaogy noho ny lahatsoratra tamin'ny bilaogy isika. Ny tranga voalohany tany Ejipta dia tamin'ny 2007 rehefa voasazy an-tranomaizina nandritra ny 4 taona noho ireo lahatsoratra tao amin'ny bilaogy i Kareem Amer, voampanga ho naniratsira ny Silamo sy Mubarak izy.

Maikel Nabil

On 6 April 2011, a military tribunal took place against Egyptian blogger Maikel Nabil, 26 years-old, on charges of “insulting the military” and yesterday 10 April the court sentenced Nabil for 3 years in prison.Maikel Nabil is sent to prison over blog-post he wrote about violations committed by the military offices against civilians since the revolution and criticizing the army in Egypt.

During the past few years, Egyptian activists and journalists have broke many taboos through media platforms. The army and military forces was one of the main taboos during Mubarak’s time and is still a “red-line” in the offline media, and now the Supreme Council of the Armed Forces is threatening the online community by “punishing” netziens for practicing the right to freedom of expression and speaking about the military behavior.

The army in Egypt is sending a clear message that they don’t accept criticism and the charges against Nabil could be easily set against any other Egyptian netizen and human rights defenders to stop them from addressing human rights violations committed by military officers.

Maikel Nabil

Ny 6 Aprily 2011, nitsangana ny fitsarana miaramila  hiatrika ny mpitoraka bilaogy Ejiptiana Maikel Nabil, 26 taona, voampanga ho “nanevateva ny miaramila” ary ny 10 Aprily dia nanasazy an-tranomaizina an'i Nabil hisazy 3 taona ny fitsarana.

Nalefa an-tranomazina i Maikel Nabil noho ny lahatsoratra tao anaty bilaogy nosoratany mikasika ireo herisetra ataon'ny miaramila amin'ireo sivily hatramin'ny fiovana sy ny fitsikerany ny miaramila any Ejipta.

Nandritra ireo taona vitsy lasa, maro ireo zava-pady novakian'ireo mafana fo sy mpanao gazety Ejiptiana bantsilana avy amin'ny alalan'ny sehatry ny media. Ny tafika sy ny mpitandro filaminana dia iray amin'ireo zava-pady fototra nandritra ny fotoanan'i Mubarak ary dia mbola “tsipika-mena” foana izany amin'ny media ivelan'ny aterineto, ary ankehitriny ny Filankevitra Ambony ao amin'ny Tafika sy Hery Fiarovana dia mandrahona ny fiaraha-monina ao amin'ny aterineto amin'ny “fanasaziana” ireo mpiondana aterineto amin'ny fampiasàna ny zo amin'ny fahalalahana miteny ary miresaka momba ny fitondrantenan'ny miaramila.

Mandefa hafatra mazava tsara ny mpitandro filaminana any Ejipta fa tsy manaiky ny fitsikerana izy ireo ary ireo fiampangana an'i Nabil dia azo ampiarina tsara amin'ny Ejiptiana hafa mpiondana aterineto sy ireo mpiaro ny zon'olombelona manakana azy ireo amin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ireo manampahefana miaramila.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.