Singapore: Adihevitra Mikasika Ireo Miaramila ‘Diso Hanta’

Tena vonona hiady marina ve ny miaramila ao Singapore? Io dia iray amin'ireo fanontaniana maro apongatr'ireo mpiondana aterineto maneho hevitra noho ny fahitàna sarinà zazavao iray mampitondra olon-kafa ny kitapo fibabiny, olona heverina fa angamba mpanampy an-tranon-dry zareo.

Tao amin'ny Facebook ilay sary no nakarina voalohany ary avy hatrany dia nahasarika ny sain'ny media. Nanenina tamin'ny fitondrantenany hatreto ilay zazavao ary manaraka fanarenana ankehitriny.

Senang Diri nanitrikitrika fa ilay sary dia manamafy ny fomba fijery hoe ‘motraka be hanta’ ireo miaramila ao Singapore.

(Ny sary) mamintina ny nambaran'ireo mpitsikera ny SAF (tafika ao Singapore) hatrizay ary tsy vitan'ny manamapahefana ao an-toeran hahitsy – fa hoe ny tafi-panjakana ao Singapore dia ireo bandikely motraka avy any an-tanan-dehibe. Motraka be hanta, mbola kenankenain-dry dada sy neny, mbola karakarain'ny mpanampy an-trano, fahafahana hiatrika ady hita mibaribary fa tsy tafakatra mihoatra ny fetra tena ilain'ny ady. Tsy mila asiana teny fanazavana ny sary dia efa takatrao ny tiana ambara, sa tsy izany?

rogerpoh manome tsiny ny ray aman-dreny noho ny goragora amin'ny fampanarahana fitsipika ny ankizy ao Singapore

Ny fototry ny olana dia mifamatotra amin'ny ampahany amin'ny fifehezana goragora any an-tsekoly, manjaka any anivon'ireo sekolintsika. Ny fifehezana mitsitsitsitsy any an-tsekolintsika any dia mamokatra andian-taranaka zatra nokenakenaina sy mpianatra tsy manaraka fitsipika tohanan'ireo ray aman-drenin-dry zareo.

Loh and Behold nanao vakiraoka ity taratasy manesoeso ity mba hamoahany ny fomba fijeriny

Ry Motraka tianay indrindra,

Malaza ianao izao!

Mameno ny tontolo ny sarinao!

Miantona ny fofonain'ny firenentsika manontolo miandry izay hitodihanao mba hahitàna ny tavanao, saingy ny zanakao lahy, ray sy reny dia samy manoro hevitra anao mba hanohy ny làlanao tsy amim-pihambahambana.

Avelao hiasa saina any r’ ilay vendrana ireny ry zanakolahy, ary tandremo mihitsy matin-kambo mitondra ny kitapo babenao!

Satria manana ho avy mamiratra ianao, ry Motraka malala, àry dada sy neny, ho soa ho anao, dia tsy hahatanty ny hahita anao hijaly na haratra noho ny asa ambany toy izany, hikororosy hitondra kitapo babena, voasesika karazan-javatra mampahatanjaka toy ny ginseng, bak kwa, ron'akoho ary vifotsy maro miaty ‘abalone’ sao sendra noana ianao amin'ny alina. (Ao amin'ny paosy amin'ny ilany havia ny fanokafana ireo vifotsy ireo ry boaikelin'i dada)

Mr. Brown mandrisika ny olona mba tsy dia “ho henjana loatra” amin'ilay tovolahy

Heveriko fa tsy dia tokony ho henjana loatra amin'ilay tovolahy isika. Raha ny marina, izay tian'i Singapore no ataony: mamela ny vahiny hanao ny asa izay tsy tiantsika hoe isika no hanao azy.

Want some tau huay? koa dia manakiana ireo ray aman-dreny tsy mivaky loha saingy koa manontany ny antony iheverana an'ireo tanora Singaporiana feno 18 taona ho matotra afaka mandray basy nefa tanora loatra raha hifidy.

Ekena, fa tena diso ilay tovolahy nangataka ny mpanampiny hitondra ny entany, saingy ny tena fanakianana dia mivantana any an-tsorok'ireo ray aman-dreny.

Ny tohan-kevitra dia hoe rehefa nampianarina ny tanora feno 18 taona ho afaka mitana basy (18 no taona idiran'ireo tovolahy Singaporiana eo amin'ny fanompoana firenena), nahoana izy ireo no tsy hanan-kolazaina amin'ny politika eto Singapore? Tànako mafy io tohan-kevitro io. Saingy ireo sary toy ny etsy ambony dia tsy hanampy mihitsy ny olona toa ahy amin'ny fangatahan'izy ireo ny hampidinana ny taona azo andehanana mifidy.

Singapore Kopi Tok mino fa ilay sarinà miaramila dia manimba ny sarin'ny tafika manontolo.

Io miaramila io dia nanao ny SAF ho tsinontsinona. Mety ho tranga maningana ihany io, saingy nanimba kosa ny lazan'ny asa fanompoana, sy ireo hafa rehetra misalotra ny fanamiana amim-pireharehana.

Ho an'ireo lehilahy rehetra miasa manompo firenena ao amin'ny SAF. Lanjao ny kitaponareo ary ataovy mangirana ny kiraronareo; tsy mitaky zavatra betsaka ny hambo maha-miaramila.

Vicky's Writings mihevitra fa andiany iray tarika amin'ireo mpianatra tan-tsekoly nitombo niaraka tamin'ny fampilanjàna kitapo ny mpanampy an-tranony io bandy io

Mety ho iray tamin'ireo ankizilahy sy ankizivavy anarivony nitombo tao anatin'ny fampitondràna kitapo ny mpanampy an-trano ilay zalahy io. Tany aloha tany dia nanoratra teto amin'ny bilaogiko aho mikasika ankizilahy iray niara-nonina taminay, izay ny mpanampy an-tranony foana no nilanja ny kitapony miala any an-trano ka hatreo amin'ny toerana handraisany fiara fitaterana ho any an-tsekoly, tsy misy 10m akory ny elanelany. (Mihivingivina ny lohako mahatsiaro izany)

Ho voaantso ho ao anatin'io sehatra io ireo zanako lahy amin'ny taona ho avy. Nasehoko azy ireo ilay vaovao ary dia hentitra ry zareo fa hoe resaka natavezina ny antsika. Dia inona hono no tsy mety amin'io? Tia mitaraina loatra mikasika ny zavatra bitika tsy misy dikany ataonay ny olon-dehibe.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.