Muhammad Bakr Radwan: Ejiptiana Iray Mafana Fo Voatàna Any Siria

Ity dia fampidirana avy aminà bilaogy nasaina ary tantanin'i Alba, solonanaran'ny mafana fo Siriana iray izay tsy te ho fantatra anarana.

Fanavaozana: Herinandro iray taoran'ny nitazonana azy tao an-tananan'i Damaskaosy, navotsotra i Muhammad Radwan. Tonga tany Kairo izy ny Sabotsy 2 Aprily.

Ny 26 Martsa teo dia notanana tany Damascus, Siria ny enjeniera Ejiptianina Muhammad Bakr Radwan, taorian'ireo fihetsiketsehana tao amin'io firenena io ny Zoma. Voapanga ho nitsikilo izy. Ity ny tweet-ny farany:

tweet faran'i @battutta

Maosken'i Umayid #syria ambony ambany, mifandona ny mpomba sy ny mpanohitra rowgome

Radwan dia mizaka zonm-pirenena Ejiptiana-Amerikana izay tena nazoto tamin'ireo hetsika tany Ejipta, niray hina tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tahrir nandritra ireo andro taorian'ny #Jan25 ary nitatitra ireo vaovao mikasika an'i Siria sy ireo fikomiana Arabo ao amin'ny kaonty Twitter sy Facebook-ny.

Samy nasongadin'ny masoivohom-baovao Siriana Sanaa daholo na ny fandraisany anjara tao amin'nireo hetsika tany Ejipta na ny fizakàny zom-pirenena Amerikana, miaraka amin'ny fiampangana azy ho mpitsikilo:

Ny Ejiptiana mizaka ny zom-pirenena Amerikana dia miaiky fa mahazo vola ho takalon'ny fandefasana sary sy lahatsary avy any Siria. Nandefa ireo fiaikena mialoha nataon'ireo tsy Siriana manana zom-pirenena samy hafa izay voasambotra nandritra ireo hetsika nisy tao anatin'ireo tanàna Siriana maromaro ny Fahitalavitra Siriana tamin'ny Sabotsy.

Miantso azy ho “Ilay Ejiptiana” ny lahatsoratra (in'enina miverina ao anatina lahatsoratra iray misy andininy sivy), izay toa ezaka hampifandraisana ireo hetsika Siriana manohitra an'i Bashar Al-Assad sy ny Baath, ilay antoko nitantana ny firenena tamin'ny tana-maheriny nandritra ny 48 taona, niaraka taminà olona avy any ivelany. Ny filazana fa hoe “tsy-Siriana” ny Fiovana dia tsy zava-vaovao. Ny filoha Libiana, Muammar al-Gaddafi, dia niampanga ihany koa ireo olon'ny Tandrefana ho nikarakara sy nitarika ireo fihetsiketsehana, mba hiezahany hanenàna ireo fikomiana ho zavatra “tsy-Libiana”, na “tsy-Arabo”.

Voapanga ho niray tsikombakomba tamin'ny sampam-pitsikilovana Israeliana ihany koa i Radwan, miainga avy aminà fanadihadiana (amin'ny teny Arabo) izay nilazany fa nandeha tany mba hitsidika ireo namany tany amin'ny Gaza izy:

Araka ny voalazan'ny zanaky ny iray tampo amin'ny raiamandreniny, enjeniera Ejiptiana Tarek Shalaby, “mpiivezivezy matetika i Radwan izay milanja kitapo babena mitety ireo firenena maro ary noho izany dia manana pasipaoro ahitana visa misy fitomboka maro.” Ilay  Ejiptiana archeolozista, Nora Shalaby, zanaky ny iray tampo amin'ny raiamandrenin'i Radwan, ampian'i Tarek Shalaby dia mikarakara ny fanentanana Fangatahana fahafahana ho an'i Radwan mba hamotsorana azy. Nanatevin-daharana ny fijorona mangina tao amin'ny masoivohon'i Siria tany Ejipta izy ireo ny Alarobia 30 Martsa.

Eo anoloan'ny masoivohon'i Siria any Kairo – Sarin'i tarekshalaby

Nanampy ihany koa i Shalaby:

Tsy mahay maka lesona avy amin'ny hadisoan'ny sasany ireo Arabo mpanao didy jadona ka mamonjy mamoaka indray ireo fomba Ntaolo mba hiezahana handavoana ny fanahy tia Fiovana ao amintska. Kely ny fahafantaran'i Bashar el Asad fa ny tenany ihany no noharatsiany, ary isika rehetra dia ho mpandresy sy hanafaka ny tenantsika amin'ny kolikoly sy ny herisetra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.