Fanenjehana mpitoraka blaogy liberaly jiosy

Richard Silverstein, jiosy liberaly iray mpitoraka bilaogy, no iharan'ny fanenjehan'ny elatra havanana mahery fihetsika avy amin'ny  nationaliste sy ara-pivavahana. Tao amin'ny bilaoginy Tikun Olam, namoaka filazana iray i Silverstein izay nalefa avy tany amin'ny mpisolovava azy, David Yerushalmi- miampanga azy ho manala-baraka.

Ny mpitoraka blaogy Richard Silverstein. Sary avy amin'ny HuffingtonPost

“Mila tsiny betsaka aho fa voatery hiverina kely amin'ny fanambarana nataon'ny olona arovanao, Richard Silverstein, mikasika ahy tao amin'ny bilaoginy. Ny voalohany indrindra rehefa nanohintohina ahy izy nanomboka tamin'ny filazana ahy ho fasista, mpanavakavaka ary Kahanista, dia tsy mbola nasiako sira ireny, na dia ireo sasany mitovy aminy aza nanome “tongotra” ireny fanambarana tsy misy fotony ireny, izay nanome fahafahana ho an'ny “maso” maro tsy voatanisa hamaky ny zavatra takatry ny mpanjifanao sy noheveriny ho fanambarana voalanjalanja tsara momba ahy. Azo hamarinina fa diso ireny fanambarana ireny ary nampahafantarin'ireo mpanjifanao azy ireo fa diso izy, na tsy nitandrina ka niteraka izany. Izany tsy fitandremana izany, raha amiko, dia ao amin'ny fijoroany vavolombelona, fitoriana tamin'ny raharaha Neuwirth.”

Yerushalmi dia mpisolovava monina any Washington DC. Tamin'ny 2010, ny ThinkProgress dia nitatitra ny fomba fijeriny momba ny Silamo sy ny lalàna Islamika. Nanambara Yerushalmi tao anatina lahatsoratra ho an'ny American Thinker fa,

“Teraka tanaty herisetra ny finoana Silamo; ka amin'izany fomba izany no hahafatesany. Fanantenan-javatra be fahatany rano iray ny faniriana ny mifanohitra amin'izany. Tamin'izany fomba izany ihany koa no nampianaran'ny mpampianatra Alemana sy mpitarika mpanao politika ireo tanora taty aorian'ny Ady Lehibe Faharoa mba hankahala ny fasisma nampiharin'ireo raibeny, miaraka amin'ny lalàna hentitra izay mbola misy hatramin'izao ary mifehy ny kabary maneho ahiahy momba ny fanaovana sorona (Holocaust), ka tsy maintsy ampianarina koa ireo tanora Silamo manomboka amin'ny fahazazàny mba hitsipaka ny finoan'ireo razambeny.

Richard Silverstein, malemy fiteny ihany amin'ny fifandiran'ny Israeliana sy Palestiniana, dia lasibatry ny tsikera masiaka avy amin'ny maro tao amin'ny tontolon'ny blaogy. I Jewlicious dia milaza azy ho

“..ohatra velona amin'ny fahanterana ara-moraly?”

Lasa lavitra i Israellycool ka niantso azy ho mpitoraka blaogy mpiahy ny horohoro, mpanohitra an'Israely.

Ny Kaomity hiarovana ny mpitoraka blaogy dia manana lahatsoratra milaza amin'ny antsipiriany momba ny olana araka ny lalàna nomena an'i Silverstein ary koa mampirisika ny olona hanohana ny asan'i Silverstein sy ny zony haneho ny fomba fijeriny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.