Venezoela: Mitombo ny tranga-na gripa AH1N1

Mandia fotoan-tsarotra hafa indray ny Venezoelana amin'izao fotoana izao; tonga ny gripa AH1N1, araka ny voalazan'ny minisitry ny fahasalamana avy amin'ny fitondrana revolisionera hita ao amin'ny pejy ofisialy dia niainga avy tany amin'ny faritanin'i Mérida tany amin'ny tapaky ny volana marsa tany ho any ity valan'aretina ity. Misy kosa anefa ny filazana hafa avy amin'ny holafitry ny siantifika sy ny dokotera ao Venezoela, manambara fa efa tamin'ny voalohany volana febroary no niavian'ny aretina ary niainga tany amin'ny faritanin'i Guárico.

Na avy aiza anefa no marina amin'izany fanambarana izany na avy aiza dia niparitaka haingana tany amin'ny faritany hafa tao amin'ny firenena ny valan'aretina. Nanomboka tamin'ny tranga miisa 12 izany ka tafakatra 382 sy fahafatesan'olona 4 tao anatin'ny iray volana.

Ho fepetra fisorohana amin'izay mety ho fielezan'ny valan'aretina dia nanapa-kevitra ny governoran'ny faritanin'i Mérida, Marcos Díaz Orellana hampiato ny fianarana ao amin'ny Anjerimanontolon'i los Andes.

Vacuna para AH1N1. Imagen de Flickr de Daniel Paquet (CC BY 2.0)

Mazava ny torolalana avy amin'ny minisitra Eugenia Sader amin'ny fanaovam-bakisiny:

“En cuanto a la vacunación, advirtió que sólo está indicada la vacuna en niños y niñas de seis meses, adultos y adultas mayores de 60 años, personas con el sistema inmunológico comprometido (VIH/SIDA, cáncer, diabetes, hipertensión o problemas respiratorios) y mujeres embarazadas, “de resto no hay indicación de vacuna a la población en general”.

Raha ny momba ny vakisiny kosa dia nambara mazava fa ho an'ny zazakely latsaky ny enimbolana sy ny olondehibe lahy sy vavy mihoatra ny 60 taona ary ho an'ireo izay marefo koa ny hery fiarovana ao aminy ihany izany (VIH/SIDA, homamiadana, fiakaran'ny tosi-drà na olana eo amin'ny fitaovam-pisefoana) mbamin'ny vehivavy bevohoka, “tsy misy kosa ny filazana ho an'ny olona hafa rehetra amin'ny ankapobeny.”

Ary toy izao kosa ny torolanana mikasika ny fisorohana:

“Debe quedarse en casa para evitar contagiar a otros, lavarse las manos frecuentemente con agua y jabón o gel antibacterial, mantener las habitaciones ventiladas y en caso de dudas, la población puede llamar al 0-800-VIGILAN (8444526).”

“Tokony hijanona ao an-trano ho fisorohana ny fiparitahan'ny aretina, hisasa tanana amin'ny savony matetika na amin'ny fitaovana mamono ny otrik'aretina, sokafana hidiran'ny rivotra ny trano raha misy ny fiahiahiana, azo antsoina ihany koa ny 0-800-VIGILAN (8444526).”

Ankoatra izany dia nanambara ny holafitry ny siantifika sy ny dokotera ao Venezoela fa:

“La falta de vacunación oportuna causó nuevo brote de AH1N1″

Nampisy toeram-pielezan'ny AH1N1 hafa koa ny tsy fahampian'ny vakisiny amin'ny fotoana tokony hanaovana izany

Indreto indray misy resaka hita ao amin'ny Twitter. Nilaza i Geraldine Capriles (@Gecacapri) :

Me da miedo la #Ah1n1

Matahotra #AH1N1 aho

Fampahafantarana avy amin'i Carmen Ramia (@carmenramia) informa:

Casos de influenza AH1N1 se duplicaron en Caracas en 24 horas.

Nitombo vetivety ny tranga-na AH1N1 tao anatin'ny 24 ora

Nampirisika ny mpanaraka azy amin'ny Twitter i Miguel Mendoza (@miguemendoza) hanao vakisiny ary i Manuel Parra Morán (@manmoran) kosa naneho hevitra hoe:

La vacunación contra AH1N1 debe ser masiva, todos los venezolanos tenemos el derecho a ser protegidos.

Tokony hisy ny fanaovam-bakisiny ankapobe hiarovana amin'ny AH1N1, mendrika ny ho arovana avokoa ny Venezoelana rehetra.

Ny Dr. Rigoberto Marcano (@rigotordoc) kosa nanome endrika politika ny toedraharaha tamin'ny firesahana momba ny filoha  Hugo Chávez ho “ny fitondrana.”

Claro, el regimen NO vacunó cuando debió haberlo hecho en 2010 RT @UNoticias: Un gentío anda en busca de vacunas contra la #AH1N1

Mazava, tsy nampanao vakisiny ny fitondrana tamin'ny 2010 raha tokony ho nisy izany RT @UNoticias: maro ny olona miady amin'ny vakisin'ny #AH1N1

Maneso kosa i Gonzalo Rodriguez (@ponchalo2012) :

CASI NADA!!! Confirmados 415 casos de #AH1N1 a nivel nacionalhttp://t.co/4Xqi2Oh vía @webnotitarde

TSY MARO AKORY!!! 415 ihany no voamarina ho tratran'ny #AH1N1 manerana ny firenena

GabO! (@gabocumarin) niresaka indray ny karabin'ny filoha Chávez en su tuit:

el presidente @chavezcandanga dice que hay todos los insumos para la#Ah1n1 y no poseen equipo para realizar la prueba ! q #cagada

Nilaza ny filoha @chavezcandanga fa misy ny loharanombola iadiana amin'ny #AH1N1 fa tsy misy kosa ny fitaovana ilaina hanaovana ny fitsaboaka. Mampanahy izy izany!

Efa naka fanapahan-kevitra ny olom-pirenena sasany nandeha nankany amin'ny fivarotam-panafody tsy miankina hividy ny vakisina mba tsy ho tratran'ny viriosy. Saingy noferan'ny minisiteran'ny fahasalamana ihany koa ny azon'izy ireny hahalalana ny isa marina. Locatel, tambajotram-pivarotam-panafody malaza iray ohatra dia nikomandy vakisiny 1500 tamin'ny minisitera saingy 29 monja no azony, ankoatra ireo efa te-hatao vakisiny miady amin'ny AH1N1 ao anaty lisitra fiandry. El Nacional [es] nilaza fa “Vakisiny enti-miady amin'ny H1N1 in-telo no ho tonga any Venezoela mialoha ny faran'ny herinandro, ny minisitry ny fahasalamana Eugenia Sader kosa nilaza fa amin'ny Alatsinainy 28 Marsa izany.

Ankoatra ny antony mahatonga ny fianahan'ny valan'aretina sy ny torolalana tokony arahina avy amin'ny tompon'andraikitra, manana andraikitra ny hanao fisorohana ihany koa ny Venezoelana, na dia lasa fandaniam-bola fanampiny ho an'ny fianakaviana na mivoaka am-paosin'ny tsirairay aza ny fizaham-pahasalamana sy ny fanaovam-bakisiny any amin'ny toera-pitsaboana tsy miankina.

Ny alahady 27 marsa, dia nanamarina ny filoha Chávez nandritra ny fandaharana “Aló Presidente” fa “Efa misy 382 ankehitriny ny tranga-na gripa AH1N1.”

Ny marainan'ny 28 marsa no nandrenesan'ny Venezoela fa efa 415 ny tranga “voamarina.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.