Syria: ‘Zoman'ny Voninahitra’ Hetsi-Panoherana Mipongatra Manerana ny Firenena

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Hetsi-panoherana gaovana no nipoaka tany amina tanàna maro tany Syria tamin'ity Zoma ity ho setrin'ny antso hanaovana  “Zoman'ny dignité” taorian'ny famoretana tan-kerisetra nataon'ny fanjakana, nahafatesana mpanao fihetsiketsehana ampolony mahery tany amin'ny tanàna atsimon'i Daraa sy tany amin'ireo tanana manodidina.

Androany, izao tontolo izao dia nivanaka nahita ireo lahatsarin'ny fahorenana Siriana ary maro no tsy nino ny zava-nitranga, indrindra indrindra fa taorian'ny tsy fahombiazan'ny antso voalohany natao mba hanaingana ny olona hidina an-dalambe tamin'ny 5 Febroary. Ity lahatsary manaraka ity dia nalaina tao Hama– toerana izay namonoan'ny tafika Siriana olona efa ho 10.000 tamin'ny taona 1982 mba hampanginana ny fitroaran'ny Firahalahiana Silamo– ary andrenesanao ireo mpanao fihetsiketsehana miventy ny hoe “Fahalalahana!” sy “atolotray ho sorona ho an'i Daraa ny tena sy fanahinay.”

Anjaran'i Daraa indray ny nahita ny hetsi-panoherana goavana teo aminy. Niventy ny hoe “misy mpamadika iray manafika ny vahoakany ihany” ireo mpanao fihetsiketsehana.

Ireo nanatri-maso dia nitatitra sy nampakatra lahatsary tena faran'izay mampivarahontsana mikasika ny vono olona tao  As Sanamayn, tanàna iray ao akaikin'i Daraa, satria ny vahoaka nanao diabe hikendrena ny hamakiana ny sakana napetraky ny mpitandro filaminana tamin'ireo toeram-pidirana mankao an-tanànan'i Daraa. Raha kely indrindra dia 20 no voalaza fa maty.

An'aliny ireo nanao fihetsiketsehana tao amin'ny kianjaben'i Homs nanambara fa “tsy hanan-tahotra izy ny amin'ny ho tohin'ny anio.”

Ilay mpampisa Twitter, @AnonymousSyria, dia nandehandeha tao amin'ny Grand Mosque tao Aleppo, toerana izay nahafahany nandrakitra an-tsary ireo mpitandro filaminana nanaparitaka an-kerisetra fikasana iray hanao fihetsiketsehana teo:

Nandritra izany tao Damaskaosy, maro ireo mpanao fihetsiketsehana naka toerana tamina faritra maro samihafa tao an-tanàna sy teny akaikin'ireo tanàna amin'ny faritra ambanivohitra. Ao anatin'ity lahatsary eto ambany ity, niventy ny hoe “Andriamanitra, Syria, Fahalalahana fotsiny izao” ireo vahoaka nifamory tao amin'ny Maosken'i Al-Rifai tao Damaskaosy no sady nangataka ny hanalàn'ny governemanta ny fahirano atao ao Daraa.

http://www.youtube.com/watch?v=0NB-zMMFcEA

Damaskaosy sy tanàna vitsy hafa koa nahita maso ny fihetsehana sy ny fitanjozotry ny fiaran'ireo mpomba ny governemanta. Tsy nanao fanambarana ampahibe-maso mikasika ny zava-nitranga androany ny manampahefana ao amin'ny governemanta aloha hatreto ary ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao nampitony ny mpilaza vaovao fa hoe milamina ny toe-draharaha manerana ny firenena. Marobe ny olona voalaza fa maty ao Daraa, Latakia, Zabadani ankoatry ny any an-kafa.

Ity lahatsoratra ity dia ampahany amin'ny tatitra manokana ataonay mikasika ny Hetsi-panoherana Syria 2011.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.